Deoteronomia 22:1-30

22  “Raha hitanao diso lalana ny ombin’ny rahalahinao na ny ondriny, dia aza ialana fotsiny+ fa tariho hiverina any amin’ny rahalahinao.+  Ary raha tsy eny akaikinao eny ny rahalahinao ka tsy fantatrao, dia ento mody any an-tranonao ilay biby, ka aoka ho ao aminao foana mandra-pitadin’ny rahalahinao azy. Dia avereno amin’ny rahalahinao ilay izy.+  Toy izany koa no hataonao amin’ny ampondran’ny rahalahinao, sy ny lamba fitafiny, ary izay fananany very ka hitanao. Aza ialana fotsiny ireny.  “Raha hitanao lavo eny an-dalana ny ampondran’ny rahalahinao na ny ombiny, dia aza ialana fotsiny. Ampio kosa ny rahalahinao hanarina azy.+  “Tsy azon’ny vehivavy anaovana ny fitafian-dehilahy. Ary ny lehilahy tsy tokony hanao fitafiam-behivavy.+ Maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao mantsy izay olona manao ireo zavatra ireo.  “Raha sendra mahita akanim-borona eny an-dalana ianao, na eny ambony hazo na eo amin’ny tany, ka misy zana-borona+ na atody omban-dreniny ao, dia aza alaina miaraka amin’ny zanany ny reniny.+  Alefaso ny reniny, fa azonao alaina kosa ny zanany. Dia hahita soa ianao sady ho lava andro iainana.+  “Asio arofanina ny tampon-trano+ raha manao trano vaovao ianao. Amin’izay dia tsy hahatonga trosan-dra amin’ny tranonao ianao. Mety hisy olona hianjera mantsy avy eny.  “Aza mamafy voa roa karazana+ eo amin’ny tanimboalobokao, sao alaina ho an’ny toerana masina daholo ny vokatra avy amin’ny voa afafinao sy ny vokatry ny tanimboalobokao. 10  “Aza ampiraisina zioga hiasa tany ny omby sy ny ampondra.+ 11  “Aza manao akanjo vita amin’ny volonondry sy rongony niara-notenomina.+ 12  “Asio vona ny zorony efatra amin’ny lamba fitafy isaloranao.+ 13  “Raha misy lehilahy maka vady ary manao firaisana amin-dravehivavy, nefa manjary mankahala azy+ 14  ka miampanga azy ho nanao zavatra tena ratsy, ary manala baraka+ azy hoe: ‘Ity ilay vehivavy nalaiko ho vady, nefa tsy hitako taminy ny porofo maha virjiny azy,+ rehefa nanao firaisana taminy aho’, 15  dia halain’ny rain-drazazavavy sy ny reniny ny porofo naha virjiny an-drazazavavy, ka hoentiny any amin’ny anti-panahin’ny tanàna, eny am-bavahadin’ny tanàna.+ 16  Ary hiteny amin’ny anti-panahy ny rain-drazazavavy hoe: ‘Nomeko ho vadin’io lehilahy io ny zanako vavy, nefa nanjary halany.+ 17  Ary izao izy dia miampanga azy ho nanao zavatra tena ratsy,+ ka milaza hoe: “Tsy nahitako ny porofo maha virjiny azy ny zanakao vavy.”+ Intỳ anefa ny porofo fa virjiny ny zanako.’ Dia hovelarin’izy ireo eo anatrehan’ny anti-panahin’ny tanàna ilay lamba fitafy. 18  Koa halain’ireo anti-panahin’ny+ tanàna ilay lehilahy, ka hofaiziny.+ 19  Hosazin’izy ireo handoa sekely volafotsy zato izy, ka hanome izany ho an’ny rain-drazazavavy, satria nanala baraka virjiny teo amin’ny Israely.+ Ary mbola ho vadiny ihany razazavavy, ka tsy azony isarahana mandritra ny androm-piainany. 20  “Raha marina anefa ilay fiampangana, ka tsy hita tamin-drazazavavy ny porofo maha virjiny azy,+ 21  dia havoaka ho eo amin’ny fidirana amin’ny tranon-drainy razazavavy, ary hitora-bato azy ho faty ny olona ao an-tanànany. Nanao hadalana manala baraka+ teo amin’ny Israely mantsy izy, satria nivaro-tena fony mbola tao an-tranon-drainy.+ Esory tsy ho eo aminao ny ratsy.+ 22  “Raha misy lehilahy tratra manao firaisana amim-behivavy vadin’olona,+ dia miaraka vonoina ho faty izy roa, na ilay lehilahy nanao firaisana tamin’ilay vehivavy na ilay vehivavy.+ Esory tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy.+ 23  “Raha misy zazavavy virjiny efa fofombadin’olona,+ ary misy lehilahy mahita azy ao an-tanàna ka manao firaisana aminy,+ 24  dia avoahy ho eny am-bavahadin’ilay tanàna izy roa ka torahy vato ho faty, satria razazavavy tsy niantsoantso mafy tao an-tanàna, ary ralehilahy kosa nampietry ny vadin’ny namany.+ Esory tsy ho eo aminao ny ratsy.+ 25  “Raha tany an-tsaha kosa no nahitan’ilay lehilahy an-drazazavavy izay efa fofombadin’olona, ary nisambotra azy izy ka nanao firaisana taminy, dia ilay lehilahy nanao firaisana taminy ihany no hovonoina ho faty. 26  Aza manao na inona na inona amin-drazazavavy, fa tsy nanao fahotana tokony hahafaty azy izy, satria mitovy ihany io raharaha io sy ny hoe misy olona mitsangana sy mamely ny namany ary mamono azy ka mahafaty azy.*+ 27  Tany an-tsaha mantsy no nahitan’ilay lehilahy an’ilay zazavavy efa fofombadin’olona, ary niantsoantso mafy izy, fa tsy nisy olona hamonjy azy tany. 28  “Raha misy lehilahy mahita zazavavy virjiny mbola tsy fofombadin’olona, ary misambotra azy ka manao firaisana aminy+ ary tratra izy roa,+ 29  dia hanome sekely volafotsy dimampolo ho an’ny rain-drazazavavy ilay lehilahy nanao firaisana taminy.+ Ary ho lasa vadiny razazavavy satria efa nampietreny, ka tsy azony isarahana mandritra ny androm-piainany.+ 30  “Tsy misy lehilahy mahazo maka ny vadin-drainy, sao manainga ny akanjon-drainy izy.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.