Apokalypsy 21:1-27

21  Ary nahita lanitra vaovao+ sy tany vaovao+ aho, fa efa lasa ny lanitra+ taloha sy ny tany+ taloha, ary tsy nisy ranomasina+ intsony.  Hitako koa ilay tanàna masina,+ dia i Jerosalema Vaovao, nidina avy any an-danitra+ avy any amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina+ mihaingo hihaona amin’ny vadiny.+  Tamin’izay aho dia nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra,+ ary izy hiara-mitoetra+ amin’izy ireo, ary ireo ho olony,+ ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy.+  Ary hofafany ny ranomaso+ rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony,+ sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana,+ fa efa lasa ny zavatra taloha.”+  Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana:+ “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.”+ Hoy koa izy: “Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.”  Ary hoy izy tamiko: “Efa tanteraka izany! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.+ Izay mangetaheta dia homeko rano maimaim-poana avy amin’ny loharanon’ny ranon’aina.+  Izay mandresy dia handova izany, ka ho Andriamaniny+ aho ary izy ho zanako.+  Fa ny kanosa sy ny tsy manam-pinoana+ sy ny olona maloto+ sady maharikoriko sy ny mpamono olona+ sy ny mpijangajanga+ sy ny mpilalao ody* sy ny mpanompo sampy+ sy ny mpandainga+ rehetra kosa, dia ao amin’ny farihy mirehitra afo+ sy solifara+ no anjarany. Tsy inona izany fa ny fahafatesana faharoa.”+  Ary tonga ny iray tamin’ny anjely fito nanana ny vilia fito feno ny loza fito farany.+ Dia hoy izy tamiko: “Avia atỳ fa hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry.”+ 10  Koa nentiny tamin’ny herin’ny fanahy nankeo amin’ny tendrombohitra lehibe sady avo+ aho, dia nasehony ahy i Jerosalema, ilay tanàna masina,+ izay nidina avy any an-danitra avy tamin’Andriamanitra,+ 11  sady nanana ny voninahitr’Andriamanitra.+ Toy ny vatosoa faran’izay tsara ny famirapiratany, dia tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly.+ 12  Nanana manda+ lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ny folo izy io. Ary nisy anjely roa ambin’ny folo teo amin’ireo vavahady, ary nisy anarana voasoratra teo, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’Israely.+ 13  Teo atsinanana dia nisy vavahady telo, teo avaratra telo, teo atsimo telo, ary teo andrefana telo.+ 14  Ary ny mandan’ilay tanàna koa dia nisy vato fototra+ roa ambin’ny folo, izay nisy anarana roa ambin’ny folo, dia ny anaran’ny apostoly+ roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. 15  Ary ilay niresaka tamiko dia nihazona bararata volamena fandrefesana,+ mba handrefesany ilay tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.+ 16  Ary efamira ilay tanàna, ka mitovy ny lavany sy ny sakany. Dia norefesiny tamin’ilay bararata ilay tanàna,+ ka roa arivo sy iray alina stadio,* ary mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. 17  Norefesiny koa ny mandany, ka efatra amby efapolo amby zato hakiho,* araka ny fandrefesan’ny olona, izay sady fandrefesan’ny anjely koa. 18  Ary ny rafitr’ilay manda dia jaspa,+ ary ilay tanàna dia volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra madio. 19  Voaravaka vatosoa+ isan-karazany ny fototry+ ny mandan’ilay tanàna: Ny fototra voalohany dia jaspa,+ ny faharoa safira,+ ny fahatelo kalsedoanina, ny fahefatra emeraoda,+ 20  ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina sardoanina, ny fahafito krizolita,+ ny fahavalo berila, ny fahasivy topaza,+ ny fahafolo krizoprazy, ny fahiraika ambin’ny folo hiasinta, ny faharoa ambin’ny folo ametista.+ 21  Ary perla roa ambin’ny folo ny vavahadiny roa ambin’ny folo, ka perla+ iray no nanaovana ny vavahady tsirairay. Ary volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra tantera-pahazavana ny lalamben’ilay tanàna. 22  Ary tsy nahita tempoly tao aho,+ fa i Jehovah+ Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra,+ sy ny Zanak’ondry,+ no tempoliny.+ 23  Ary tsy nila ny masoandro na ny volana mba hanazava azy ilay tanàna, fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy,+ ary ny Zanak’ondry no jirony.+ 24  Ary handeha amin’ny fahazavan’ilay tanàna ireo firenena,+ ary ny mpanjakan’ny tany hitondra ny voninahiny hankao amin’ilay tanàna.+ 25  Ary tsy hohidiana mihitsy ny vavahadiny amin’ny andro,+ fa tsy hisy alina ao.+ 26  Ary hoentin’izy ireo ao ny voninahitry ny firenena sy ny hajany.+ 27  Tsy hiditra ao mihitsy+ izay zavatra tsy masina sy izay mpanao zava-maharikoriko+ sy mpandainga,+ fa izay voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ihany, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.+

Fanamarihana

Na: “olona mifandray amin’ny fanahy ratsy.” Gr.: farmakia: mpampiasa fanafody na zava-mahadomelina.
2 200 km eo ho eo.
64 m eo ho eo.