Daniela 1:1-21

  • Nataon’ny Babylonianina fahirano i Jerosalema (1, 2)

  • Nampiofanina manokana ny tanora babo taranaky ny mpanjaka (3-5)

  • Notsapaina ny Hebreo efa-dahy (6-21)

1  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nataony fahirano ilay tanàna.+ 2  Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+ 3  Ary nomen’ny mpanjaka baiko i Aspenaza lehiben’ny tandapany mba hitondra Israelita,* anisan’izany ny avy amin’ny taranaky ny mpanjaka sy ny taranaky ny olona ambony.+ 4  Tokony ho tanora* tsy misy tsiny no hoentiny, sady tsara tarehy sy tsara bika, manana fahendrena sy fahalalana ary lalin-tsaina,+ sady ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka. Nasaina nampianariny azy ireo ny soratra sy ny fitenin’ny Kaldeanina. 5  Nasain’ny mpanjaka nomena anjara isan’andro avy tamin’ny sakafo matsiro fihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony koa izy ireo. Tokony hampiofanina* mandritra ny telo taona izy ireo, ary hanompo ny mpanjaka rehefa tapitra izay fotoana izay. 6  Avy tamin’ny fokon’i* Joda ny sasany tamin’izy ireo, dia i Daniela,*+ Hanania,* Misaela,* ary Azaria.*+ 7  Ary nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana hafa* izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesazara,+ i Hanania nantsoiny hoe Sadraka, i Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary i Azaria nantsoiny hoe Abednego.+ 8  Tapa-kevitra tao am-pony anefa i Daniela fa tsy handoto ny tenany amin’ny sakafo matsiro fihinan’ny mpanjaka na amin’ny divay fisotrony. Koa nangataka alalana tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba tsy handoto ny tenany amin’ireny. 9  Ary nataon’ilay tena Andriamanitra niantra an’i* Daniela sy namindra fo taminy ilay lehiben’ny tandapa.+ 10  Hoy anefa ilay lehiben’ny tandapa tamin’i Daniela: “Matahotra ny mpanjaka tompoko aho. Izy mantsy no niteny izay tokony hohaninareo sy hosotroinareo. Dia ahoana raha hitany hoe mihamahia ianareo, fa tsy hoatran’ny tanora* hafa mitovy taona aminareo? Hotapahin’ny mpanjaka amin’izany ny lohako.” 11  Hoy anefa i Daniela tamin’ny mpiambina, izay notendren’ilay lehiben’ny tandapa hiambina an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria: 12  “Mba tsapao folo andro aloha izahay mpanomponao e! Dia aleo homena legioma izahay hohaninay, dia rano hosotroinay. 13  Avy eo dia ampitahao izahay sy ny tanora* mihinana ny sakafo matsiro fihinan’ny mpanjaka, dia arakaraka izay hitanao no ataovy amin’ny mpanomponao.” 14  Nanaiky an’ilay soso-kevitra àry ilay mpiambina, ka nitsapa azy ireo folo andro. 15  Rehefa tapitra ny folo andro, dia hita fa netinety tsara sy salama* kokoa noho ny tanora* rehetra nihinana ny sakafo matsiro fihinan’ny mpanjaka izy ireo. 16  Koa nalain’ilay mpiambina ny sakafo matsiro sy ny divay tokony ho azy ireo ka nosoloany legioma. 17  Ary nomen’ilay tena Andriamanitra fahalalana sy fahaizana ary fahendrena ireo tanora* efa-dahy ireo ka nahay soratra isan-karazany. Nahay namantatra ny dikan’ny fahitana sy nofy isan-karazany koa i Daniela.+ 18  Rehefa tapitra ilay fotoana noferan’i Nebokadnezara Mpanjaka, ka tokony hampidirina eo anatrehany izy ireo,+ dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa teo anatrehany izy ireo. 19  Rehefa niresaka tamin’izy ireo ny mpanjaka, dia hitany fa tsy nisy tahaka an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria+ izy rehetra. Koa nanompo teo anatrehan’ny mpanjaka foana izy ireo. 20  Ary tamin’izay rehetra nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany hoe nanana fahendrena sy fahiratan-tsaina avo folo heny izy ireo, raha oharina amin’ny mpisorona rehetra mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty,+ eran’ny fanjakany. 21  Mbola tany foana i Daniela hatramin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy Mpanjaka.+

Fanamarihana

Na: “tao an-tempolin’ilay.”
Na: “tao an-tempolin’ny.”
Izany hoe Babylonia.
Na: “zanak’Israely.”
Abt: “ankizy.”
Na mety hoe “homena sakafo.”
Midika hoe “Nanampy i Jehovah.”
Mety hidika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”
Midika hoe “Niantra i Jehovah.”
Abt: “zanakalahin’i.”
Midika hoe “Andriamanitra no Mpitsara Ahy.”
Izany hoe anarana babylonianina.
Na: “tsara fanahy tamin’i.”
Abt: “ankizy.”
Abt: “ankizy.”
Abt: “natavy.”
Abt: “ankizy.”
Abt: “ankizy.”