Apokalypsy 18:1-24

  • Nianjera i “Babylona Lehibe” (1-8)

    • “Mivoaha avy ao aminy, ianareo vahoakako” (4)

  • Hisy hitomany fa nianjera i Babylona (9-19)

  • Faly ny any an-danitra fa nianjera i Babylona (20)

  • Hatsipy any an-dranomasina i Babylona (21-24)

18  Nahita anjely hafa iray nidina avy any an-danitra aho, taorian’izay. Nanana fahefana lehibe izy, ary nanazava ny tany ny voninahiny. 2  Ary niantsoantso mafy izy hoe: “Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe,+ ka lasa fonenan’ny demonia! Lasa miafina ao koa ny fanahy* maloto rehetra sy ny vorona maloto sady ankahalaina rehetra!+ 3  Fa ny divainy, izany hoe ny faniriany mafy hijangajanga,* no nahamamo ny firenena rehetra+ sady nahatonga ny mpanjakan’ny tany hijangajanga* taminy.+ Dia lasa nanan-karena ny mpivarotra* teto an-tany noho ny zavatra lafo vidy maro be nangoniny, ary efa tsy nahamenatra azy intsony ny nanangona an’izany.” 4  Ary naheno feo hafa avy any an-danitra aho hoe: “Mivoaha avy ao aminy, ianareo vahoakako,+ raha tsy tianareo ny hiray tsikombakomba aminy amin’izay fahotana nataony, ary raha tsy tianareo hahazo anareo ny loza hanjo azy.+ 5  Fa efa nivangongo hatrany an-danitra ny fahotany,+ ary efa tadidin’Andriamanitra ny tsy rariny* nataony.+ 6  Valio araka izay nataony tamin’olona izy,+ ary ataovy avo roa heny noho izay nataony izany.+ Ao amin’ilay kaopy+ nanaovany zava-pisotro, dia anaovy zava-pisotro avo roa heny ka omeo azy.+ 7  Nidera tena loatra izy sady nanaram-po tamin’ny zavatra lafo vidy maro be nangoniny, ary efa tsy nahamenatra azy intsony ny nanangona an’izany. Mba ataovy mijalijaly sy mitomany koa àry izy. Miteny anakampo foana mantsy izy hoe: ‘Mipetraka hoatran’ny mpanjakavavy aho sady tsy mpitondratena, dia tsy mba hitomany mihitsy.’+ 8  Noho izany, dia ho tonga ao anatin’ny iray andro ihany ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy alahelo ary mosary. Dia hodorana tanteraka amin’ny afo izy,+ satria mahery i Jehovah* Andriamanitra, ilay nitsara azy.+ 9  “Ary hitomany sy hikapo-tratra ny mpanjakan’ny tany fa malahelo azy. Efa nijangajanga* taminy sy nanaram-po tamin’ny zavatra lafo vidy maro be nangonin’ilay vehivavy izy ireo, izany hoe ny zavatra lafo vidy izay tsy nahamenatra an’ilay vehivavy intsony ny nanangona azy. Hitomany tokoa izy ireo rehefa mahita an’ilay setroky ny afo andoroana azy. 10  Ary hijoro lavidavitra izy ireo satria matahotra sao hiara-mijaly aminy, ka hiteny hoe: ‘Indrisy! Indrisy, ry Babylona, ilay tanàna lehibe+ sy matanjaka! Fa tao anatin’ny adiny iray fotsiny dia efa voasazy ianao!’ 11  “Hitomany sy halahelo azy koa ny mpivarotra eto an-tany, satria tsy hisy hividy intsony ny tahirin’entany rehetra, 12  izany hoe tahirim-bolamena, volafotsy, vatosoa, perla, lamba rongony tena tsara, lamba volomparasy, lamba landy, lamba mena midorehitra, zavatra rehetra vita amin’ny hazo mani-pofona, zavatra isan-karazany vita amin’ny ivoara sy hazo sarobidy sy varahina sy vy ary marbra, 13  kanelina, zava-manitra indianina, emboka manitra, menaka manitra, ditin-kazo manitra, divay, menak’oliva, lafarinina tsara toto, varimbazaha, omby aman’ondry, soavaly, kalesy, andevo, ary olon-kafa. 14  Efa nesorina taminao ny zava-tsoa* nirinao, ary efa tsy misy eo aminao intsony ny sakafo matsiro sy ny zavatra tena tsara, ka tsy ho hita intsony mihitsy. 15  “Hijoro lavidavitra ny mpivarotra izay nivarotra an’ireny, dia izay nahazo harena avy taminy. Matahotra mantsy izy ireo sao hiara-mijaly aminy. Hitomany sy halahelo izy ireo, 16  sady hiteny hoe: ‘Indrisy! Indrisy, ry ilay tanàna lehibe nanao akanjo vita amin’ny lamba rongony tena tsara sy lamba volomparasy ary lamba mena midorehitra, sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla be dia be!+ 17  Tao anatin’ny adiny iray fotsiny mantsy dia nanjavona izany harem-be izany.’ “Ary nijoro lavidavitra ny kapitenin-tsambo rehetra, sy izay mpandeha sambo rehetra, sy ny tantsambo, ary izay rehetra mivelona amin’ny ranomasina. 18  Niantsoantso mafy izy ireo rehefa nijery ny setroky ny afo nandoroana azy, sady niteny hoe: ‘Iza no tanàna hoatran’ilay tanàna lehibe?’ 19  Dia nanipy vovoka teo amin’ny lohany izy ireo sady niantsoantso mafy no nitomany sy nalahelo, ka niteny hoe: ‘Indrisy! Indrisy, fa tao anatin’ny adiny iray fotsiny dia nanjavona ilay tanàna lehibe!+ Ny harenany anefa no nahatonga an’izay nanan-tsambo teny an-dranomasina ho lasa mpanankarena.’ 20  “Mifalia noho izay manjo azy, ry lanitra!+ Mifalia koa ianareo olona masina+ sy apostoly ary mpaminany, satria efa namoaka ny didim-pitsarana momba azy Andriamanitra noho izay nataony taminareo!”+ 21  Ary nanainga vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary ny anjely anankiray, ka nanipy mafy an’izany tany an-dranomasina, sady niteny hoe: “Hatsipy haingana hoatr’izao i Babylona, ilay tanàna lehibe, dia tsy ho hita intsony.+ 22  Ary tsy ho heno ao aminao intsony, ry Babylona, ny feon’ny mpihira mampiaraka ny hirany amin’ny harpa, sy ny feon’ny mpitendry zavamaneno sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra. Tsy hisy mpanao asa tanana ho hita intsony koa ao aminao, sady tsy ho heno ao aminao intsony ny feon’ny vato fikosoham-bary. 23  Tsy hisy hamirapiratra ao aminao intsony ny hazavan’ny jiro, ary tsy hisy feon’ny mpampakatra na ny ampakarina ho heno intsony ao aminao. Ny mpivarotra teo aminao mantsy no manam-pahefana ambony teny ambonin’ny tany, ary voafitaky ny ody lalaovinao+ ny firenena rehetra. 24  Eny, tao amin’io tanàna io no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina+ ary izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.”+

Fanamarihana

Na mety hoe “fofonaina; rivotra; fanambarana avy amin’ny fanahy.”
Na: “ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany.”
Na: “mpivaro-mandeha.”
Na: “ny heloka.”
Jereo F.F. A5.
Na: “voankazo masaka.”