Tononkiran’i Solomona 4:1-16

4  “Tsara tarehy ianao,+ ry tovovavy malalako. Tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao+ ao anaty voaly.+ Ny volonao dia tahaka ny andian’osy+ mitsambikimbikina midina ny faritra be tendrombohitr’i Gileada.+  Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy+ vao nohetezana, izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy. Miteraka kambana izy rehetra, ary tsy misy tsy mahavanona anaka.  Sahala amin’ny kofehy mena midorehitra ny molotrao, ary mahafinaritra ny teninao.+ Sahala amin’ny silaka ampongabendanitra ny fihirifanao ao anaty voaly.+  Ny vozonao+ dia sahala amin’ny tilikambon’i+ Davida, izay vita rarivato sady ihantonan’ny ampinga arivo, dia ireo ampinga boribory+ rehetra fampiasan’ny lehilahy mahery.  Ny nononao+ roa dia toy ny zana-gazela roa homana eny amin’ny lisy,+ eny, zana-gazela kambana nateraky ny gazelavavy.”  “Dieny mbola tsy mandrivodrivotra ny andro+ ary dieny mbola tsy lasa ny aloka, dia ho any amin’ny tendrombohitra misy miora aho, ary ho any amin’ny havoana misy ditin-kazo manitra.”+  “Tena tsara tarehy ianao,+ ry tovovavy malalako, ary tsy misy tsininy.+  Mialà any Libanona+ ka avia hiaraka amiko, ry ilay ampakariko.+ Mialà any Libanona ka avia! Midìna avy eny an-tampon’i Amana, avy eny an-tampon’i Senira,+ eny, avy any Hermona,+ sy avy eny amin’ny lavaky ny liona, ary avy eny an-tendrombohitra fonenan’ny leopara.  Mampidobodoboka ny foko ianao rahavako,+ ry ilay ampakariko,+ eny, midobodoboka ny foko raha vao mitopy eny amiko ny masonao+ ary raha vao hitako ilay firavaka iambozonanao. 10  Mamy erỳ ny fanehoam-pitiavanao+ rahavako, ry ilay ampakariko! Tsara lavitra noho ny divay ny fanehoam-pitiavanao, ary mamerovero lavitra noho ny karazan-java-manitra rehetra ny hanitry ny menakao!+ 11  Tantely avy ao anaty tohotra* no mitete avy amin’ny molotrao,+ ry ilay ampakariko. Tantely+ sy ronono no eo ambany lelanao, ary toy ny hanitr’i+ Libanona ny fameroveron’ny akanjonao. 12  Toy ny zaridaina mifefy ianao, rahavako,+ ry ilay ampakariko, eny, toy ny zaridaina mifefy sy loharano nasiana hidiny. 13  Ny hoditrao dia toy ny saha mahafinaritra anirian’ny ampongabendanitra, misy voankazo faran’izay tsara,+ sy toy ny saha anirian’ny moina sy ny narda,+ 14  dia narda+ sy safrona,+ fantàkamanitra+ sy kanelina,+ mbamin’ny karazan-kazo rehetra misy dity manitra, miora sy aloesy,+ sy ny zava-manitra rehetra faran’izay tsara,+ 15  sy loharano an-jaridaina, sy lavadrano misy rano madio,+ ary rano kely mikoriana avy any Libanona.+ 16  Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra ô, ary midira, ry rivotra avy any atsimo ô!+ Aoka ianao hitsoka ao an-jaridainako,+ ka hiely ny fofony manitra.” “Aoka hiditra ao an-jaridainany ny malalako, ka hihinana ny voankazo faran’izay tsara ao.”

Fanamarihana

Jereo Sl 19:10 f.a.p.