Amosa 2:1-16

2  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘“Noho ny nikomian’i Moaba+ intelo, eny, inefatra aza, dia tsy hotsoahako ny didim-pitsarako, satria izy nandoro ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma mba hahazoana sokay.+  Ary handefasako afo any Moaba, ka handevona ny tilikambo fonenana ao Keriota+ izany. Dia ho faty ao anatin’ny tabataba be i Moaba, rehefa maneno ny fanairana sy ny anjombona.+  Haringako tsy ho eo aminy ny mpitsara, ary hovonoiko miaraka amin’ilay mpitsara ny andrianany rehetra”,+ hoy i Jehovah.’  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Noho ny nikomian’ny Joda+ intelo, eny, inefatra aza, dia tsy hotsoahako ny didim-pitsarako, satria izy tsy niraharaha ny lalàn’i Jehovah,+ sady tsy nitandrina ny fitsipiny. Ary ny lainga+ efa ninoan’ny razany ihany no namitaka azy ireo.+  Dia handefasako afo ao Joda, ka handevona ny tilikambo fonenana ao Jerosalema izany.’+  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Noho ny nikomian’ny Israely+ intelo, eny, inefatra aza, dia tsy hotsoahako ny didim-pitsarako, satria izy nivarotra olo-marina hahazoana volafotsy, sady nivarotra olo-mahantra izay nataony nitovy vidy tamin’ny kapa.+  Irin’izy ireo mafy hihosim-bovoka ny lohan’ny mahantra.+ Ailikiliny ny mpandefitra.+ Ary ankizivavy iray ihany no alehan’ny lehilahy mpianaka,+ mba hanazimbazimbana ny anarako masina.+  Eo amin’ny fitafiana nalaina ho antoka izy no mitsilailay+ eo anilan’ny alitara+ rehetra. Ny divay vidiny avy amin’ny vola aloan’ny olona ampandoaviny sazy, no sotroiny ao an-tranon’ireo andriamaniny.’+  “‘Ary noho ny amin’ny oloko dia naringako ny Amorita+ izay lava ranjanana toy ny hazo sedera sady matanjaka toy ny hazo goavam-be.+ Eny, naringako ny voany teny ambony sy ny fakany tao ambany.+ 10  Ary izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta+ sy nampandeha anareo namakivaky ny tany efitra nandritra ny efapolo taona,+ mba hakanareo ny tanin’ny Amorita ho fanananareo.+ 11  Nisy tamin’ny zanakalahinareo natsangako ho mpaminany,+ ary tamin’ny tovolahy teo aminareo ho Nazirita.+ Tsy izany ve no tokony ho izy, ry zanak’Israely ô?’, hoy i Jehovah. 12  “‘Nampisotroinareo divay anefa ny Nazirita,+ ary nomenareo didy ny mpaminany hoe: “Aza maminany.”+ 13  Ahozongozoko ny tany eo ambaninareo, toy ny fihozongozon’ny sarety feno varimbazaha vao avy nojinjaina. 14  Tsy hisy intsony ny toerana ho azon’ny haingam-pandeha andosirana.+ Tsy hisy olona matanjaka hampitombo ny heriny, ary tsy hisy olo-mahery hahavonjy ny ainy.+ 15  Ary tsy hisy hahajoro ny mpitana tsipìka, sady tsy hisy haingam-pandeha ho afa-mandositra, ary tsy hisy mpitaingin-tsoavaly hahavonjy ny ainy.+ 16  Ary izay be herim-po amin’ny olo-mahery dia handositra mitanjaka amin’izany andro izany’,+ hoy i Jehovah.”

Fanamarihana