Deoteronomia 20:1-20

20  “Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka mahita soavaly sy kalesin’ady+ ary vahoaka maro noho ianao, dia aza matahotra azy. Momba anao mantsy i Jehovah Andriamanitrao+ izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.+  Koa rehefa manatona hiady ianareo, dia hankeny aminareo ny mpisorona mba hiresaka aminareo,+  ka hilaza hoe: ‘Mihainoa, ry Israely ô! Efa manatona hiady amin’ny fahavalonareo ianareo izao, koa aoka tsy ho ketraka ny fonareo.+ Aza matahotra na mikoropaka mandositra na mipararetra noho ny aminy,+  fa miara-mandeha aminareo i Jehovah Andriamanitrareo ka hiady amin’ny fahavalonareo ho anareo, mba hamonjena anareo.’+  “Hilaza amin’ny vahoaka koa ny mpiadidy+ hoe: ‘Iza no lehilahy nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokana azy? Aoka hody any an-tranony izy, sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hitokana ilay trano.+  Iza no lehilahy nanao tanimboaloboka, nefa mbola tsy nisantatra ny vokatra avy aminy? Aoka hody any an-tranony izy, sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hisantatra izany.+  Iza no lehilahy manana fofombady nefa mbola tsy nampakatra azy? Aoka hody any an-tranony izy,+ sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hampakatra an-dravehivavy.’  Hilaza amin’ny vahoaka koa ny mpiadidy hoe: ‘Iza no lehilahy kanosa na saro-tahotra?+ Aoka hody any an-tranony izy, sao hihorohoro toy ny fony koa ny fon’ny rahalahiny.’+  Ary rehefa avy milaza izany amin’ny vahoaka ny mpiadidy, dia hanendry lehiben’ny tafika hitarika ny vahoaka izy. 10  “Raha manatona hiady amin’ny tanàna iray ianao, dia lazao aminy aloha izay fepetra tsy hisian’ny ady.+ 11  Koa raha manaiky izy fa tsy hiady ary mamoha vavahady hidiranao, dia ho lasanao ny olon-drehetra ao amin’ilay tanàna, ary hoterena hanao fanompoana izy ka hanompo anao.+ 12  Raha tsy manaiky hihavana aminao kosa izy,+ fa te hiady aminao ka voatery hanao fahirano azy ianao, 13  dia hatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao ilay tanàna, ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra+ ao. 14  Ny zaza amam-behivavy ihany+ mbamin’ny biby fiompy+ sy ny zava-drehetra azo baboina ao amin’ilay tanàna, no halainao ho babo.+ Ary hano ny zavatra nobaboinao avy tamin’ny fahavalonao, izay natolotr’i Jehovah Andriamanitrao teo an-tananao.+ 15  “Toy izany no hataonao amin’ny tanàna rehetra lavitra be, izay tsy tanànan’ireto firenena ireto. 16  Aza avela hisy zavamiaina ho velona+ kosa ao amin’ny tanànan’ireto firenena ireto izay homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, 17  fa tsy maintsy haringanao tanteraka ny Hetita sy ny Amorita, ny Kananita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita,+ araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao, 18  sao hampianarin’izy ireo hanao hoatran’ny zava-maharikoriko rehetra fanaony tamin’ireo andriamaniny ianareo, ka hanota amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ 19  “Ary raha manao fahirano tanàna iray mandritra ny andro maro ianao, dia aza simbana ka kapaina amin’ny famaky ny hazo maniry ao. Aza tapahina ny hazo, fa hohaninao ny voany.+ Olona angaha moa ny hazo any an-tsaha no hataonao fahirano? 20  Izay hazo fantatrao hoe tsy fihinana ihany no hosimbanao ary hotapahinao ka hampiasainao hanaovana fahirano+ an’ilay tanàna miady aminao, mandra-paharesiny.

Fanamarihana