Deoteronomia 16:1-22

16  “Aoka hotandremana ny volana Abiba.+ Ary ankalazao ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitrao,+ satria tamin’ny volana Abiba no namoahan’i Jehovah Andriamanitrao anao avy tany Ejipta, tamin’ny andro alina.+  Vonoy any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah hampitoerana ny anarany,+ ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitrao,+ izay alaina avy amin’ny ondry aman’osy na omby.+  Aza mihinana zavatra misy lalivay miaraka amin’izany, mandritra ny fito andro.+ Mofo tsy misy lalivay, mofom-pahoriana, no hohaninao miaraka aminy, satria maika be no nivoahanao avy tany Ejipta.+ Amin’izay dia hotsaroanao mandritra ny androm-piainanao ny andro nivoahanao avy tany Ejipta.+  Tsy tokony hahitana lalivay ao aminao, sy ao amin’ny faritaninao rehetra, mandritra ny fito andro.+ Ary aza misy tehirizina mandritra ny alina mandra-maraina ny hena hataonao sorona+ amin’ny takarivan’ny andro voalohany.  Tsy azonao vonoina any amin’ireo tanàna omen’i Jehovah Andriamanitrao anao ny Paska,  fa any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerana ny anarany+ no hamonoanao ny Paska, amin’ny takariva vao maty masoandro,+ amin’ny fotoana voatondro, izany hoe ilay fotoana nivoahanao avy tany Ejipta.  Ary hatsatsikao any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao+ ny sorona, ka hohaninao+ any. Dia modia any an-tranolainao amin’ny maraina.  Enina andro no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriambe manetriketrika ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Koa aza manao asa na inona na inona.  “Manisà fito herinandro, ka manomboka amin’ny fotoana voalohany ampiasana ny antsy fijinjana mba hijinjana ny vokatra eny an-tsaha no hanisanao izany.+ 10  Dia ankalazao ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny fetin’ireo herinandro,+ ka ento ny fanatitra an-tsitrapo hatolotrao, araka izay hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 11  Ary hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao,+ any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerana ny anarany,+ ianao sy ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy sy ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao sy ny Levita ao an-tanànanao mbamin’ny mpivahiny+ sy ny kamboty ray+ ary ny mpitondratena+ eo aminao. 12  Tsarovy fa andevo tany Ejipta ianao,+ ka tandremo sy araho ireo fitsipika+ ireo. 13  “Fito andro no hankalazanao ny fetin’ny trano rantsankazo,+ rehefa manangom-bokatra avy eny am-pamoloana sy avy amin’ny famiazan’olivanao sy ny famiazam-boalobokao ianao. 14  Ary hifaly mandritra ny fety ianao+ sy ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy sy ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao sy ny Levita mbamin’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ao an-tanànanao. 15  Fito andro no hankalazanao ny fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitrao any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah, satria hitahy anao i Jehovah Andriamanitrao,+ ka hotahiny ny vokatrao rehetra sy izay rehetra ataon’ny tananao, ka dia hifaly tokoa+ ianao. 16  “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’izay toerana hofidiny:+ Amin’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay,+ sy ny fetin’ireo herinandro,+ ary ny fetin’ny trano rantsankazo.+ Aoka tsy hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehan’i Jehovah.+ 17  Tokony ho arakaraka ny habetsahan’ny fitahiana nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao ny fanomezana hoentin’ny tsirairay.+ 18  “Mametraha mpitsara+ sy mpiadidy+ ho anao eo amin’ny vavahadinao, ao amin’izay tanàna rehetra omen’i Jehovah Andriamanitrao anao araka ny fokonao. Ary hitsara ny olona araka ny rariny ireo. 19  Aza manao fitsarana miangatra,+ ary aza mizaha tavan’olona.+ Aza mandray kolikoly, fa manajamba ny mason’ny hendry+ sady mamadika ny tenin’olo-marina ny kolikoly. 20  Ny rariny, eny, ny rariny ihany no katsaho,+ mba ho velona ianao ka ho lasa fanananao ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 21  “Aza mamboly hazo, na inona na inona, mba hatao tsato-kazo masina eo akaikin’ny alitaran’i Jehovah Andriamanitrao izay hataonao ho anao.+ 22  “Aza manao tsangambato masina+ ho anao, fa zavatra tena halan’i Jehovah Andriamanitrao+ izany.

Fanamarihana