Daniela 3:1-30

  • Sarivongana volamena nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka (1-7)

    • Baiko hoe tsy maintsy mivavaka amin’ilay sarivongana (4-6)

  • Nampangaina hoe tsy nankatò ireo Hebreo telo lahy (8-18)

    • “Tsy hanompo an’ireo andriamanitrao izahay” (18)

  • Natsipy tao anatin’ilay lafaoro misy afo mivaivay (19-23)

  • Novonjena avy tao anaty afo (24-27)

  • Nidera an’ilay Andriamanitry ny Hebreo ny mpanjaka (28-30)

3  Nanao sarivongana volamena i Nebokadnezara Mpanjaka, ka 60 hakiho* ny haavony, ary 6 hakiho* ny sakany. Ary natsangany teo amin’ny lemak’i Dora tao amin’ny faritanin’i Babylona ilay izy. 2  Dia naniraka olona i Nebokadnezara Mpanjaka mba hamory ny lehibem-paritany, ny mpiadidy, ny governora, ny mpanolo-tsaina, ny mpitahiry ny harenam-panjakana, ny mpitsara, ny mpahay lalàna, ary izay rehetra nitantana ny raharaham-panjakana tany amin’ny faritany. Nasaina ho tonga amin’ny fitokanana an’ilay sarivongana natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka izy rehetra ireo. 3  Koa nivory mba hitokana an’ilay sarivongana natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka ny lehibem-paritany, ny mpiadidy, ny governora, ny mpanolo-tsaina, ny mpitahiry ny harenam-panjakana, ny mpitsara, ny mpahay lalàna, ary izay rehetra nitantana ny raharaham-panjakana tany amin’ny faritany. Ary nijoro teo anoloan’ilay sarivongana natsangan’i Nebokadnezara izy ireo. 4  Dia niantsoantso mafy ny mpitondra hafatra hoe: “Izao no baiko omena anareo, ry vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny: 5  Rehefa henonareo ny feon’ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tsy maintsy miankohoka sy mivavaka amin’ilay sarivongana volamena natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka ianareo. 6  Ary izay tsy miankohoka na mivavaka amin’ilay sarivongana, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.”+ 7  Koa niankohoka sy nivavaka tamin’ilay sarivongana volamena natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka daholo ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny, rehefa naheno ny feon’ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany. 8  Tamin’izay dia nisy Kaldeanina nankeo amin’ny mpanjaka ka niampanga* an’ireo Jiosy. 9  Dia hoy izy ireo tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka: “Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka ô! 10  Efa namoaka didy ianao, ry mpanjaka ô, fa izay maheno ny feon’ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tokony hiankohoka sy hivavaka amin’ilay sarivongana volamena. 11  Ary izay tsy miankohoka na mivavaka amin’ilay sarivongana dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.+ 12  Misy Jiosy tsy niraharaha ny teninao anefa, ry mpanjaka ô! Tsy iza izany fa i Sadraka sy Mesaka ary Abednego,+ izay notendrenao hitantana ny raharaham-panjakana eto amin’ny faritanin’i Babylona. Tsy manompo an’ireo andriamanitrao mantsy ry zareo, sady tsy mety mivavaka amin’ilay sarivongana volamena natsanganao.” 13  Dia romotra be i Nebokadnezara ka nanome baiko mba hoentina eo aminy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Koa nentina teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. 14  Ary hoy i Nebokadnezara taminy: “Tena marina tokoa ve, ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego, fa tsy manompo an’ireo andriamanitro,+ hono, ianareo, sady tsy mety mivavaka amin’ilay sarivongana volamena natsangako? 15  Raha vonona hiankohoka sy hivavaka amin’ilay sarivongana nataoko anefa ianareo izao, rehefa maheno ny feon’ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tsara izany. Fa raha tsy mety mivavaka amin’ilay sarivongana kosa ianareo, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro misy afo mivaivay. Fa iza koa no andriamanitra mahavita mamonjy anareo eo am-pelatanako?”+ 16  Dia hoy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tamin’ny mpanjaka: “Tsy mila mamaly anao momba an’izany akory izahay, ry Nebokadnezara ô! 17  Raha tsy maintsy atsipy ao anatin’ny lafaoro misy afo mivaivay izahay, dia mahavita mamonjy anay avy ao sy mamonjy anay eo am-pelatananao ilay Andriamanitra tompoinay, ry mpanjaka ô!+ 18  Fa na tsy hamonjy anay aza anefa izy, dia tianay ho fantatrao fa tsy hanompo an’ireo andriamanitrao izahay, ry mpanjaka ô, sady tsy hivavaka amin’ilay sarivongana volamena natsanganao.”+ 19  Dia tezitra be tamin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego i Nebokadnezara, ka niova be mihitsy ny tarehiny.* Ary nanome baiko izy hoe tokony hohafanaina avo fito heny noho ny mahazatra ilay lafaoro. 20  Nomeny baiko koa ny miaramila matanjaka sasany tao amin’ny tafiny mba hamatotra an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ka hanipy azy ireo ao anatin’ilay lafaoro misy afo mivaivay. 21  Dia nafatotra izy telo lahy. Mbola teny aminy ny fitafiany ivelany, ny akanjony, ny satrony, ary ny fitafiany hafa, tamin’izy ireo natsipy tao anatin’ilay lafaoro misy afo mivaivay. 22  Koa satria hentitra be ny baikon’ny mpanjaka sady faran’izay nahamay be ilay lafaoro, dia ireo lehilahy nibata an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego indray no matin’ny lelafo. 23  Fa izy telo lahy kosa, izany hoe i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nilatsaka tao anatin’ilay lafaoro misy afo mivaivay, sady mbola nifatotra. 24  Dia raiki-tahotra i Nebokadnezara Mpanjaka ka nitsangana haingana. Ary hoy izy tamin’ny manam-pahefana ambony: “Angaha moa tsy telo lahy no nafatotsika sy natsipintsika tao anaty afo?” Dia hoy ireo tamin’ny mpanjaka: “Marina izany, ry mpanjaka ô!” 25  Ary hoy izy: “Jereo anefa fa efa-dahy no hitako mandehandeha ao anaty afo! Tsy mifatotra ry zareo sady tsy misy maninona. Ary hoatran’ny zanak’ireo andriamanitra ilay fahefatra.” 26  Nankeo am-baravaran’ilay lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnezara, ka niteny hoe: “Ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego, mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra!+ Mivoaha dia avia atỳ!” Dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. 27  Ary hitan’ny lehibem-paritany sy ny mpiadidy sy ny governora ary ny manam-pahefana ambony tafavory teo+ fa tsy nampaninona azy ireo* ny afo.+ Tsy nisy nikainkona koa ny volon-dohany, tsy niova ny fitafiany ivelany, ary tsy nisy fofon’afo akory aza taminy. 28  Hoy i Nebokadnezara avy eo: “Hoderaina anie ilay Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego,+ fa naniraka ny anjeliny izy hamonjy ny mpanompony! Natoky azy mantsy ry zareo ka tsy nety nanaraka ny baikon’ny mpanjaka, fa naleony aza maty* toy izay hanompo na hivavaka amin’andriamani-kafa afa-tsy ny Andriamaniny ihany.+ 29  Koa mamoaka didy aho fa hotetitetehina izay vahoaka na firenena na olona avy amin’ny fiteny samy hafa ka miteny zavatra hanoherana an’ilay Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Hatao kabinem-bahoaka* koa ny tranony. Fa tsy misy andriamani-kafa mahavita mamonjy hoatr’azy.”+ 30  Dia nomen’ny mpanjaka toerana ambony* tao amin’ny faritanin’i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.+

Fanamarihana

27 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.
2,7 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na: “nanendrikendrika.”
Na: “niova tanteraka ny fihetsiny.”
Na: “tsy nisy heriny tamin’izy ireo.”
Na: “fa vonona hamoy ny ainy izy ireo.”
Na mety hoe “fanariam-pako; fanariana taim-biby.”
Abt: “nataon’ny mpanjaka niroborobo.”