Apokalypsy 1:1-20

1  Zavatra nahariharin’i+ Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy,+ mba hampisehoany amin’ny mpanompony+ ny zavatra hitranga tsy ho ela.+ Ary nirahin’i Jesosy ny anjeliny,+ ka tamin’ny alalan’izy io no nanehoany izany tamin’i Jaona+ mpanompony, tamin’ny alalan’ny famantarana.+  I Jaona kosa dia vavolombelona nanambara ny teny nomen’Andriamanitra+ sy ny fanambarana nataon’i Jesosy Kristy,+ dia ny zava-drehetra hitany.  Sambatra+ izay mamaky mafy+ sy mihaino ny tenin’ity faminaniana+ ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny,+ fa antomotra ny fotoana voatondro.+  Izaho Jaona dia manoratra ho an’ny fiangonana fito+ any amin’ny faritr’i Azia: Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana avy amin’“Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy”,+ sy avy amin’ny fanahy fito+ eo anoloan’ny seza fiandrianany,  ary avy amin’i Jesosy Kristy, “ilay Vavolombelona Mendri-pitokisana”,+ “ilay lahimatoa amin’ny maty”,+ ary “ilay Mpitondra ny mpanjakan’ny tany!”+ Ho an’ilay tia antsika+ sy namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika, tamin’ny alalan’ny rany,+  ary nanao antsika ho fanjakana+ sy mpisorona+ ho an’Andriamanitra Rainy, eny, ho azy mandrakizay anie ny voninahitra sy ny hery!+ Amena.  Ho avy izy, eny amin’ny rahona.+ Ary hahita azy ny maso+ rehetra sy ireo nandefona azy.+ Ary hikapo-tratra noho ny alahelo ireo foko rehetra eto an-tany noho ny aminy.+ Eny, Amena.  “Izaho no Alfa sy Omega”,*+ hoy i Jehovah Andriamanitra, “Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy,+ ilay Mahery Indrindra.”+  Izaho Jaona rahalahinareo izay miombona fahoriana+ sy fanjakana+ ary fiaretana+ aminareo, amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesosy+ ahy, dia teto amin’ny nosy antsoina hoe Patmo, satria niresaka ny amin’Andriamanitra aho sady vavolombelona nanambara an’i Jesosy.+ 10  Tonga+ tamin’ny andron’ny Tompo+ teo ambany herin’ny fanahy masina+ aho, ary nandre feo mafy+ toy ny an’ny trompetra avy tao andamosiko, 11  nanao hoe: “Izay hitanao dia soraty+ eo amin’ny horonam-boky ka alefaso any amin’ny fiangonana fito,+ dia atsy Efesosy+ sy Smyrna+ sy Pergamosy+ sy Tyatira+ sy Sardisy+ sy Filadelfia+ ary Laodikia.”+ 12  Ary nitodika hijery an’ilay niteny tamiko aho. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fitoeran-jiro+ volamena fito, 13  ary teo afovoan’ireo fitoeran-jiro dia nisy tahaka ny zanak’olona+ nanao akanjo lava hatreny an-tongony sady nanao fehikibo volamena teo amin’ny tratrany. 14  Ary fotsy mangatsakatsaka* tahaka ny volonondry fotsy ny volon-dohany,+ ary ny masony tahaka ny lelafo,+ 15  ary ny tongony tahaka ny varahina voadio+ izay mamirapiratra ao anaty lafaoro, ary ny feony+ tahaka ny feon’ny rano be. 16  Ary nisy kintana fito teny an-tanany havanana,+ ary nisy sabatra roa lela izay sady maranitra no lava nivoaka avy tamin’ny vavany,+ ary ny tarehiny tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny rehetra.+ 17  Koa nony nahita azy aho, dia nikarapoka toy ny maty teo an-tongony. Ary nametraka ny tanany havanana tamiko izy sady niteny hoe: “Aza matahotra.+ Izaho ilay Voalohany+ sy Farany,+ 18  sy ilay velona.+ Efa maty+ aho, nefa velona mandrakizay mandrakizay,+ sady manana ny lakilen’ny fahafatesana+ sy ny Fasana.*+ 19  Koa soraty ny zavatra efa hitanao sy ny zavatra ankehitriny ary ny zavatra hitranga aorian’izany.+ 20  Ary izao ilay zava-miafina masina momba ny kintana fito+ izay efa hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeran-jiro volamena fito:+ Tsy inona ny kintana fito fa ny anjelin’ny fiangonana fito, ary ny fitoeran-jiro fito dia fiangonana fito.+

Fanamarihana

Jereo F.F. 8.
A.b.t.: “fotsy tahaka ny lanezy.”
Gr.: haides. Jereo F.F. 3D.