Daniela 8:1-27

  • Fahitana momba ny ondrilahy iray sy osilahy iray (1-14)

    • Tandroka kely iray nanambony tena (9-12)

    • Mandra-pahatapitry ny 2 300 andro (14)

  • Nohazavain’i Gabriela ny dikan’ilay fahitana (15-27)

    • Iza ilay ondrilahy sy ilay osilahy? (20, 21)

    • Hitsangana ny mpanjaka iray masiaka endrika (23-25)

8  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara Mpanjaka,+ dia nahita fahitana izaho Daniela, taorian’ilay hitako teo aloha.+ 2  Tao an-dapan’i* Sosana,*+ any amin’ny faritanin’i Elama+ aho, tamin’izaho nahita an’ilay fahitana. Dia nijery an’ilay fahitana aho, ary teo amoron’ny reniranon’i Olay aho tamin’izay. 3  Dia nijery aho, ka nahita ondrilahy iray+ nijoro teo akaikin’ilay renirano. Nanana tandroka roa+ izy io ary samy lava ireo tandroka ireo, saingy lava noho ny anankiray ny iray. Ilay lava kokoa anefa no nipoitra farany.+ 4  Ary hitako nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo ilay ondrilahy, ka tsy nisy bibidia nahavita nijanona teo anatrehany. Tsy nisy nahavonjy an’izay resiny* koa.+ Nanao izay tiany izy, sady nanambony tena. 5  Ary mbola nijery aho, dia hitako fa nisy osilahy iray+ avy any andrefana.* Dia nitety ny tany manontolo izy io nefa tsy nitehi-tany. Ary nisy tandroka iray nisongadina be teo anelanelan’ny masony.+ 6  Dia iny ilay osilahy fa nanatona an’ilay ondrilahy manana tandroka roa, izay hitako nijoro teo amoron’ilay renirano. Nihazakazaka nanatona an’ilay ondrilahy izy, sady romotry ny hatezerana. 7  Hitako nanakaiky an’ilay ondrilahy ilay osilahy, sady tezitra be taminy. Dia nanoto an’ilay ondrilahy izy, ka tapaka ny tandrok’ilay ondrilahy, dia izy anankiroa. Tsy nanana hery hanoherana azy ilay ondrilahy, ka nazerany tamin’ny tany sady nohitsakitsahiny. Ary tsy nisy nahavonjy an’ilay ondrilahy avy teny an-tanany. 8  Ary nanambony tena loatra ilay osilahy, kanjo raha vao natanjaka izy, dia tapaka ilay tandroka ngezabe. Dia nisy tandroka efatra nipoitra nisolo azy io. Nisongadina be ireo tandroka ireo, ary nitodika tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra.+ 9  Ary nisy tandroka kely iray nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireo tandroka ireo. Dia lasa ngezabe izy io, ka nitodika nianatsimo sy niantsinanana* ary tany amin’ilay Tany Kanto.*+ 10  Lasa ngezabe mihitsy ilay izy, ka nipaka hatrany amin’ny tafiky ny lanitra. Dia nazerany tamin’ny tany ny sasany tao amin’izany tafika izany, sy ny kintana sasany, ka nohitsakitsahiny. 11  Nanambony tena ilay izy, ka na ny Andrianan’ny tafika aza nianjonanjonany. Nesorina tamin’io Andriana io koa ny fanatitra atolotra tsy tapaka, ary narodana ilay toerana masina efa nataony mafy orina.+ 12  Ary noho ny fandikan-dalàna, dia navela hanjakazakan’ilay tandroka ny tafika iray, ary natsahatra ny fanatitra atolotra tsy tapaka. Natsipin’ilay tandroka tamin’ny tany koa ny fahamarinana, ary nanao araka izay sitrapony izy sady nahomby. 13  Dia naheno anjely iray niteny aho, ary nisy anjely anankiray koa niteny tamin’io anjely io hoe: “Fa hitohy mandra-pahoviana ny zava-mitranga voalazan’ilay fahitana momba ny fanatitra atolotra tsy tapaka, sy momba ny fandikan-dalàna mahatonga faharavana?+ Mandra-pahoviana koa no hohitsakitsahina ny toerana masina sy ny tafika?” 14  Dia hoy izy tamiko: “Mandra-pahatapitry ny 2 300 andro.* Avy eo dia haverina amin’ny laoniny tokoa ilay toerana masina.” 15  Tamin’izaho Daniela mbola nijery an’ilay fahitana ka niezaka hahazo ny dikany, dia tampoka teo dia nahita hoatran’ny lehilahy nijoro teo anatrehako aho. 16  Avy eo dia naheno feon’olona teo afovoan’ny reniranon’i Olay+ aho, niantsoantso hoe: “Ry Gabriela ô,+ mba ampahafantaro azy ny dikan’ilay zavatra hitany.”+ 17  Nankeo akaikin’ilay nijoroako àry i Gabriela. Rehefa tonga teo anefa izy, dia natahotra mafy aho ka niankohoka. Dia hoy izy: “Tsara ho fantatrao, ry zanak’olona, fa ho tanteraka amin’ny fotoanan’ny farany ilay fahitana.”+ 18  Raha mbola niresaka tamiko anefa izy, dia renoky ny torimaso aho, ka nihohoka tamin’ny tany. Nokasihiny àry aho, ka natsangany teo amin’ilay nijoroako.+ 19  Hoy izy avy eo: “Hampahafantariko anao izay hitranga any amin’ny faran’ny fotoana anamparan’Andriamanitra ny hatezerany,* satria ho tanteraka amin’ny fotoana voatondro, amin’ny fotoanan’ny farany, ilay fahitana.+ 20  “Ilay ondrilahy manana tandroka roa hitanao, dia ny mpanjakan’i Media sy Persa.+ 21  Ilay osilahy lava volo indray dia ny mpanjakan’i Gresy,+ ary ilay tandroka ngezabe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.+ 22  Ary ilay tandroka tapaka ka nisy efatra nipoitra nisolo azy,+ dia midika hoe hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny fireneny, saingy tsy hitovy hery aminy. 23  “Ary rehefa hifarana ny fanjakan’izy ireo, fa efa tafahoatra loatra* ny ataon’ny mpandika lalàna, dia hisy mpanjaka iray masiaka endrika hitsangana. Tena mahay mamorona tetika* io mpanjaka io. 24  Ho lasa matanjaka be izy io, nefa tsy noho ny herin’ny tenany. Handravarava tsy misy hoatr’izany* izy. Hahomby izy sady ho vitany tsara izay ataony. Dia hataony mitondra faisana ny matanjaka sy ny olona masina.+ 25  Fetsifetsy izy ka hampiasa fitaka, satria tiany hahomby izay ataony. Hirehareha be koa izy ao am-pony ao. Ary amin’ilay fotoana mampilamina ny tany iny izy no* handravarava ny maro. Na ilay Andrianan’ny andriana aza ho sahiny hotoherina, ka ho torotoro izy nefa tsy hisy tanan’olona hamely azy akory. 26  “Marina ilay fahitana momba ny fanatitra takariva sy maraina. Tazòny ho tsiambaratelo anefa ilay fahitana, satria mbola afaka andro maro* vao ho tanteraka izany.”+ 27  Dia reraka be izaho Daniela ka narary andro vitsivitsy.+ Niarina aho avy eo, ka niasa ho an’ny mpanjaka,+ nefa hoatran’ny mbola tsy tonga saina aho noho ilay zavatra hitako. Ary tsy nisy nahazo ny dikan’ilay fahitana.+

Fanamarihana

Na: “Tao amin’ny trano voaro mafy tao.”
Na: “Sosa.”
Abt: “teny an-tanany.”
Na: “any amin’ny filentehan’ny masoandro.”
Na: “tany amin’ny fiposahan’ny masoandro.”
Na: “tany amin’ilay Ravaka.”
Abt: “takariva sy maraina.”
Na: “faran’ny fanamelohana; faran’ny fanasaziana.”
Na: “mahatratra ny fetrany.”
Na: “Mahay ny dikan’ny teny mamitaka.”
Na: “Handripadripaka be.”
Na mety hoe “Ary tsy hampitandrina akory izy dia.”
Na: “mbola any aoriana be any.”