Apokalypsy 19:1-21
19 Taorian’izany, dia naheno feo hoatran’ny feon’ny vahoaka be tany an-danitra aho, niantsoantso hoe: “Derao i Jah!*+ An’ilay Andriamanitsika ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,
2 satria azo atokisana sy ara-drariny+ ny fitsarany. Fa nampihatra didim-pitsarana tamin’ilay mpivaro-tena lehibe izy, dia tamin’ilay nanimba ny tany tamin’ny fijangajangany.* Novaliany koa ny ran’ny mpanompony nalatsaky ny tanan’ilay vehivavy.”*+
3 Tonga dia niteny fanindroany ilay feo hoe: “Derao i Jah!*+ Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroka avy amin’i Babylona.”+
4 Ary ny anti-panahy 24+ sy ny zavamananaina efatra+ dia niankohoka sy nivavaka tamin’Andriamanitra, izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. Dia niteny izy ireo hoe: “Amena! Derao i Jah!”*+
5 Nisy feo koa nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianana, niteny hoe: “Derao foana ilay Andriamanitsika, ry mpanompony+ rehetra matahotra azy, na kely na lehibe.”+
6 Ary naheno feo aho, dia feo hoatran’ny feon’ny vahoaka be sy feon’ny rano be ary feon’ny kotroka mafy, niteny hoe: “Derao i Jah,*+ satria efa nanomboka nanjaka+ i Jehovah* Andriamanitsika, ilay Mahery Indrindra!+
7 Andao isika hifaly be mihitsy, dia hanome voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sady efa niomana ny vadiny.
8 Navela hanao akanjo rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara ilay vehivavy, satria ilay lamba rongony tena tsara dia ny zavatra ara-drariny nataon’ny olona masina.”+
9 Ary hoy ilay anjely tamiko: “Soraty izao: Sambatra izay asaina amin’ilay sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.”+ Hoy koa izy tamiko: “Tena teny nolazain’Andriamanitra izany.”
10 Tamin’izay dia niankohoka teo an-tongotr’ilay anjely aho mba hivavaka taminy. Hoy anefa izy tamiko: “Tandremo! Aza manao an’izao!+ Andriamanitra no ivavaho!+ Fa mpanompo ihany aho, hoatr’anao sy ny rahalahinao izay manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.+ Ny fitoriana momba an’i Jesosy mantsy no antony nanoratana ny faminaniana.”+
11 Ary nahita ny lanitra nisokatra aho, dia iny nisy soavaly fotsy.+ Antsoina hoe Mendri-pitokisana+ sy Marina+ ilay nitaingina azy, ary nitsara sy niady araka ny rariny+ foana izy.
12 Lelafo ny masony,+ ary nisy diadema* be dia be teo amin’ny lohany. Nanana anarana voasoratra izy, ary izy irery no mahalala an’ilay anarana.
13 Nanao akanjo ivelany tasin’ny ra* izy, ary Ny Tenin’Andriamanitra+ no anarana niantsoana azy.
14 Nanaraka azy koa ny tafika tany an-danitra, nitaingina soavaly fotsy sady nanao akanjo rongony fotsy sy madio ary tena tsara.
15 Ary nisy sabatra maranitra lava be+ nivoaka avy tamin’ny vavany mba hamelezany ny firenena. Dia hiandry azy ireo amin’ny tehina vy+ izy. Nohitsakitsahiny koa ny voaloboka tao anaty famiazana, dia ny fahatezerana lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.+
16 Ary nisy anarana voasoratra teo amin’ny akanjony ivelany, teo amin’ny feny, hoe Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.+
17 Nahita anjely iray nijoro teo amin’ny masoandro koa aho. Niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin’ny vorona rehetra nanidina teny afovoan’ny lanitra* hoe: “Avia! Mitangoròna mba hihinana amin’ilay sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra.+
18 Amin’izay ianareo dia hihinana ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpitari-tafika sy ny nofon’ny lehilahy matanjaka+ sy ny nofon’ny soavaly sy izay mitaingina azy+ ary ny nofon’ny olona rehetra, na olona afaka na andevo, na kely na lehibe.”
19 Ary hitako ilay bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany sy ny tafiny, nivondrona hiady tamin’ilay mitaingin-tsoavaly sy ny tafiny.+
20 Dia nosamborina ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka,+ izay nanao famantarana teo anatrehan’ilay bibidia,+ dia famantarana namitahany an’izay nandray ny marik’ilay bibidia sy izay nivavaka tamin’ny sariny.+ Samy natsipy velona tao amin’ny farihy afo arehitry ny solifara+ izy ireo avy eo.
21 Fa ny sisa kosa novonoina tamin’ilay sabatra lava be nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay mitaingin-tsoavaly.+ Dia voky ny nofon’izy ireny ny vorona rehetra.+
Fanamarihana
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
^ Abt: “avy teny an-tanan’ilay vehivavy.”
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
^ Na: “fehilohan’ny mpanjaka.”
^ Na mety hoe “voafafy ra.”
^ Na: “teny amin’ny habakabaka; teny ambony.”