Apokalypsy 2:1-29

  • Ho an’ny fiangonana any Efesosy (1-7), Smyrna (8-11), Pergamosy (12-17), Tyatira (18-29)

2  “Soraty ho an’ny anjelin’ny+ fiangonana atsy Efesosy hoe:+ Izao no lazain’ilay mitazona ny kintana fito eny an-tanany ankavanana sy mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito:+ 2  ‘Fantatro izay ataonao sy ny asa mafy ataonao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa tsy milefitra ianao rehefa misy olon-dratsy. Notsapainao koa izay mihambo ho apostoly+ nefa tsy izy akory, ka hitanao fa mpandainga. 3  Miaritra koa ianao, sady be fikirizana foana noho ny anarako,+ nefa tsy kivy.+ 4  Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Navelanao hihena ilay fitiavanao voalohany. 5  “‘Koa tadidio izay nisy anao tamin’ianao mbola tsy lavo, dia mibebaha+ ka ataovy izay nataonao tamin’ny voalohany. Fa raha tsy izany, dia ho avy any aminao aho ka hesoriko hiala amin’ny toerany ny fitoeran-jironao,+ raha tsy hoe mibebaka+ angaha ianao. 6  Izao anefa no zavatra tsara ataonao: Ankahalainao izay ataon’ny sektan’i Nikoleo,+ ary halako koa izany. 7  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana+ hoe: Izay mandresy+ dia havelako hihinana amin’ny hazon’aina+ ao amin’ny paradisan’Andriamanitra.’ 8  “Ary soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Smyrna hoe: Izao no lazain’ilay ‘Voalohany sy Farany’,+ izay efa maty nefa velona indray:+ 9  ‘Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao. Na izany aza, dia manankarena ianao.+ Fantatro koa fa manevateva anao ny olona mihambo ho Jiosy nefa tsy izy akory, fa anisan’ny synagogan’i Satana.+ 10  Aza matahotra na dia efa hiaritra fijaliana aza ianao.+ Fa hataon’ny Devoly foana izay hanagadrana ny sasany aminareo. Amin’izay dia hotsapaina tanteraka ianareo, ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aza mivadika anefa mandra-pahafatinao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.+ 11  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino+ izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana hoe: Izay mandresy+ dia tsy ho azon’ny fahafatesana faharoa+ mihitsy.’ 12  “Ary soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Pergamosy hoe: Izao no lazain’ilay manana sabatra lava be roa lela sady maranitra:+ 13  ‘Fantatro hoe aiza no misy anao, dia ao amin’izay misy ny seza fiandrianan’i Satana. Na izany aza, dia mifikitra amin’ny anarako foana+ ianao. Tsy nolavinao koa hoe mino ahy+ ianao, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, dia ilay vavolombeloko tsy nivadika,+ izay novonoina+ tao an-tanànanareo, any amin’izay misy an’i Satana. 14  “‘Ireto anefa misy zavatra vitsivitsy anomezako tsiny anao: Misy olona mifikitra amin’ny fampianaran’i Balama+ ao aminao. Nampianatra an’i Balaka+ hitaona ny zanak’Israely hanota* i Balama, izany hoe hihinana zavatra natao sorona ho an’ny sampy sy hijangajanga.*+ 15  Misy olona mifikitra amin’ny fampianaran’ny sektan’i Nikoleo+ koa ao aminao. 16  Koa mibebaha, fa raha tsy izany, dia ho avy any aminao haingana aho ka hiady amin’izy ireo, ary hamely azy amin’ilay sabatra lava be avy amin’ny vavako.+ 17  “‘Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana+ hoe: Izay mandresy+ dia homeko amin’ny mana nafenina+ sady homeko vatokilonjy fotsy. Ary eo amin’ilay vatokilonjy dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ilay mahazo azy ihany.’ 18  “Ary soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Tyatira hoe:+ Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, izay hoatran’ny lelafo ny masony,+ ary toy ny varahina voadio ny tongony:+ 19  ‘Fantatro izay ataonao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny fiaretanao. Fantatro koa fa betsaka kokoa noho ny nataonao tamin’ny voalohany ny nataonao tatỳ aoriana. 20  “‘Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Leferinao ilay vehivavy hoatran’i Jezebela.+ Mihambo ho mpaminanivavy izy sady mampianatra sy mamitaka ny mpanompoko hijangajanga*+ sy hihinana zavatra atao sorona ho an’ny sampy. 21  Nomeko fotoana hibebahana izy, saingy tsy te hibebaka fa mbola mijangajanga* ihany. 22  Hataoko marary mafy eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hatsipiko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy hoe mibebaka angaha ry zareo ka tsy manao hoatran’ny ataon’ilay vehivavy intsony. 23  Ary hovonoiko amin’ny aretina mahafaty ny zanak’ilay vehivavy, dia ho fantatry ny fiangonana rehetra fa izaho no mandinika ny eritreritra lalina indrindra* sy ny fo, sady hamaly anareo tsirairay araka izay ataonareo avy.+ 24  “‘Izao anefa no lazaiko amin’ny sisa aminareo any Tyatira, dia izay rehetra tsy manaraka an’izany fampianarana izany, sady tsy mahafantatra an’ilay antsoin’ny olona hoe “zava-dalin’i Satana”:+ Tsy ampiako enta-mavesatra intsony ianareo. 25  Tazòny mafy anefa izay efa anananareo, mandra-piaviko.+ 26  Ary izay mandresy sady manao ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana hitondra firenena.+ 27  Dia hiandry* an’ireo firenena amin’ny tehina vy+ izy, ka hopotipotehiny toy ny vilany tanimanga ireny. Homeko fahefana izy, hoatran’ny nahazoako fahefana tamin’ny Raiko. 28  Ary homeko azy ny kintan’ny maraina.+ 29  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.’

Fanamarihana

Na: “hanisy vato mahatafintohina eo anoloan’ny zanak’Israely.”
Na: “fihetseham-po lalina indrindra.” Abt: “voa.”
Izany hoe miandry hoatran’ny mpiandry ondry.