Apokalypsy 17:1-18

  • Fitsarana an’i “Babylona Lehibe” (1-18)

    • Nitaingina bibidia mena midorehitra ilay mpivaro-tena lehibe (1-3)

    • ‘Efa teo ilay bibidia, fa tsy eo izao’ (8)

    • Hiady amin’ny Zanak’ondry ny tandroka folo (12-14)

    • Hankahala an’ilay mpivaro-tena ny tandroka folo (16, 17)

17  Tonga ny iray tamin’ireo anjely fito nanana vilia fito,+ ka hoy izy tamiko: “Avia fa hasehoko anao ny fitsarana an’ilay mpivaro-tena lehibe mipetraka eo ambonin’ny rano maro.+ 2  Nijangajanga*+ taminy ny mpanjakan’ny tany, ary natao mamon’ny divain’ny fijangajangany* ny mponina eny ambonin’ny tany.”+ 3  Ary nentin’ilay anjely tamin’ny herin’ny fanahy nankany an-tany efitra aho, dia nahita vehivavy iray nitaingina bibidia mena midorehitra. Feno anarana manevateva an’Andriamanitra ilay bibidia, sady nanana loha fito sy tandroka folo. 4  Ary nanao akanjo volomparasy+ sy mena midorehitra ilay vehivavy sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla.+ Teny an-tanany dia nisy kaopy volamena feno zava-maharikoriko, sady feno ny zava-maloton’ny fijangajangany.* 5  Ary nisy anarana mifono zava-miafina nisoratra teo amin’ny handriny: “Babylona Lehibe, ilay renin’ny mpivaro-tena+ sy ny zava-maharikoriko eto an-tany.”+ 6  Ary nahita aho fa mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy ilay vehivavy.+ Dia gaga be aho rehefa nahita azy. 7  Ary hoy ilay anjely tamiko: “Fa maninona ianao no gaga? Holazaiko anao ny zava-miafina momba an’ilay vehivavy+ sy ilay bibidia itaingenany, izay manana loha fito sy tandroka folo:+ 8  Efa teo ilay bibidia hitanao, fa tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka,+ dia haringana avy eo. Dia ho gaga ny mponina eto an-tany rehefa mahita hoe efa teo ilay bibidia, fa tsy eo izy izao, nefa mbola ho eo. Efa hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao ny anaran’ireo olona ireo no tsy voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana.+ 9  “Eto no ilana fahiratan-tsaina sy fahendrena:* Ny loha fito+ dia tendrombohitra fito, ka eo an-tampony ilay vehivavy no mipetraka. 10  Ary misy mpanjaka fito: Efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo, ary ny iray mbola tsy tonga. Rehefa tonga anefa izy, dia hijanona kelikely eo. 11  Ilay bibidia izay efa teo nefa tsy eo izao,+ dia mpanjaka ihany koa. Mpanjaka laharana fahavalo izy nefa avy tamin’ireo fito ihany, ary haringana avy eo. 12  “Ny tandroka folo efa hitanao, dia mpanjaka folo mbola tsy nahazo fanjakana. Mahazo fahefana hanjaka adiny iray miaraka amin’ilay bibidia anefa izy ireo. 13  Miray saina izy ireo, ka samy manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia. 14  Ary hiady amin’ny Zanak’ondry+ ireo. Handresy an’ireo+ anefa ny Zanak’ondry satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka.+ Handresy an’ireo koa izay miaraka aminy, dia izay voantso sy voafidy ary tsy mivadika.”+ 15  Dia hoy izy tamiko: “Ny rano izay efa hitanao ipetrahan’ilay mpivaro-tena, dia olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny.*+ 16  Ary ny tandroka folo+ efa hitanao, sy ilay bibidia,+ dia hankahala an’ilay mpivaro-tena+ ka handroba an’izay ananany rehetra sy hampiboridana azy. Dia hohanin’izy ireo ny nofony, ary hodorany tanteraka amin’ny afo izy.+ 17  Efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo mantsy ny hanatanteraka ny heviny,*+ izany hoe ny hanatanteraka an’ilay hevitra tokana iombonan’izy ireo, dia ny hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia,+ mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra. 18  Ary ilay vehivavy+ efa hitanao, dia ilay tanàna lehibe mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany.”

Fanamarihana

Grika: pôrneia. Jereo F.T.
Grika: pôrneia. Jereo F.T.
Na: “saina manana fahendrena.”
Abt: “lela.”
Hevitr’Andriamanitra no tiana holazaina eto.