Apokalypsy 15:1-8

  • Anjely fito nanana loza fito (1-8)

    • Ny hiran’i Mosesy sy ny hiran’ny Zanak’ondry (3, 4)

15  Ary nahita famantarana hafa lehibe sady mahagaga tany an-danitra aho: Anjely fito+ nanana loza fito. Ireo no loza farany, satria hampiharina hatramin’ny farany amin’ny alalan’ireo loza ireo ny fahatezeran’Andriamanitra.+ 2  Dia nahita zavatra hoatran’ny ranomasina fitaratra+ mifangaro afo aho. Izay naharesy+ an’ilay bibidia sy ny sariny+ ary ny isa manondro ny anarany,+ dia nijoro teo akaikin’ilay ranomasina fitaratra, sady nitazona ny harpan’Andriamanitra. 3  Nihira ny hiran’i Mosesy+ mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry+ izy ireo, hoe: “Lehibe sady mahagaga ny asanao,+ Jehovah* Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra.+ Ara-drariny sy azo atokisana ny zavatra ataonao,+ ry Mpanjakan’ny mandrakizay.+ 4  Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah* ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao? Ianao irery ihany mantsy no tsy mivadika!+ Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra,+ satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.” 5  Taorian’izany, dia hitako fa nosokafana tany an-danitra+ ny toerana masin’ny tranolain’ny vavolombelona.+ 6  Ary nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina ireo anjely fito nanana ny loza fito.+ Nanao akanjo rongony madio sy mamirapiratra izy ireo, sady nanao fehikibo volamena nanodidina ny tratrany. 7  Nanome vilia an’ireo anjely fito ny iray tamin’ny zavamananaina efatra, dia vilia volamena fito feno ny fahatezeran’ilay Andriamanitra+ velona mandrakizay mandrakizay. 8  Dia lasa feno setroka ilay toerana masina noho ny voninahitr’Andriamanitra+ sy ny heriny, ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ilay toerana masina, mandra-pahatapitry ny loza fito+ nentin’ireo anjely fito ireo.

Fanamarihana

Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.