Deoteronomia 18:1-22

18  “Tsy hisy anjara na lova eo amin’ny Israely ho lasa fananan’ny mpisorona sy ny Levita, izany hoe ny fokon’i Levy manontolo.+ Ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, eny, ny anjaran’Andriamanitra no hohanin’izy ireo.+  Koa tsy hisy lova eo amin’ny rahalahiny ho lasa fananany, fa i Jehovah no lovany,+ araka izay nolazainy taminy.  “Izao no zon’ny mpisorona ka tokony homen’ny vahoaka azy foana, rehefa mamono biby hatao sorona, na omby na ondry: Homena azy ny soroka sy ny valanorano ary ny vavony.  Omeo azy koa ny voaloham-bokatry ny varimbazahanao, sy ny divainao vaovao, sy ny menakao,+ ary ny santatry ny volonondrinao vao avy nohetezana.  Izy mantsy no nofidin’i Jehovah Andriamanitrao avy teo amin’ny fokonao rehetra mba hitsangana hanompo foana amin’ny anaran’i Jehovah, eny, izy sy ny zanany.+  “Raha miainga ao amin’ny iray amin’ny tanànanao manerana an’i Israely, avy any amin’izay nipetrahany vetivety,+ ny Levita ka mankany amin’izay toerana hofidin’i Jehovah,+ satria maniry mafy ho any,  dia hanompo amin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny koa izy, sahala amin’ny Levita rahalahiny rehetra izay mitsangana eo anatrehan’i Jehovah+ any.  Hahazo anjara hanina mitovy+ amin’ny an’ireo izy, ankoatra an’izay zavatra azony amin’ny fivarotany ny fananany navelan’ny razany.  “Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra manao ny zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena ireo.+ 10  Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo,+ na manao sikidy,+ na mampiasa herin’ny maizina,+ na mitady fambara,+ na mpilalao ody,+ 11  na mpilaza ozona famosaviana,+ na olona mankany amin’ny mpamoha angatra+ na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy,+ na olona manontany amin’ny maty.+ 12  Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo. Ary noho ireo zava-maharikoriko ireo no androahan’i Jehovah Andriamanitrao an’ireny olona ireny tsy ho eo anatrehanao.+ 13  Aoka ianao tsy hanan-tsiny eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.+ 14  “Nihaino an’ireny mpampiasa herin’ny maizina+ sy mpisikidy+ ireny mantsy ireo firenena horoahinao ireo. Fa ianao kosa tsy avelan’i Jehovah Andriamanitrao hanao toy izany.+ 15  Mpaminany avy eo aminao, avy eo amin’ny rahalahinao, eny, mpaminany toa ahy, no hotendren’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Izy no tokony hohenoinao.+ 16  Izany no valin’izay rehetra nangatahinao tamin’i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, tamin’ny andro namoriana ny fiangonana.+ Hoy mantsy ianao tamin’izay: ‘Aoka tsy handre ny feon’i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy ho hitako intsony io afo lehibe io, sao ho faty aho.’+ 17  Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Mety izany nolazainy izany.+ 18  Koa hanendry mpaminany ho azy aho, avy eo amin’ny rahalahiny, dia mpaminany toa anao.+ Ary hataoko eo am-bavany tokoa ny teniko,+ ka holazainy amin’izy ireo ny teny rehetra handidiako azy.+ 19  Ary izay tsy mihaino ny teniko izay holazainy amin’ny anarako, dia izaho mihitsy no hanao ampamoaka azy.+ 20  “‘Hovonoina ho faty ny mpaminany+ izay sahisahy ratsy miteny amin’ny anarako ka milaza zavatra tsy nasaiko nolazainy,+ na koa miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa.+ 21  Ary raha hoy ianao anakampo: “Ahoana no hahafantaranay izay teny tsy nolazain’i Jehovah?”+ 22  Raha miteny amin’ny anaran’i Jehovah ilay mpaminany, nefa tsy tanteraka na tsy marina ilay teny, dia tsy nolazain’i Jehovah ilay izy. Sahisahy ratsy ilay mpaminany nilaza izany.+ Koa aza matahotra azy.’+

Fanamarihana

A.b.t.: “mampandalo.”