Apokalypsy 10:1-11

  • Anjely mahery iray nitazona horonam-boky kely (1-7)

    • “Tsy hiandry intsony Andriamanitra” (6)

    • Ho tanteraka ilay zava-miafina masina (7)

  • Nohanin’i Jaona ilay horonam-boky kely (8-11)

10  Ary nahita anjely mahery hafa iray nidina avy any an-danitra aho. Nitafy* rahona izy, sady nisy avana teo amin’ny lohany. Hoatran’ny masoandro ny tarehiny,+ tahaka ny andry afo ny tongony, 2  ary teny an-tanany nisy horonam-boky kely efa novelarina. Najorony teo ambonin’ny ranomasina ny tongony ankavanana, fa teo amin’ny tany kosa ny ankavia, 3  ary niantsoantso mafy hoatran’ny liona mierona+ izy. Rehefa niantsoantso izy, dia henoko ny feon’ny kotroka fito.+ 4  Ary rehefa niteny ny kotroka fito, dia saika hanoratra aho, kanjo nisy feo avy any an-danitra+ henoko niteny hoe: “Asio tombo-kase ny zavatra nolazain’ny kotroka fito, fa aza soratana.” 5  Ary nanangana ny tanany ankavanana nanondro ny lanitra ilay anjely hitako nijoro teo ambonin’ny ranomasina sy teo amin’ny tany. 6  Dia nianiana tamin’ny anaran’Ilay velona mandrakizay mandrakizay+ izy, izany hoe tamin’Ilay namorona ny lanitra sy ny zavatra eo aminy, sy ny tany sy ny zavatra eo aminy, ary ny ranomasina sy ny zavatra ao aminy,+ ka niteny hoe: “Tsy hiandry intsony Andriamanitra, 7  fa rehefa hitsoka trompetra+ iny ilay anjely fahafito,+ dia ho efa tanteraka hatramin’ny farany ilay zava-miafina masina.+ Ary io zava-miafina io dia ilay vaovao tsara nolazain’Andriamanitra tamin’ny mpaminany mpanompony.”+ 8  Niteny tamiko indray ilay feo henoko avy any an-danitra+ hoe: “Mandehana raiso ilay horonam-boky mivelatra eny an-tanan’ilay anjely mijoro eo ambonin’ny ranomasina sy eo amin’ny tany.”+ 9  Dia nankeny amin’ilay anjely aho ka nasaiko nomeny ahy ilay horonam-boky kely. Ary hoy izy tamiko: “Raiso ity, dia hano ka lanio.+ Hampangidy ny kibonao izy ity, fa ho mamy hoatran’ny tantely kosa ao am-bavanao.” 10  Dia noraisiko teny an-tanan’ilay anjely ilay horonam-boky kely ka nohaniko.+ Dia mamy hoatran’ny tantely ilay izy tao am-bavako,+ fa rehefa laniko kosa, dia lasa nangidy ny kiboko. 11  Ary nisy nilaza tamiko hoe: “Tsy maintsy mbola maminany momba ny vahoaka sy firenena sy olona samy hafa fiteny* ary mpanjaka maro ianao.”

Fanamarihana

Na: “Nifono.”
Abt: “lela.”