Apokalypsy 8:1-13

  • Nosokafana ny tombo-kase fahafito (1-6)

  • Notsofina ny trompetra efatra voalohany (7-12)

  • “Loza, loza, loza” (13)

8  Rehefa nosokafany+ ny tombo-kase fahafito,+ dia nangina antsasak’adiny teo ho eo ny tany an-danitra. 2  Dia hitako ny anjely fito+ izay nijoro teo anatrehan’Andriamanitra, ary nomena trompetra fito izy ireo. 3  Ary nisy anjely anankiray koa tonga nijoro teo akaikin’ny alitara.+ Nanana fitaovana volamena fandoroana emboka manitra+ izy. Nomena emboka manitra be dia be izy mba hatolony teo ambonin’ilay alitara volamena+ teo anoloan’ny seza fiandrianana, niaraka tamin’ny vavaky ny olona masina rehetra. 4  Dia niakatra avy teo an-tanan’ilay anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra ny setroky ny emboka manitra, niaraka tamin’ny vavaky+ ny olona masina. 5  Tonga dia noraisin’ilay anjely anefa ilay fitaovana fandoroana emboka manitra, ka nofenoiny afo avy teo amin’ny alitara. Dia natsipiny mafy tetỳ an-tany ilay afo, ka nisy kotroka sy feo sy tselatra+ ary horohoron-tany. 6  Dia niomana hitsoka trompetra ny anjely fito nomena trompetra fito.+ 7  Nitsoka ny trompetrany ny anjely voalohany. Dia nisy havandra sy afo nifangaro ra, ary natsipy mafy tetỳ an-tany izany.+ Dia may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, ary may daholo koa ny ahi-maitso.+ 8  Nitsoka ny trompetrany ny anjely faharoa. Dia nisy zavatra hoatran’ny tendrombohitra lehibe nirehitra afo, natsipy mafy tany an-dranomasina.+ Dia lasa ra ny ampahatelon’ny ranomasina,+ 9  maty ny ampahatelon’ny zavamananaina tao an-dranomasina,+ ary rendrika ny ampahatelon’ny sambo. 10  Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahatelo. Dia nisy kintana lehibe nirehitra hoatran’ny jiro nilatsaka avy any an-danitra. Ary latsaka tamin’ny ampahatelon’ny renirano sy tamin’ny loharano+ ilay izy. 11  Ny anaran’ilay kintana dia Zavamaniry Mangidy Be. Dia lasa nangidy be ny ampahatelon’ny rano, ka betsaka ny olona matin’ilay rano, satria efa natao nangidy+ ilay izy. 12  Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahefatra. Dia nokapohina ny ampahatelon’ny masoandro+ sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelon’ireny+ ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro, ary ho toy izany koa ny alina. 13  Ary nahita voromahery nanidina teny afovoan’ny lanitra aho, dia henoko izy niantsoantso mafy hoe: “Loza, loza, loza+ ho an’izay mipetraka eny ambonin’ny tany, satria efa hitsoka trompetra ny anjely telo ambiny!”+

Fanamarihana