Deoteronomia 19:1-21

19  “Rehefa aringan’i Jehovah Andriamanitrao ireo firenena+ tompon’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka efa voaroakanao izy ireo, ary mipetraka ao amin’ny tanànany sy ny tranony+ ianao,  dia manokàna tanàna telo ao amin’ilay tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao sy halainao ho fanananao.+  Amboary ny lalana mankany, ary zarao ho telo ilay faritany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho fanananao, ary any no handosiran’izay nahafaty olona.+  “Mahazo mandositra any ka ho velona izay nahafaty olona, raha nahafaty olona tsy nahy nefa tsy nankahala azy talohan’izay,+  na raha niaraka tamin’olona haka kitay tany an’ala ka rehefa nanainga famaky mba hikapa hazo, dia nitsoaka tamin’ny zaran’ilay famaky ny lelany vy,+ ary nahavoa an’ilay olona ka nahafaty azy. Handositra ho any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo ilay nahafaty olona, ka ho velona.+  Raha tsy izany dia hanenjika azy ny mpamaly ra,+ satria mbola mafana ny fony. Ary hahatratra azy izy satria lavitra ny lalana. Dia hamely azy* ho faty ilay mpamaly ra, na dia tsy voaheloka ho faty aza+ izy satria tsy nankahala an’ilay olona talohan’izay.  Izany no andidiako anao hoe: ‘Tanàna telo no atokàny.’+  “Ary raha halalahin’i Jehovah Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nianianany tamin’ny razanao,+ ary homeny anao daholo ilay tany nampanantenainy homena ny razanao,+  noho ianao mitandrina ny didy rehetra andidiako anao anio ary mankatò izany, ka tia an’i Jehovah Andriamanitrao sy mandeha mandrakariva amin’ny lalany,+ dia asio tanàna telo hafa ho fanampin’ireo telo ireo,+ 10  mba tsy hisy ran’olona tsy manan-tsiny+ ho latsaka eo amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, ary tsy ho meloka ho nandatsa-dra ianao.+ 11  “Fa raha misy kosa mankahala+ olona ary miafina mba hanafika sy hamely azy* ho faty ka mahafaty an’ilay olona,+ ary mandositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo, 12  dia handefa iraka ny anti-panahin’ny tanànany ka haka azy avy any, ary hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly ra, ka hovonoina ho faty izy.+ 13  Aoka tsy hiantra azy ny masonao,+ ary esory tsy ho amin’ny Israely ny fanamelohana ho nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny,+ mba hahita soa ianao. 14  “Aza ahemotra ny fetra mamaritra ny tanin’ny namanao,+ rehefa ho voafaritry ny razanao ny anjara lovanao ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao mba ho fanananao. 15  “Raha vavolombelona iray monja, dia tsy afaka mijoro hiampanga olona ny amin’ny fahadisoana na fahotana+ mety hataony, na inona izany na inona. Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hahamarim-pototra ilay raharaha.+ 16  Raha misy vavolombelona mitetika ny hanao ratsy ka mijoro hiampanga olona ho nikomy,+ 17  dia hitsangana eo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy manana ady, ka ho eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara am-perinasa amin’izany fotoana izany.+ 18  Dia hanadihady tsara ireo mpitsara,+ ka raha vavolombelona mandainga ilay olona, ary nanendrikendrika an’ilay rahalahiny, 19  dia ataovy aminy izay saika hataony tamin’ny rahalahiny.+ Ary esory tsy ho eo aminao ny ratsy.+ 20  Dia handre izany ny olon-kafa rehetra ka hatahotra ary tsy hanao ratsy toy izany intsony mihitsy eo aminao.+ 21  Aoka tsy hiantra azy ny masonao,+ fa aina ho solon’ny aina, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, ary tongotra ho solon’ny tongotra.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.