Tononkiran’i Solomona 5:1-16

5  “Efa niditra ato an-jaridainako+ aho, rahavako,+ ry ilay ampakariko.+ Efa nioty ny miorako+ sy ny zavamaniry mani-pofona aho. Efa nihinana ny toho-tanteliko sy ny tanteliko+ aho, ary efa nisotro ny divaiko sy ny rononoko.” “Mihinàna, ry sakaiza! Misotroa, ary aoka ianareo ho mamon’ny fanehoam-pitiavana!”+  “Matory aho, nefa mahatsiaro ihany ny foko.+ Injay fa reko mandondòna ny malalako!”+ “Vohay aho,+ rahavako, ry tovovavy malalako, ry voromailalako, ry ilay tsy misy tsiniko,+ fa feno ando ny lohako, ary kotsan’ny andon’ny alina+ ny voloko.”  “‘Efa nalako ny akanjoko ivelany, ka hanaovako indray ve? Ary efa nisasa tongotra aho, ka handoto azy indray ve?’  Dia nesorin’ilay malalako tsy ho eo amin’ny lavaky ny varavarana ny tanany, ka nidobodoboka be ihany ny foko.+  Koa nitsangana aho hamoha varavarana ny malalako, ary nitete miora ny tanako, eny, nitete ranona miora ny rantsantanako teo amin’ny lavaky ny hidin-trano.  Namoha varavarana an’ilay malalako aho, kanjo efa nihodina ny malalako ka lasa. Hoatran’ny ho safotra aho rehefa niteny izy. Nitady azy aho fa tsy nahita.+ Niantso azy aho, fa tsy namaly izy.  Nahita ahy ireo mpitily+ nandehandeha nanara-maso ny tanàna. Nikapoka ahy izy ireo, ka nandratra ahy. Nanendaka ny lamba ivelany notafiko ireo mpitily teny ambony manda.+  “Mampianiana+ anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema+ ô: Raha hitanareo ny malalako+ dia ilazao izy fa azon’ny tazom-pitia aho.”+  “Fa inona loatra no mampiavaka ny malalanao amin’ny hafa rehetra,+ ry ilay tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy ô?+ Fa inona loatra no mampiavaka ny malalanao amin’ny hafa rehetra, no mampianiana anay toy izany ianao?”+ 10  “Tsara tarehy ny malalako, sady somary mena. Ary miavaka ao anatin’ny olona iray alina izy.+ 11  Toy ny volamena ny lohany, eny, volamena voadio. Ny volony dia sahala amin’ny antrendry maro eo amin’ny tangozany, sady mainty toy ny volon’ny goaika. 12  Ny masony dia toy ny voromailala eo amoron’ny lakandrano, toy ny voromailala mandro ao anaty ronono, ary mipetraka eo amoron’ny dobo. 13  Ny takolany dia toy ny zaridainan-javamaniry mani-pofona,+ sy toy ny tilikambo feno zava-manitra. Ny molony dia sahala amin’ny lisy mitete ranona miora.+ 14  Ny tanany dia tahaka ny vaingam-bolamena lavalava, feno krizolita. Ary ny kibony dia toy ny takelaka ivoara voarakotra safira. 15  Ny ranjony dia toy ny andry marbra mitsatoka eo amin’ny faladia volamena voadio. Tsara tarehy toa an’i Libanona izy, ary ny bikany dia tsy manan-tsahala toy ny hazo sedera.+ 16  Mamy dia mamy ny vavany. Ary mahatehotia daholo izay rehetra momba azy.+ Toy izany ny malalako, ary toy izany ilay tovolahy niantefan’ny fitiavako, ry zanakavavin’i Jerosalema ô!”

Fanamarihana