Tononkiran’i Solomona 8:1-14

8  “Raha mba toy ny anadahiko+ mantsy ianao, ka ninono tamin’i Neny,+ dia hanoroka anao aho+ raha mahita anao eny ivelany eny, nefa tsy hanamavo ahy ny olona.  Hoentiko ianao ka hampidiriko ao an-tranon’i Neny,+ dia ny reniko izay nampianatra ahy. Ary horosoako divay nasiana zava-manitra+ ianao, sy ranon’ampongabendanitra vao natao.  Hiondanako ny tanany ankavia, ary hamihina ahy ny tanany ankavanana.+  “Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema ô: Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.”+  “Iza iny vehivavy+ miakatra avy any an-tany efitra iny,+ izay mitehina amin’ny malalany?”+ “Teo ambany paoma ianao no nofohaziko. Teo ny reninao no nanaintaina niteraka anao. Teo izy no nanaintaina rehefa nihetsi-jaza niteraka anao.+  “Ataovy toy ny tombo-kase eo amin’ny fonao+ sy eo amin’ny sandrinao aho, satria mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana.+ Tsy manaiky hozarazaraina amin’ny hafa+ ny fitiavana, satria toy ny Fasana* izy ka tsy mety milefitra. Ny firedaredany dia toy ny firedaredan’ny afo, eny, ny lelafo avy amin’i Jah.*+  Na dia renirano maro aza tsy mahafaty ny afon’ny fitiavana,+ ary na ony maro aza tsy mahavita manongotra azy.+ Raha misy olona manome ny harena rehetra ao an-tranony mba hividianana fitiavana, dia tena hatao tsinontsinona izany.”  “Manana anabavy+ kely mbola tsy misy nono izahay. Hataonay ahoana izy rehefa hisy hangataka indray andro any?”  “Raha toy ny manda+ izy, dia hanorenantsika tilikambo volafotsy eo an-tampony. Fa raha toy ny varavarana+ kosa izy, dia hosakanantsika amin’ny hazo fisaka sedera.” 10  “Manda aho, ary sahala amin’ny tilikambo ny nonoko.+ Koa vehivavy milamin-tsaina àry ny fahitany ahy. 11  “Nanana tanimboaloboka+ tany Bala-hamona i Solomona. Nankininy tamin’ny mpikarakara ilay izy,+ ary samy nandoa farantsa volafotsy arivo avy izy rehetra, noho ny vokatra azony. 12  “Azoko ampiasaina amin’izay itiavako azy ny tanimboaloboko, satria ahy. Anao, ry Solomona, ny arivo, fa ny roanjato kosa an’ireo mpikarakara ny vokatra.” 13  “Ary ianao, ry ilay monina ao an-jaridaina,+ mihaino ny feonao ny namako.* Aoka aho mba handre ny feonao.”+ 14  “Mihazakazaha, ry malalako, ka manaova hoatran’ny gazela na ny zanaka serfa eny an-tendrombohitra misy zavamaniry mani-pofona.”+

Fanamarihana

Fanafohezana ny hoe Jehovah.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Na: “namanao.”