Tononkiran’i Solomona 6:1-13

6  “Nankaiza ilay malalanao, ry ilay tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy ô?+ Nivily aiza ilay malalanao mba hiarahantsika hitady azy?”  “Lasa nidina any an-jaridainany ny malalako,+ any amin’ny zaridainan-javamaniry mani-pofona,+ mba hiandry ondry+ eny an-tsaha sy hioty lisy.  An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako.+ Miandry ondry+ eny amin’ny toerana anirian’ny lisy izy.”  “Tsara tarehy toa an’ilay Tanàna Kanto*+ ianao, ry tovovavy malalako,+ tsara toa an’i Jerosalema.+ Mahatalanjona koa ianao, toy ny andian-tafika+ manodidina ny saina.+  Avilio tsy hijery ahy ny masonao+ fa babony tanteraka aho. Ny volonao dia tahaka ny andian’osy mitsambikimbikina midina avy eny Gileada.+  Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy. Miteraka kambana izy rehetra, ary tsy misy tsy mahavanona anaka.+  Sahala amin’ny silaka ampongabendanitra ny fihirifanao ao anaty voaly.+  Na eo aza ireo vehivavy enimpolo vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny valopolo ary ny ankizivaviny tsy hita isa,+  dia iray ihany no voromailalako,+ ilay tsy misy tsiniko.+ Vavitokan-dreniny izy, eny, ilay madio naterak’ilay nahitany masoandro. Nahita azy ny vehivavy, ka nilaza azy hoe sambatra, ary ny vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny koa nidera azy+ hoe: 10  ‘Iza io vehivavy io,+ izay mijery ambany tahaka ny tara-pahazavana vao maraina,+ tsara tarehy sahala amin’ny volana fenomanana,+ madio tahaka ny masoandro mamirapiratra,+ ary mahatalanjona toy ny andian-tafika manodidina ny saina?’”+ 11  “Nidina nankany amin’ny saha+ feno voanjoala* aho, mba hijery ny zavamaniry mamontsina eny an-dohasaha falehan-driaka,+ mba hahitako raha efa mitsimoka ny voaloboka ary efa mamony ny ampongabendanitra.+ 12  Tsy nampoiziko akory dia tonga teo amin’ny kalesin’ny fireneko be fandavan-tena aho.” 13  “Miverena, miverena, ry Solemita ô! Miverena, miverena, mba hijerenay anao!”+ “Fa inona loatra no hitanareo amin’ilay Solemita?”+ “Zavatra sahala amin’ny dihy ataon’ny toby roa!”

Fanamarihana

Na: “toa an’i Tirza.”
Hazo any Israely; toy ny voanjo ny voany.