Daniela 5:1-31

  • Fanasambe nataon’i Belsazara Mpanjaka (1-4)

  • Ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina (5-12)

  • Nasaina nilaza ny dikan’ilay soratra i Daniela (13-25)

  • Dikan’ilay soratra: Hifarana ny fanjakan’i Babylona (26-31)

5  Nanao fanasambe ho an’ny olona ambony 1 000 lahy i Belsazara Mpanjaka,+ ka nisotro divay teo anatrehan’ireo.+ 2  Rehefa mamomamo iny i Belsazara, dia nanome baiko izy hoe hoentina eo aminy ny kaopy volamena sy volafotsy, izay nalain’i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema.+ Nasainy nentina teo izany mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny olona ambony, ary ny vadikeliny sy ny vadiny hafa. 3  Dia nentina ny kaopy volamena nalaina tao amin’ny tempolin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, ka nisotroan’ny mpanjaka sy ny olona ambony, ary ny vadikeliny sy ny vadiny hafa. 4  Nisotro divay izy ireo, sady nidera an’ireo andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato. 5  Tamin’izay indrindra no nisy rantsantanan’olona nipoitra ka nanoratra teo amin’ilay rindrina voalalotra tsara, teo ampitan’ny fitoeran-jiro, tao an-dapan’ny mpanjaka. Ary hitan’ny mpanjaka ilay tanana nanoratra. 6  Dia lasa hatsatra ny tarehin’ny* mpanjaka, sady nampatahotra be azy ny eritreriny, ary nangovitra ny andilany.+ Nangovitra be koa ny lohaliny ka nifandona. 7  Dia niantsoantso mafy ny mpanjaka mba hasaina hankeo aminy ny mpila hevitra amin’ny maty, sy ny Kaldeanina,* ary ny mpanandro.+ Dia hoy izy tamin’ireo olon-kendrin’i Babylona ireo: “Izay mahavaky an’io soratra io ka milaza amiko ny dikany, dia hampanaovina akanjo volomparasy, sady hasiana rojo volamena ny vozony,+ ary izy no ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana.”+ 8  Dia tonga daholo ny olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavita namaky an’ilay soratra na nahay nilaza ny dikany tamin’ny mpanjaka.+ 9  Koa natahotra be i Belsazara Mpanjaka, ka vao mainka lasa hatsatra ny tarehiny. Ary tsy hitan’ny olona ambony intsony izay hatao.+ 10  Ary naheno ny tenin’ny mpanjaka sy ny olona ambony ny renin’ny mpanjaka,* ka niditra tao amin’ny efitrano nanaovana an’ilay fanasana. Dia hoy izy: “Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka ô! Aza atao mampatahotra anao ny eritreritrao, ary aza avela ho hatsatra ny tarehinao. 11  Misy lehilahy* iray manana ny fanahin’ireo andriamanitra masina, eto amin’ny fanjakanao. Tamin’ny andron’i Nebokadnezara Mpanjaka rainao, dia hita fa nanam-pahalalana sady lalin-tsaina izy, ary nanana fahendrena toy ny an’ireo andriamanitra.+ Ary izy no notendren’ny rainao ho lehiben’ny mpisorona mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina* ary ny mpanandro.+ Izany no nataon’ny rainao, ry mpanjaka ô! 12  Fa marani-tsaina tsy misy hoatr’izany i Daniela, izay nantsoin’ny mpanjaka hoe Beltesazara,+ ary manam-pahalalana sy lalin-tsaina, ka mahay milaza ny dikan’ny nofy, sady mahavita manazava ny dikan’ny teny saro-pantarina sy mahavaha olana saro-bahana.*+ Dia aleo izy hampanantsoina fa holazainy aminao ny dikan’io soratra io.” 13  Dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela. Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Ianao ve izany Daniela anisan’ny natao sesitany avy any Joda izany,+ ilay nentin’ny mpanjaka raiko niala tany Joda?+ 14  Henoko fa ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra.+ Manam-pahalalana sy lalin-tsaina ary hendry tsy misy hoatr’izany koa, hono, ianao.+ 15  Ary nentina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpila hevitra amin’ny maty, mba hamaky an’io soratra io sy hilaza amiko ny dikany. Tsy mahavita milaza ny dikan’ilay soratra anefa izy ireo.+ 16  Efa henoko kosa ny momba anao, fa mahay milaza ny dikan’ny zava-miafina+ sy mahavaha olana saro-bahana,* hono, ianao. Dia raha hainao ny mamaky an’io soratra io ka lazainao amiko ny dikany, dia hampanaovina akanjo volomparasy ianao sady hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ianao no ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana.”+ 17  Ary hoy i Daniela tamin’ny mpanjaka: “Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, dia omeo olon-kafa ny valisoa tianao homena. Hovakiko aminao ihany anefa, ry mpanjaka, io soratra io, ary holazaiko aminao ny dikany. 18  Ry mpanjaka ô! Nomen’ilay Andriamanitra Avo Indrindra an’i Nebokadnezara rainao ny fanjakana sy ny fahalehibeazana sy ny voninahitra ary ny fahefana.+ 19  Ary nangovitra sy natahotra azy ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra, noho ny fahalehibeazana nomen’Andriamanitra azy.+ Izay tiany hovonoina mantsy dia novonoiny, ary izay tiany ho velona dia navelany ho velona. Izay tiany hasandratra koa dia nasandrany, ary izay tiany haetry dia naetriny.+ 20  Nirehareha anefa ny fony ary lasa mafy loha izy, ka lasa sahisahy ratsy nanao ny tsy tokony hatao.+ Koa naongana tsy ho eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, ary nesorina taminy ny voninahiny. 21  Noroahina niala tamin’ny olombelona izy, sady novana ho lasa hoatran’ny fom-biby ny fony, ary niara-nipetraka tamin’ny ampondradia izy. Nomena ahitra izy dia nihinana ahitra hoatran’ny omby, ary lenan’ny andon’ny lanitra ny vatany, mandra-pahafantany fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izy no manendry an’izay tiany hitondra eo.+ 22  “Tsy mba nanetry tena anefa ianao tao am-ponao, ry Belsazara zanany lahy, na dia fantatrao aza izany rehetra izany. 23  Nanandra-tena hanohitra ny Tompon’ny lanitra kosa ianao,+ ary nasainao nentina teto anatrehanao ireo kaopy tao an-tranony.+ Dia nisotro divay tamin’ireny ianao sy ny olona ambony, ary ny vadikelinao sy ny vadinao hafa, sady nidera an’ireo andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato. Tsy mahita na maheno na mahalala na inona na inona anefa ireny.+ Tsy mba nomenao voninahitra kosa ilay Andriamanitra tompon’ny ainao+ sy manana fahefana amin’izay rehetra ataonao. 24  Izany no nahatonga azy handefa an’io tanana io, ka nampisy an’io soratra io.+ 25  Izao ilay soratra: MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA. 26  “Dia izao avy no dikan’ireo teny ireo: MENE: Nisain’Andriamanitra ny andro naharetan’ny fanjakanao ka nofaranany.+ 27  “TEKELA: Nolanjaina tamin’ny mizana ianao ka hita hoe tsy ampy lanja. 28  “PERESA: Nozaraina ny fanjakanao, ka homena ho an’ny Medianina sy ny Persianina.”+ 29  Dia namoaka didy i Belsazara ka nampanaovina akanjo volomparasy i Daniela, ary nasiana rojo volamena ny vozony. Dia nasaina nambara fa izy no ho mpitondra fahatelo eo amin’ny fanjakana.+ 30  Tamin’iny alina iny ihany dia novonoina i Belsazara mpanjakan’ny Kaldeanina.+ 31  Ary i Dariosy+ Medianina no nandray ny fanjakana, tamin’izy 62 taona teo ho eo.

Fanamarihana

Na: “niova ny endriky ny.”
Izany hoe olona maromaro nahay nisikidy sy nanandro.
Hebreo: “ny mpanjakavavy.”
Na: “lehilahy mahay.”
Izany hoe olona maromaro nahay nisikidy sy nanandro.
Abt: “mahavaha vona.”
Abt: “mahavaha vona.”