Daniela 12:1-13

  • Ny “fotoanan’ny farany” sy ny aorianan’izay (1-13)

    • Hitsangana i Mikaela (1)

    • Hamirapiratra be ny olona lalin-tsaina (3)

    • Hitombo be ny tena fahalalana (4)

    • Hitsangana i Daniela mba hahazo ny anjarany (13)

12  “Mandritra an’izany fotoana izany, dia hitsangana i Mikaela,*+ ilay andriana lehibe,+ izay mitsangana hiaro ny firenenao.* Dia hisy fotoam-pahoriana mbola tsy nisy hoatr’izany, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany fotoana izany. Mandritra an’izany fotoana izany, dia ho afaka handositra ny firenenao,+ izany hoe izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.+ 2  Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha, ka ny sasany hahazo fiainana mandrakizay, fa ny sasany kosa ho afa-baraka sy hatao tsinontsinona mandrakizay. 3  “Hamirapiratra be hoatran’ny lanitra ny olona lalin-tsaina. Ary izay manampy olona maro mba hanaraka ny fahamarinana dia hamirapiratra hoatran’ny kintana, mandrakizay mandrakizay. 4  “Ry Daniela ô, asio tombo-kase ilay boky ka tazòny ho tsiambaratelo ny teny ao anatiny, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany.+ Be dia be no hivezivezy etsy sy eroa,* ka hitombo be ny tena fahalalana.”+ 5  Nijery izaho Daniela avy eo, ka nahita lehilahy roa hafa nijoro teo amoron’ny renirano: Ny iray tetỳ amin’ny morony ilany, fa ny iray kosa terỳ amin’ny ilany.+ 6  Dia nanontanian’ny anankiray ilay lehilahy nanao akanjo rongony,+ teo ambonin’ilay renirano, hoe: “Mbola hisy hafiriana vao ho tanteraka ireo zava-mahagaga ireo?” 7  Dia nanangana ny tanany havia sy havanana nanondro ny lanitra ilay lehilahy nanao akanjo rongony, teo ambonin’ilay renirano. Henoko izy nianiana tamin’ny anaran’Ilay velona mandrakizay,+ hoe: “Hisy fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana.* Raha vao vita ny famotipotehina ny herin’ny olona masina,+ dia ho tanteraka izany rehetra izany.” 8  Henoko izany nefa tsy azoko ny dikany,+ ka hoy aho: “Hanao ahoana no hiafaran’izany, tompoko?” 9  Dia hoy izy: “Mandehana, ry Daniela ô, satria tokony hotazonina ho tsiambaratelo izany teny izany sady hasiana tombo-kase, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany.+ 10  Be dia be ny olona ho voadio, satria hodioviny sy hofotsiny ny tenany.+ Fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany. Ary tsy hisy ratsy fanahy hahazo ny dikan’izany teny izany, fa izay lalin-tsaina ihany no hahazo.+ 11  “Ary hisy 1 290 andro, manomboka amin’ny fotoana hanesorana an’ilay fanatitra atolotra tsy tapaka,+ sy hananganana an’ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana.+ 12  “Sambatra izay miandry foana* ka mahatratra ny faran’ny 1 335 andro! 13  “Fa ianao kosa, mahareta hatramin’ny farany. Dia hiala sasatra ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.”*+

Fanamarihana

Midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”
Abt: “zanakalahin’ny vahoakanao.”
Na: “handinika lalina [an’ilay boky].”
Izany hoe fe-potoana telo sy tapany.
Na: “miandry mafy.”
Na: “valisoanao.”