Amosa 6:1-14
6 “Hahita loza ny olona matoky tena* any Ziona,Dia ireo tsy manana ahiahy eny amin’ny tendrombohitr’i Samaria,+Ireo olona ambony eo amin’ilay firenena malaza indrindra,Ireo ianteheran’ny taranak’Israely!
2 Miampità any Kalne, ka mijere!
Rehefa avy any indray dia mankanesa any Hamata Lehibe,+Ary midìna mankany Gata, tanànan’ny Filistinina.
Tsara noho ireto fanjakana* ireto ve ireny?Sa lehibe noho ny anareo ny tanin’ireny?
3 Tsy eritreretinareo intsony ve ilay andro hiavian’ny loza,+Fa ny herisetra indray no tianareo hanjaka?*+
4 Matory eo ambony fandriana ivoara ianareo+ ary mitsilailay eo amin’ny seza lava,+Sady mihinana vantotr’ondrilahy avy amin’ny andiany, sy zanak’omby* mifahy.+
5 Mamoromporona hira hifanaraka amin’ny feon’ny harpa*+ ianareo,Ary mamorona zavamaneno, hoatran’ny nataon’i Davida.+
6 Misotro divay amin’ny vilia baolina ianareo,+Ary mihosotra menaka faran’izay tsara.
Tsy raharahianareo* anefa ny loza manjo an’i Josefa.+
7 Ianareo àry no ho voalohany amin’ireo hatao sesitany,+Ary tsy hiliba hanao fety intsony ireo mitsilailay eo amin’ny seza lava.
8 Hoy i Jehovah Andriamanitry ny tafika: ‘Mianiana amin’ny tenany i Jehovah Tompo Fara Tampony+ hoe:“Tena tsy tiako ny fireharehan’i Jakoba,+Ary halako ny tilikambony voaro mafy,+Ka hataoko resin’ny fahavalony ilay tanàna sy izay rehetra ao.+
9 “‘“Ary raha folo lahy sisa no ao amin’ny trano iray, dia ho faty koa ireo.
10 Havoakan’ny havany* ny fatin’izy ireo ka hodorany tsirairay. Havoakany avy ao an-trano ny fatin’izy ireo,* ka hiteny amin’izay olona ao amin’ilay efitrano anatiny indrindra izy hoe: ‘Mbola misy olona ve ao aminao ao?’ Dia hamaly io hoe: ‘Tsy misy!’ Ary hoy indray izy: ‘Mangìna! Fa tsy izao intsony no fotoana iantsoana ny anaran’i Jehovah.’”
11 Fa manome baiko i Jehovah,+Ka horavany tanteraka ny trano lehibe,Ary hopotipotehiny ny trano madinika.+
12 Mihazakazaka eny amin’ny harambato ve ny soavaly?Ary hisy hiasa tany miaraka amin’ny ombiny ve eny?
Tsy manao ny rariny ianareo ka lasa hoatran’ny zavamaniry misy poizina,Ary tsy manao izay mahitsy ianareo ka lasa toy ny zavamaniry mangidy be.+
13 Mifaly amin’ny zavatra tsy misy dikany ianareo,Ka miteny hoe: “Tsy noho ny herintsika ve no nahatonga antsika hanana fahefana?”*+
14 Dia hitondra firenena hamely anareo aho, ry taranak’Israely’,+ hoy i Jehovah Andriamanitry ny tafika.‘Ary hampahory anareo izy, hatrany Lebo-hamata*+ ka hatrany amin’ny Lalan-driakan’i* Araba.’”
Fanamarihana
^ Na: “efa afa-po amin’izay vitany.”
^ Azo inoana hoe ny fanjakan’ny Joda sy Israely.
^ Abt: “hipetraka.”
^ Na: “vantotr’ombilahy.”
^ Na: “zavamaneno fitendry.”
^ Abt: “Tsy nankarary anareo.”
^ Abt: “rahalahin-drainy.”
^ Abt: “taolan’izy ireo.”
^ Abt: “no nakantsika tandroka ho antsika?”
^ Na: “amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.”