Apokalypsy 6:1-17

6  Ary nahita aho rehefa novahan’ny Zanak’ondry+ ny iray tamin’ny tombo-kase fito,+ ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina+ efatra nanao hoe: “Avia!”+ Ary ny feony dia toy ny kotroka.  Ary nahita aho fa iny nisy soavaly fotsy.+ Nanana tsipìka+ ilay nitaingina+ azy, ary nomena satroboninahitra.+ Ary nivoaka handresy+ sy hamita ny fandreseny izy.+  Rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zavamananaina faharoa+ niteny hoe: “Avia!”  Ary nisy soavaly hafa nivoaka, dia soavaly mena toy ny afo. Ary ilay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fandriampahalemana amin’ny tany mba hifandripahan’ny olona, ary nomena sabatra lehibe izy.+  Rehefa novahany+ ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zavamananaina fahatelo+ niteny hoe: “Avia!” Ary nahita aho fa iny nisy soavaly mainty, ary nanana mizana+ teny an-tanany ilay nitaingina azy.  Ary nisy feo reko, toy ny hoe teo afovoan’ny+ zavamananaina efatra,+ nanao hoe: “Denaria iray ny vidin’ny varimbazaha iray kilao,+ ary denaria iray ny vary orza telo kilao, ary aza manimba ny menak’oliva sy ny divay.”+  Rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ny zavamananaina fahefatra+ nanao hoe: “Avia!”  Ary nahita aho fa iny nisy soavaly hatsatra. Nantsoina hoe Fahafatesana ilay nitaingina azy, ary nanaraka azy akaiky ny Fasana.*+ Dia nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo mba hamono amin’ny sabatra+ lava lela sy ny mosary+ sy ny aretina mahafaty ary ny bibidia+ eto an-tany.  Rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambany alitara+ ny ran’ireo*+ novonoina+ tamin-kabibiana noho ny tenin’Andriamanitra sy noho ny asa fitoriana+ nataony. 10  Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: “Ry Tompo Fara Tampony,+ izay masina sy marina+ ô, rahoviana ianao vao hitsara+ sy hamaly ny ranay+ amin’izay monina eny ambonin’ny tany?” 11  Ary samy nomena akanjo fotsy+ lava izy ireo, ka nilazana mba hiandry kely aloha, mandra-pahafenon’ny isan’ireo mpiara-manompo aminy sy ireo rahalahiny, izay nadiva hovonoina+ tahaka azy ireo koa. 12  Ary nijery aho rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, ary nisy horohoron-tany lehibe. Ary lasa mainty tahaka ny lamba gony+ volom-biby ny masoandro, ary lasa mena tahaka ny ra ny volana manontolo.+ 13  Ary niraraka tamin’ny tany ny kintan’ny lanitra, toy ny aviavy manintsana ny voany manta rehefa hozongozonin’ny rivotra mahery. 14  Ary niala tahaka ny horonam-boky ahorona ny lanitra,+ ary nesorina tamin’ny toerany ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra.+ 15  Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny manam-pahefana ambony sy ny miaramila manamboninahitra sy ny manankarena sy ny mahery sy ny mpanompo rehetra ary ny olona afaka rehetra dia niafina tany anaty lava-bato sy tany amin’ny vatolampy+ teny an-tendrombohitra. 16  Ary nilaza tsy an-kijanona tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy izy ireo hoe: “Mianjerà aminay,+ ka afeno izahay mba tsy ho hitan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana+ sy mba tsy hiharan’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry.+ 17  Fa tonga ny andro lehiben’ny+ fahatezeran’izy+ ireo, ka iza no mahajoro?”+

Fanamarihana

Gr.: haides. Jereo F.F. 3D.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.