Apokalypsy 7:1-17

  • Anjely efatra nitazona ny rivotra efatry ny tany (1-3)

  • 144 000 no voaisy tombo-kase (4-8)

  • Vahoaka be manao akanjo fotsy lava (9-17)

7  Taorian’izany, dia nahita anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra aho. Nitazona mafy ny rivotra efatry ny tany izy ireo, mba tsy hisy rivotra hitsoka eny amin’ny tany na eny amin’ny ranomasina na eny amin’ny hazo. 2  Nahita anjely anankiray niakatra avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro* koa aho. Nitazona ny tombo-kasen’ilay Andriamanitra velona izy, sady niantsoantso mafy ka niteny tamin’ireo anjely efatra nomena alalana hanimba ny tany sy ny ranomasina, 3  hoe: “Aza simbana ny tany na ny ranomasina na ny hazo, raha tsy efa avy nasianay tombo-kase+ ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.”+ 4  Ary reko ny isan’ny olona voaisy tombo-kase, dia 144 000.+ Voaisy tombo-kase avy tamin’ny foko rehetra teo amin’ny zanak’Israely+ izy ireo. Ireto avy izany: 5  Ny avy tamin’ny fokon’i Joda dia 12 000 no voaisy tombo-kase;ny avy tamin’ny fokon’i Robena, 12 000;ny avy tamin’ny fokon’i Gada, 12 000; 6  ny avy tamin’ny fokon’i Asera, 12 000;ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly, 12 000;ny avy tamin’ny fokon’i Manase,+ 12 000; 7  ny avy tamin’ny fokon’i Simeona, 12 000;ny avy tamin’ny fokon’i Levy, 12 000;ny avy tamin’ny fokon’i Isakara, 12 000; 8  ny avy tamin’ny fokon’i Zebolona, 12 000;ny avy tamin’ny fokon’i Josefa, 12 000;ary ny avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia 12 000 no voaisy tombo-kase. 9  Taorian’izany, dia hitako fa ireo nisy vahoaka be tsy hita isa, avy tamin’ny firenena sy foko sy firazanana ary fiteny* rehetra.+ Nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry izy ireo sady nanao akanjo fotsy lava,+ ary nisy sampana palmie teny an-tanany.+ 10  Dia niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo hoe: “Avy amin’ilay Andriamanitsika mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana,+ sy avy amin’ny Zanak’ondry,+ no ahazoanay famonjena!” 11  Nijoro nanodidina ny seza fiandrianana sy ny anti-panahy+ ary ny zavamananaina efatra ny anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana sady nivavaka tamin’Andriamanitra, 12  hoe: “Amena! Ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay anie ny dera, ny voninahitra, ny fahendrena, ny fisaorana, ny haja, ny hery, ary ny tanjaka!+ Amena.” 13  Dia hoy ny anti-panahy iray tamiko: “Fa iza ireo manao akanjo fotsy lava ireo,+ ary avy aiza izy ireo?” 14  Tonga dia namaly azy aho hoe: “Ianao, tompoko, no mahalala.” Dia hoy izy tamiko: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe,+ ary nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry+ ny akanjony. 15  Izany no mahatonga azy ireo hijoro eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra andro aman’alina ao amin’ny tempoliny izy ireo. Ary hamelatra ny tranolainy eo ambonin’izy ireo+ Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.+ 16  Tsy mba ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hamely azy ny masoandro na ny hafanana mandoro.+ 17  Hiandry azy ireo hoatran’ny ataon’ny mpiandry ondry+ mantsy ilay Zanak’ondry+ eo akaikin’ny* seza fiandrianana, dia hitarika azy ireo ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.+ Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo.”+

Fanamarihana

Na: “avy any atsinanana.”
Abt: “lela.”
Na: “eo afovoan’ny.”