Daniela 11:1-45

  • Mpanjakan’i Persa sy Gresy (1-4)

  • Mpanjakan’ny atsimo sy mpanjakan’ny avaratra (5-45)

    • Hisy mpitaky hetra (20)

    • Hovonoina ilay Mpitarika ny fifanekena (22)

    • Homena voninahitra ilay andriamanitry ny manda fiarovana (38)

    • Hifanosika ny mpanjakan’ny atsimo sy ny mpanjakan’ny avaratra (40)

    • Tatitra hampikorontan-tsaina avy any atsinanana sy avy any avaratra (44)

11  “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy+ Medianina, dia nitsangana aho mba hanohana an’i Mikaela sy hampahery azy.* 2  Marina izao zavatra holazaiko aminao izao: “Mbola hisy mpanjaka telo hitsangana any Persa, ary ny fahefatra hanangona harena betsaka noho ny an’ny hafa rehetra. Rehefa lasa mahery izy noho ny harenany, dia hoentaniny ny rehetra mba hanafika ny fanjakan’i Gresy.+ 3  “Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana ka hanjaka amin’ny faritra midadasika,+ sady hanao izay tiany. 4  Rehefa tena mahery anefa izy, dia ho rava ny fanjakany ka ho voazarazara any amin’ny vazan-tany efatra.*+ Tsy ho an’ny taranany anefa ilay izy sady tsy hitovy amin’ilay fanjakana nentiny. Hongotana mantsy ny fanjakany, ka homena olon-kafa ankoatra an’ireo. 5  “Ary hatanjaka ny mpanjakan’ny atsimo, izany hoe ny iray amin’ireo andrianany. Hisy olon-kafa hatanjaka kokoa noho izy anefa, ka hanana fahefana lehibe, dia fahefana lehibe noho ny azy. 6  “Ary hiray dina izy roa tonta rehefa afaka taona maromaro. Dia ho any amin’ny mpanjakan’ny avaratra ny zanakavavin’ny mpanjakan’ny atsimo mba hanao fifanarahana ara-drariny aminy. Hihena anefa ny herin-tsandrin’ilay zazavavy, ary tsy hanana fahefana intsony ilay mpanjaka. Dia homena olon-kafa ilay zazavavy sy izay nitondra azy tany, sy ilay niteraka azy, ary ilay mahatonga azy hahery amin’izany fotoana izany. 7  Ary hitsangana handimby azy ny tsimoka iray avy amin’ny faka nipoiran’ilay zazavavy. Ho any amin’ny tafika izy io, dia hotafihiny ny tanàna voaro mafy misy ny mpanjakan’ny avaratra. Hamely azy ireo izy ka handresy azy. 8  Ho any Ejipta koa izy, ka hoentiny any ny andriamanitr’izy ireo sy ny sarivongana metaliny* sy ny zava-tsarobidiny vita amin’ny volafotsy sy volamena, ary ny zavatra nobaboiny. Dia hanalavitra an’ilay mpanjakan’ny avaratra mandritra ny taona maromaro izy. 9  Ary hanafika any amin’ny faritra anjakan’ny mpanjakan’ny atsimo ilay mpanjakan’ny avaratra. Hiverina any amin’ny taniny ihany anefa izy avy eo. 10  “Ary hiomana hiady ny zanany lahy, ka hanangona miaramila be dia be, dia tafika tena lehibe. Tena handroso izy ka handravarava hoatran’ny tondra-drano. Hiverina anefa izy, ary hiady foana mandra-pahatongany any amin’ny tanànany voaro mafy. 11  “Ary ho tezitra ny mpanjakan’ny atsimo ka hivoaka hiady amin’ny mpanjakan’ny avaratra. Hanangona vahoaka be izy, saingy hatolotra eo am-pelatanan’ilay anankiray izany vahoaka izany. 12  Dia hoentina ilay vahoaka. Ary hiavonavona ny fon’ilay mpanjaka, ka handripaka olona an’alinaliny izy. Tsy hahay hanararaotra ny heriny rehetra anefa izy. 13  “Dia hiverina ny mpanjakan’ny avaratra ka hanangona vahoaka betsaka noho ilay teo aloha. Ary amin’ny fotoana farany, izany hoe rehefa afaka taona maromaro, dia ho avy tokoa izy ka hitondra tafika lehibe ampy fitaovana tsara. 14  Ho betsaka no hitsangana hanohitra ny mpanjakan’ny atsimo, amin’izany fotoana izany. “Ary ny olona mahery setra* eo amin’ny vahoakanao dia ho voataonan’olon-kafa mba hanandrana hanatanteraka fahitana, saingy tsy hahavita hanatanteraka an’izany izy ireo. 15  “Dia ho avy ny mpanjakan’ny avaratra, ka hanangana dongon-tany* fanaovana fahirano sy hamabo tanàna voaro mafy. Ary samy tsy hahatohitra na ny sandrin’ny* atsimo na ny miaramilany voafantina. Tsy hanana hery hanoherana koa izy ireo. 16  Ary hanao izay tiany ilay ho avy hamely ny mpanjakan’ny atsimo, ka tsy hisy hahatohitra azy. Hitsangana ao amin’ilay Tany Kanto* izy,+ ary hanana hery handripahana. 17  Ho tapa-kevitra ny ho avy izy, ka hiaraka amin’ny tafika manontolo ao amin’ny fanjakany. Dia hanao fifanarahana ara-drariny amin’ny mpanjakan’ny atsimo izy, ary hahomby. Ary havela hahatonga loza amin’ilay zanakavavin’ny olombelona izy. Dia tsy hahavita hijoro ilay zazavavy, sady tsy ho fananany intsony. 18  Hanafika any amoron-tsiraka izy ka haka babo be dia be. Ary hatsahatry ny mpitari-tafika iray ny latsa hataon’io mpanjaka io aminy, ka tsy handatsa intsony io. Dia hataon’ilay mpitari-tafika hifotitra aminy ihany izany. 19  Hiverina any amin’ireo tanàna voaro mafy any amin’ny taniny izy avy eo, nefa ho tafintohina sy hianjera ka tsy ho hita intsony. 20  “Ary hisy olona hitsangana handimby azy, ka handefa mpitaky hetra* eran’ilay fanjakana be voninahitra. Ho faty anefa izy rehefa afaka andro vitsivitsy, nefa tsy noho ny hatezerana na noho ny ady. 21  “Ary hitsangana handimby azy ny lehilahy iray halan’ny* olona, saingy tsy homen’izy ireo azy ny voninahitry ny fanjakana. Amin’ilay fotoana mampilamina ny tany iny izy no* ho tonga, dia hilaza teny mamitaka* mba hahazoana ny fanjakana. 22  Ho resiny ny sandry* izay mandravarava toy ny tondra-drano, ka ho torotoro. Hovonoina koa ilay Mpitarika+ ny fifanekena.+ 23  Dia hisy olona hanao fifanarahana* aminy, ka hamitaka foana izy. Ary hitsangana izy ka ho lasa matanjaka, satria hisy firenena kely hanampy azy. 24  Amin’ilay fotoana milamina iny izy no* ho tonga ao amin’ny toerana tsara indrindra amin’ilay* faritany. Dia hanao zavatra mbola tsy nataon’ny razambeny izy. Zavatra norobaina sy nobaboina ary zava-tsarobidy hafa no hozarazarainy amin’ny vahoakany. Ary hanao tetika hamelezana an’ireo toerana voaro mafy izy, nefa mandritra ny fotoana fohy ihany. 25  “Ary hanangona ny heriny sy ny herim-pony* izy, ka hitondra tafika lehibe mba hanafika ny mpanjakan’ny atsimo. Hiomana hiady koa ny mpanjakan’ny atsimo, ka hitondra tafika faran’izay lehibe sy mahery. Tsy hahatohitra anefa izy, satria hamorona teti-dratsy hamelezana azy izy ireo. 26  Ary izay mihinana ny sakafo matsirony ihany no hampianjera azy. “Ny tafiny kosa ho rava,* ary be dia be no ho ripaka. 27  “Ary samy haniry hanao ratsy ny fon’ireo mpanjaka roa ireo. Dia hiaraka hipetraka eo amin’ny latabatra iray ihany izy ireo, ka handainga amin’izy samy izy. Tsy hisy hahomby anefa izay hataony, satria amin’ny fotoana voatondro vao ho tonga ny farany.+ 28  “Ary hody any amin’ny taniny izy, sady hitondra harena be dia be. Dia hanohitra ny fifanekena masina izy ao am-pony ao. Hahomby izy ka hody any amin’ny taniny. 29  “Ary hiverina izy amin’ny fotoana voatondro, ka hiady amin’ny atsimo. Tsy hitovy amin’ilay teo aloha anefa ny amin’ity indray mandeha ity. 30  Hiady aminy mantsy ny sambon’i Kitima,+ dia haetry izy. “Hiverina izy ka ho tezitra amin’ny* fifanekena masina,+ ary hahomby izy. Dia hiverina izy ka hifantoka amin’ireo nahafoy ny fifanekena masina. 31  Ary hisy tafika* hitsangana avy aminy. Hozimbazimbain’izy ireo ny toerana masina,+ izany hoe ny tanàna voaro mafy, ary hesoriny ny fanatitra atolotra tsy tapaka.+ “Dia hatsangan’izy ireo ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana.+ 32  “Ary hofitahiny* ny olona manao ratsy sy tsy miraharaha an’ilay fifanekena, ka ho voataonany hikomy. Handresy anefa ny olona mahalala an’Andriamanitra ka hahomby. 33  Ary hampita fahalalana amin’ny olona maro ireo lalin-tsaina amin’ny vahoaka.+ Ho lavo mandritra ny andro vitsivitsy izy ireo, satria ho voan’ny sabatra, ho main’ny lelafo, ho babo, ary hisy handroba. 34  Hahazo famonjena kely anefa izy ireo rehefa lavo. Ho betsaka no hanohana azy ireo, saingy hamitaka fotsiny.* 35  Ary ho lavo ny sasany amin’ireo lalin-tsaina, ary noho izy ireo dia hodiovina ny vahoaka ka tsy hisy loto ary tsy hisy pentina,+ mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany. Amin’ny fotoana voatondro mantsy vao ho tonga izany. 36  “Hanao izay tiany ilay mpanjaka, ka hanambony tena sy hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra. Ary hiteny zavatra tsy mampino mihitsy izy mba hanoherana an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra.+ Hahomby izy mandra-pahatanteraky ny fanamelohana, satria tsy maintsy ho tanteraka ny hevitra efa tapaka. 37  Tsy hiraharaha an’ilay Andriamanitry ny razambeny izy na izay irin’ny vehivavy na izay andriamanitra hafa rehetra, fa hanandra-tena ho ambonin’ny olona rehetra. 38  Izy kosa hanome voninahitra an’ilay andriamanitry ny manda fiarovana.* Ary andriamanitra tsy fantatry ny razambeny no homeny voninahitra, amin’ny alalan’ny volamena sy volafotsy sy vatosoa ary zava-tsarobidy. 39  Hotafihiny ny tanàna faran’izay voaro mafy, ka hahomby izy satria natoky* andriamani-kafa. Homeny voninahitra be izay manohana azy,* ka hataony mpitondra eo amin’ny olona maro. Dia hozarainy amin’izay mandoa ny vidiny ilay tany. 40  “Amin’ny fotoanan’ny farany, dia ho avy ny mpanjakan’ny atsimo ka hifanosika* aminy. Ny mpanjakan’ny avaratra kosa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra, ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo be dia be. Dia hitsofoka any amin’ny tany maro izy ka handravarava hoatran’ny tondra-drano. 41  Hitsofoka ao amin’ilay Tany Kanto*+ koa izy, ary hisy tany maro ho lasany. Ireto anefa no ho afa-mandositra ka tsy ho azon’ny tanany: Ny mponin’i Edoma sy Moaba ary ireo lohandohany amin’ny Amonita. 42  Mbola hampiasa ny heriny hamelezana tany be dia be izy, ary tsy ho afa-mandositra i Ejipta. 43  Hanjaka amin’ny harena miafina izy, dia ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy rehetra any Ejipta. Dia hanao an’izay hasainy atao* ny Libyanina sy ny Etiopianina. 44  “Hisy tatitra hampikorontan-tsaina azy anefa avy any atsinanana* sy avy any avaratra. Dia ho tezitra be izy ka hivoaka handripaka sy handringana olona maro. 45  Ary ny tranolainy, izay toy ny lapa, dia haoriny eo anelanelan’ny ranomasina lehibe sy ny tendrombohitra masin’ilay Tany Kanto.*+ Dia hiroso ho any amin’izay hiafarany izy, ka tsy hisy hamonjy.

Fanamarihana

Na: “sady ho toy ny fiarovana mafy ho azy.”
Abt: “rivotra efatry ny lanitra.”
Na: “sarivongana namboariny tamin’ny metaly narendrika.”
Na: “ny zanaky ny mpandroba.”
Na: “tovon-tany.”
Na: “ny tafiky ny.”
Na: “ao amin’ilay Ravaka.”
Na: “mpanery olona hiasa.”
Na: “ tena tsy misy vidiny amin’ny.”
Na mety hoe “Tsy hampitandrina izy hoe.”
Na: “hanao tetika miafina.”
Na: “tafika.”
Na: “hiray dina.”
Na mety hoe “Tsy hampitandrina izy hoe.”
Abt: “ao amin’ny tavin’ilay.”
Abt: “fony.”
Na: “ho difotry ny tondra-drano.”
Na: “homelohiny ny.”
Abt: “sandry.”
Na: “hodokadokafany; hofetsifetseny.”
Na: “handokadoka; hametsifetsy.”
Na: “manda fiarovana, amin’izany toerany izany.”
Na: “nampian’ny.”
Na mety hoe “izay rehetra tohanany.”
Na: “hifanoto.”
Na: “ao amin’ilay Ravaka.”
Na: “Dia hanaraka azy.”
Na: “any amin’ny fiposahan’ny masoandro.”
Na: “masin’ilay Ravaka.”