Apokalypsy 11:1-19

11  Ary nomena bararata toy ny tehina+ aho, raha mbola nilaza izy hoe: “Mitsangàna ka refeso ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra+ sy ny alitara ary izay mivavaka ao.  Fa ny tokotany eo ivelan’ny+ toerana masin’ny tempoly kosa dia avelao tanteraka ka aza refesina, satria nomena an’ireo hafa firenena+ izany. Ary hohitsahin’ireo hafa firenena mandritra ny roa amby efapolo volana+ ny tanàna masina.+  Ary ny vavolombeloko roa+ dia hasaiko haminany+ enimpolo sy roanjato sy arivo andro, mitafy akanjo gony.”+  Izy ireo no hazo oliva roa+ sy fitoeran-jiro roa,+ ary mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany+ izy ireo.  Ary raha nisy te hanisy ratsy azy ireo, dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vavany ka nandevona ny fahavalony.+ Ary raha nisy te hanisy ratsy azy ireo, dia amin’ny fomba toy izany koa no hamonoana azy.  Nanana fahefana izy ireo hanidy ny lanitra+ mba tsy hisy orana hilatsaka+ nandritra ny andro naminaniany. Nanana fahefana koa izy ireo hanova ny rano ho ra,+ sy hamely ny tany tamin’izao karazana loza rehetra izao, isaky ny te hanao izany.  Rehefa vitan’izy ireo ny fitoriany, dia hiady aminy ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka,+ ka handresy sy hahafaty azy.+  Ary ny fatin’izy ireo dia hiampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe, izay antsoina amin’ny heviny an’ohatra hoe Sodoma+ sy Ejipta, sady tao koa no namantsihana ny Tompon’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana.+  Ary hijery ny fatin’izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany+ ireo anisan’ny vahoaka sy foko sy olona samy hafa fiteny sy firenena,+ ary tsy havelany hatao ao am-pasana ny fatin’izy ireo. 10  Dia faly+ noho izay nanjo ireo mpaminany roa ireo ny mponin’ny tany ka ravoravo ary hifanolotra fanomezana,+ satria nampijaly ny mponin’ny tany ireo mpaminany ireo. 11  Rehefa afaka ny telo andro sy tapany,+ dia nisy aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo,+ ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. 12  Ary nahare feo mafy+ avy any an-danitra izy ireo, nanao taminy hoe: “Miakara atỳ.”+ Dia niakatra tany an-danitra tamin’ny rahona izy, ka nahita azy ny fahavalony. 13  Ary nisy horohoron-tany lehibe tamin’izay ora izay, ka rava ny ampahafolon’ny+ tanàna. Ary fito arivo ny olona matin’ilay horohoron-tany, ka nanjary raiki-tahotra ny olona sisa ary nanome voninahitra an’ilay Andriamanitry ny lanitra.+ 14  Lasa ny loza faharoa.+ Ho tonga haingana ny loza fahatelo. 15  Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito,+ dia nisy feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika+ sy ny Kristiny,+ ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.”+ 16  Ary niankohoka+ nivavaka tamin’Andriamanitra+ ny anti-panahy efatra amby roapolo,+ izay samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany teo anatrehan’Andriamanitra, 17  sady nanao hoe: “Misaotra anao izahay,+ Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra,+ Ilay ankehitriny+ sy taloha, satria noraisinao ny fahefanao lehibe+ ka efa nanomboka nanjaka+ ianao. 18  Tezitra anefa ireo firenena. Ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana voatondro hitsarana ny maty sy hanomezana valisoa+ ny mpaminany mpanomponao+ sy ny olona masina sy izay matahotra ny anaranao, na ny kely na ny lehibe.+ Ary tonga koa ny fotoana handringanana+ izay manimba ny tany.”+ 19  Ary novohana ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra tany an-danitra,+ ka tazana tao+ ilay Vata+ misy ny fifanekena. Dia nisy tselatra sy feo sy kotroka sy horohoron-tany ary havandra vaventy.

Fanamarihana