Tononkiran’i Solomona 7:1-13

7  “Tsara erỳ ny tongotrao amin’izato kapanao,+ ry tovovavy be fandavan-tena!+ Tsara toy ny firavaka+ notefen’ny mpanao asa tanana mahay koa ny bikan’ny fenao.  Boribory sahala amin’ny vilia baolina ny foitranao. Aoka hisy divay nasiana fangarony+ foana eo. Ary ny kibonao dia toy ny antontam-barimbazaha, voahodidin’ny lisy.+  Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela roa kambana, nateraky ny gazelavavy.+  Ny vozonao+ dia sahala amin’ny tilikambo ivoara, ary ny masonao+ toy ny dobo any Hesbona,+ eo akaikin’ny vavahadin’i Bata-rabima. Ny oronao dia tahaka ny tilikambon’i Libanona, izay tandrifin’i Damaskosy.  Sahala amin’ny tendrombohitra Karmela+ ny lohanao, ary ny volon-dohanao+ dia tahaka ny volonondry nolokoana volomparasy somary mena.+ Babon’ny volonao misahondrahondra ny mpanjaka.+  Tena tsara tarehy sy mahatehotia mihoatra noho ny zava-drehetra tena mahafinaritra ianao, ry ilay tovovavy niantefan’ny fitiavako!+  Toy ny hazo palmie+ ianao rehefa mijoro, ary toy ny antrendry ny nononao.+  Hoy aho: ‘Hianika an’ilay hazo palmie aho, mba hahafahako handray ireo antrendry eo aminy.’+ Aoka re ho tahaka ny sampahom-boaloboka ny nononao, ary hamerovero tahaka ny paoma ny fofonainao.  Ary aoka ny vavanao ho sahala amin’ny divay+ faran’izay tsara, izay mikoriana midina+ ho an’ny malalako, mikoriana moramora eo amin’ny molotr’izay matory.” 10  “An’ny malalako aho,+ ary izaho no iantefan’ny faniriany.+ 11  Avia, ry malalako, andao isika ho any an-tsaha.+ Andao isika hipetraka eny ambanin’ireo moina.+ 12  Andao isika hifoha maraina ho any an-tanimboaloboka, mba hahitantsika raha mitsimoka ny voaloboka,+ ary mivelatra ny vonin’ny zavamaniry,+ na efa mamelana ny ampongabendanitra.+ Any no hanehoako ny fitiavako anao.+ 13  Mamerovero ny hanitry ny angivimbazaha,+ ary misy voankazo isan-karazany faran’izay tsara+ eo am-bavahadintsika. Na ny vao na ny efa ela dia samy notehiriziko ho anao, ry malalako.

Fanamarihana