Amosa 5:1-27
5 “Henoy izao teny anamelohako anareo izao, ry taranak’Israely ô, dia izao hira fisaonana izao:
2 ‘Nianjera ny Israely virjiny,Ka tsy tafatsangana intsony.
Navela teo amin’ny taniny izy,Ary tsy misy manarina.’
3 “Fa izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
‘Ilay tanàna nandefa arivo lahy handeha hiady, dia tsy hanana afa-tsy zato lahy sisa.Ary ilay nandefa zato lahy, dia tsy hanana afa-tsy folo sisa. Izany no hanjo ny taranak’Israely.’+
4 “Fa izao no tenin’i Jehovah amin’ny taranak’Israely:
‘Mitadiava ahy, dia ho velona ianareo.+
5 Aza mivezivezy any* Betela anefa,+Ary aza mankany Gilgala,+ na miampita mankany Beri-sheba.+Fa tsy maintsy hatao sesitany i Gilgala,+Ary ho foana tsy hisy intsony* i Betela.
6 Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo,+Sao izy ho lasa hoatran’ny afo mirehitra be tampoka eo amin’ny taranak’i Josefa,Ka handevona an’i Betela, ary tsy hisy hamono izany afo izany.
7 Manao ny tsy rariny ianareo rehefa mitsara, ka lasa mangidy* ny fiainan’ny vahoaka.Ary atsipinareo amin’ny tany ny rariny.+
8 Ilay nanao ny antokon-kintana Kimaha* sy ny antokon-kintana Kesila,*+Ilay manova ny haizim-pito ho maraina,Ilay manao ny andro ho maizina hoatran’ny alina,+Ilay manangona ny ranomasina,Mba handrarahana azy eto ambonin’ny tany,+Dia Jehovah no anarany.
9 Handringana tampoka an’izay matanjaka izy,Ka handrava ny toerana voaro mafy.
10 Halanareo ny olona mananatra eo am-bavahadin’ny tanàna,Ary tsy tianareo izay milaza ny marina.+
11 Takinareo amin’ny mahantra ny hofan’ny saha voleny,*Nefa koa alainareo ho hetra ny varimbazahany.+Tsy hipetraka intsony ao amin’ny trano vato* naorinareo àry ianareo,+Ary tsy hisotro divay avy amin’ny tanimboaloboka tsara be novolenareo.+
12 Fantatro fa mikomy* foana ianareo,Ary tena ratsy ny zavatra ataonareo.Mampijaly ny olo-marina ianareo,Sady mandray kolikoly.Tsy omenareo rariny koa ny mahantra eo am-bavahadin’ny tanàna.+
13 Hangina àry izay malina amin’izany fotoana izany,Fa ho fotoana hiavian’ny loza izany.+
14 Tadiavo izay tsara fa tsy izay ratsy,+Mba ho velona ianareo.+
Dia hanampy anareo i Jehovah Andriamanitry ny tafika,Araka ny teninareo hoe manampy izy.+
15 Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.+Ary ampanjakao eo am-bavahadin’ny tanàna ny rariny,+
Fa angamba i Jehovah Andriamanitry ny tafikaHamindra fo amin’izay sisa amin’ny taranak’i Josefa.’+
16 “Izao àry no tenin’i Jehovah, dia i Jehovah Andriamanitry ny tafika:
‘Hidradradradra eny amin’ny tany malalaka rehetra ny olona,Sady hilaza eny amin’ny lalana rehetra hoe: “Indrisy! Indrisy!”
Dia hantsoin’izy ireo ny mpamboly mba hisaona,Ary hokaramain’izy ireo ny mpitomany mba hidradradradra.’
17 ‘Ary hisy olona hidradradradra eny amin’ny tanimboaloboka rehetra,+Fa handalo eo aminareo aho’, hoy i Jehovah.
18 ‘Hahita loza izay maniry mafy ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah!+
Inona no antenainareo hitranga amin’ny andron’i Jehovah?+
Ho haizina izany fa tsy hazavana.+
19 Izany dia hoatran’ny olona mandositra liona nefa sendra orsa,Ary rehefa tafiditra ao an-tranony izy ka miankina amin’ny rindrina, dia kaikerin’ny bibilava.
20 Ho haizina ny andron’i Jehovah fa tsy hazavana,Ary ho andro manjombona fa tsy mamirapiratra.
21 Halako sady maharikoriko ahy ny fetinareo,+Ary tsy mahafinaritra ahy ny hanitry ny sorona ataonareo amin’ny fivoriambe makotrokotroka.
22 Na dia manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra atao fanomezana ho ahy aza ianareo,Dia tsy hahafinaritra ahy ireny.+Ary tsy hankasitrahako ny biby nohatavezina hataonareo sorona iombonana.+
23 Aoka izay ny tabataban’ny hiranareo!Ary tsy tiako ho heno intsony ny feon-kira milantolanto avy amin’ny zavamaneno fitendrinareo.+
24 Avelao ny rariny hikoriana hoatran’ny rano,+Ary ny fahamarinana hikoriana hoatran’ny renirano tsy mety ritra.
25 Angaha moa ianareo mba nitondra sorona sy fanatitra natao fanomezana ho ahy,Tamin’ianareo tany an-tany efitra nandritra an’ireny 40 taona ireny, ry taranak’Israely?+
26 Ary tsy maintsy hoentinareo miaraka aminareo i Sikota mpanjakanareo sy Kiona,*Izay sampy namboarinareo, dia ny sarin’ilay kintana andriamanitrareo.
27 Ary hataoko sesitany lavitra be an’i Damaskosy ianareo’,+ hoy ilay manana anarana hoe Jehovah Andriamanitry ny tafika.”+
Fanamarihana
^ Abt: “mitady an’i.”
^ Na mety hoe “ho lasa toerana misy herin’ny maizina.”
^ Na: “lasa hoatran’ny zavamaniry mangidy be.”
^ Mety ho Ikotokelimiadilaona na ireo kintana Pléiades ao amin’ny antokon-kintana Taureau (Ombilahy).
^ Mety ho ny Telonohorefy na ny antokon-kintana Orion.
^ Na: “trano vita amin’ny vato voapaika.”
^ Na: “ny hetran-tany.”
^ Na: “manao heloka bevava.”
^ Mety ho ny planeta Satiorna ireo andriamanitra ireo. Nivavahana koa mantsy i Satiorna.