Amosa 4:1-13

  • Fanamelohana an’ireo ombivavin’i Basana (1-3)

  • Esoin’i Jehovah ny fanompoan’ny Israely (4, 5)

  • Tsy niova ny Israely na dia nofaizina aza (6-13)

    • “Miomàna hifanatrika amin’ny Andriamanitrao” (12)

    • ‘Milaza ny heviny amin’ny olona Andriamanitra’ (13)

4  “Henoy izao, ry ombivavin’i BasanaEo amin’ny tendrombohitr’i Samaria,+Dia ianareo vehivavy manambaka ny madinika+ sady mampahory ny mahantra,Ary milaza amin’ny vadinareo* hoe: ‘Mitondrà zavatra hosotroina!’  2  Masina i Jehovah Tompo Fara Tampony ka mianiana hoe:‘“Ho avy ny andro hanaingany anareo amin’ny faraingon’ny mpivaro-kena,Ary hanaingany ny sisa aminareo amin’ny lelam-pintana.  3  Eo amin’ny manda voagorobaka no hivoahanareo, eo amin’izay mifanitsy aminareo avy.Ary horoahina ho any Harmona ianareo”, hoy i Jehovah.’  4  ‘Mankanesa ao Betela mba handika lalàna,*+Ary manaova mihoatra noho izany ao Gilgala.+ Mitondrà sorona amin’ny maraina,+Ary mitondrà ampahafolon-karena,+ amin’ny andro fahatelo.  5  Dory ny mofo misy lalivay, izay ataonareo fanatitra fisaorana an’Andriamanitra.+Ataovy fanta-bahoaka fa manao fanatitra an-tsitrapo ianareo, Satria izany no efa tianareo, ry vahoakan’Israely ô’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.  6  ‘Nandefasako mosary ny* tanàna rehetra nipetrahanareo,Ary nataoko tsy nisy sakafo tany amin’ny trano rehetra nisy anareo.+Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.  7  ‘Tsy nomeko orana koa ianareo, telo volana talohan’ny fijinjana.+Nandatsahako orana ny tanàna iray, fa ny iray kosa tsy nandatsahako. Nahazo orana ny saha iray,Fa ny iray kosa maina satria tsy nisy orana.  8  Nivembena nankany amin’ny tanàna iray ny olona tao amin’ny tanàna roa na telo mba hisotro rano,+Nefa tsy afa-ketaheta.Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.  9  ‘Nataoko mainan’ny rivotra mahamay sy tratran’ny aretin-javamaniry ny volinareo.+ Nataonareo be dia be ny zaridaina sy ny tanimboalobokareo,Saingy lanin’ny valala ny hazo aviavy sy ny hazo olivanareo.+Mbola tsy niverina tamiko ihany anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah. 10  ‘Nandefasako areti-mandringana hoatran’ilay tany Ejipta ianareo,+ Ary novonoiko tamin’ny sabatra ny tovolahy teo aminareo,+ sady nalaiko ny soavalinareo.+ Dia nataoko lasa maimbo be ny tobinareo, noho ireo faty tao.+Tsy niverina tamiko anefa ianareo’, hoy i Jehovah. 11  ‘Nopotehiko ny taninareo,Hoatran’ny nataoko tamin’i Sodoma sy Gomora,+ Ary lasa hoatran’ny kitay nesorina haingana avy tao anaty afo ianareo.Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah. 12  Izany àry no haveriko aminao, ry Israely ô! Izany mihitsy no hataoko aminao,Ka miomàna hifanatrika amin’ny Andriamanitrao, ry Israely ô! 13  Fa Izy no nanao ny tendrombohitra+ sy namorona ny rivotra.+Milaza ny heviny amin’ny olona izy,Sady mahatonga ny hazavan’ny maraina ho maizina,+Ary manitsaka ny toerana avo eto an-tany.+Jehovah Andriamanitry ny tafika no anarany.”

Fanamarihana

Na: “tomponareo.”
Na: “mba hikomy.”
Na: “Tsy nomeko sakafo ianareo tany amin’ny.”