Daniela 9:1-27

  • Niaiky ny fahotan’ny Israely tao amin’ny vavaka i Daniela (1-19)

    • Haharitra 70 taona ny faharavan’ilay tanàna (2)

  • Nankeo amin’i Daniela i Gabriela (20-23)

  • Fitopolo herinandro (24-27)

    • Ho tonga ny Mesia rehefa afaka 69 herinandro (25)

    • Hovonoina ny Mesia (26)

    • Horavana ilay tanàna sy ny toerana masina (26)

9  Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy,+ zanak’i Ahasoerosy, taranaky ny Medianina, izay notendrena ho mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny Kaldeanina,+ 2  tamin’ny taona voalohany nanjakany, dia nandinika an’izay voalaza ao amin’ny boky* izaho Daniela. Lasa fantatro ny isan’ny taona haharava an’i Jerosalema,+ izay efa nolazain’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany. Fantatro àry fa 70 taona izany.+ 3  Koa nitodika tany amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, aho ka nivavaka sy nitalaho taminy. Nifady hanina+ sy niakanjo gony aho tamin’izay, dia nihosin-davenona. 4  Nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitro aho, ka nibaboka hoe: “Jehovah ô, Andriamanitra tena miavaka sady mendrika hatahorana ianao! Manaja ny fifanekena nataonao ianao, ka izay tia anao sy mankatò ny didinao+ no tianao sady tsy ivadihanao.+ 5  Efa nanota izahay, ka nanao fahadisoana sy nanao ratsy ary nikomy.+ Tsy nanaraka ny didinao sy ny didim-pitsaranao intsony izahay. 6  Tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao,+ nefa tamin’ny anaranao no nitenenany tamin’ny mpanjakanay, ny andriananay, ny razambenay, ary ny vahoaka manontolo. 7  Ianao no manao ny rariny, Jehovah ô, fa izahay kosa menatra.* Menatra izahay mponin’i Joda sy Jerosalema ary ny Israely rehetra izao, na ny lavitra na ny akaiky, dia izay any amin’ny tany rehetra nanaparitahanao an-dry zareo noho izy nivadika taminao.+ 8  “Jehovah ô, menatra izahay!* Menatra izahay sy ny mpanjakanay sy ny andriananay ary ny razambenay, satria efa nanota taminao. 9  Mamindra fo sy mamela heloka ianao, ry Jehovah Andriamanitray ô,+ nefa nikomy taminao izahay.+ 10  Tsy nankatò ny teninao izahay, ry Jehovah Andriamanitray, ka tsy nanaraka ny lalàna nomenao anay tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanomponao.+ 11  Nandika ny Lalànao daholo ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao. Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy mpanomponao,+ satria nanota taminao izahay. 12  Notanterahinao ny teny nanamelohanao anay+ sy ny mpitondra nitondra anay.* Koa nandefasanao loza lehibe izahay, ary mbola tsy nisy loza hoatran’ny nanjo an’i Jerosalema+ mihitsy na taiza na taiza tetỳ ambanin’ny lanitra. 13  Nihatra taminay izany loza rehetra izany,+ araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Mbola tsy nitalaho famindram-po taminao* ihany anefa izahay, ry Jehovah Andriamanitray, ka tsy nibebaka tamin’ny fahadisoanay,+ sady tsy niezaka hahalala ny fahamarinanao.* 14  “Koa niandry foana ianao, Jehovah ô, dia farany nandefa loza taminay. Manao ny rariny amin’izay rehetra ataonao mantsy ianao, ry Jehovah Andriamanitray, saingy tsy nankatò ny teninao izahay.+ 15  “Ry Jehovah Andriamanitray ô, efa nitondra ny vahoakanao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny tanana matanjaka ianao,+ ary nataonao nalaza ny anaranao hatramin’izao androany izao.+ Efa nanota sy nanao ratsy izahay. 16  Jehovah ô, nanao ny rariny foana ianao.+ Koa enga anie ianao mba tsy ho tezitra na hisafoaka intsony amin’i Jerosalema tanànanao sy tendrombohitrao masina! Fa noho ny fahotanay sy ny fahadisoan’ny razambenay no nahatonga an’i Jerosalema sy ny vahoakanao holatsain’izay rehetra manodidina anay.+ 17  Mba henoy izao vavaka sy fitalahoan’ny mpanomponao izao, ry Andriamanitray ô! Ary noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mba manaova soa amin’ny toeranao masina+ efa rava.+ 18  Enga anie ianao mba hanongilan-tsofina ka hihaino, ry Andriamanitro ô! Mba sokafy ny masonao ka jereo tsara fa rava ilay tanàna nantsoina tamin’ny anaranao. Fa tsy noho izahay nanao ny tsara no italahoanay aminao, fa noho ianao be famindram-po.+ 19  Mba mihainoa, Jehovah ô! Mamelà heloka re,+ Jehovah ô! Mihainoa ka manaova zavatra, Jehovah ô! Aza ela, ry Andriamanitro ô, noho ny anaranao, fa nantsoina tamin’ny anaranao ny tanànanao sy ny vahoakanao.”+ 20  Raha mbola niteny sy nivavaka ary niaiky ny fahotako sy ny fahotan’ny Israely fireneko aho, sady nitalaho famindram-po teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitro momba ny tendrombohitra masin’ilay Andriamanitro,+ 21  ary raha mbola nivavaka aho, dia nankeo amiko ilay lehilahy atao hoe Gabriela,+ izay efa hitako tao amin’ilay fahitana teo aloha.+ Tokotokony ho tamin’ny fotoana fanaovana ny fanatitra takariva tamin’izay, ary tena reraka be aho. 22  Dia nanampy ahy hahazo ny dikan’ny zava-drehetra izy, ka niteny hoe: “Ry Daniela ô, tonga aho mba hanampy anao hahafantatra sy hahazo tsara kokoa ny dikan’ny zava-drehetra. 23  Vao nanomboka nitalaho ianao, dia nirahina aho ka tonga hilaza aminao izao hafatra izao, satria tena sarobidy* ianao.+ Koa diniho izay holazaiko aminao, dia fantaro ny dikan’ilay fahitana. 24  “Fitopolo herinandro* no atokana ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina,+ mba hofaranana ny fandikan-dalàna, hatsahatra ny ota,+ havela ny fahadisoana,+ hatao maharitra mandrakizay ny fahamarinana,+ hasiana tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana,*+ ary hotokanana* ny Masina Indrindra.* 25  Tokony ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hoe haverina amin’ny laoniny sy haorina indray i Jerosalema,+ ka mandra-pahatongan’ny Mesia*+ Mpitarika,+ dia hisy 7 herinandro sy 62 herinandro.+ Haverina amin’ny laoniny sy haorina indray i Jerosalema, sady hasiana tany malalaka sy hady.* Amin’ny fotoan-tsarotra anefa no hanaovana an’izany. 26  “Aorian’ireo 62 herinandro ireo, dia hovonoina ny Mesia,+ ka tsy hanana na inona na inona intsony.+ “Handrava an’ilay tanàna sy ny toerana masina ny tafiky ny mpitarika iray ho avy.+ Ary ho vita hatreo ny amin’izy io,* fa hisy tondra-drano. Hisy ady mandra-pahatongan’ny farany, ary hisy fandravana, araka ny didy navoaka.+ 27  “Ary hataony manan-kery ho an’ny olona maro mandritra ny herinandro ilay fifanekena. Rehefa misasaka io herinandro io, dia hofaranany ny sorona sy fanatitra atao fanomezana.+ “Ary hoentin’ny elatry ny zava-maharikoriko ilay mpandrava.+ Hampiharina amin’ilay efa rava koa ny didim-pitsarana, mandra-pahatongan’ny fandringanana tanteraka.”

Fanamarihana

Izany hoe ny boky masina.
Abt: “fa anay ny henatry ny tarehy.”
Abt: “anay ny henatry ny tarehy.”
Abt: “mpitsara nitsara anay.”
Abt: “tsy nampitony ny tarehinao.”
Na: “ny tsy fivadihanao.”
Na: “tena tiana; tena misy vidiny.”
Abt: “mpaminany.”
Abt: “ny Masin’ny Masina.”
Abt: “hohosorana.”
Izany hoe herinandron-taona, ka 7 taona ny herinandro 1.
Na: “Voahosotra.”
Na: “lakandrano.”
Azo inoana hoe ilay toerana masina.