Deoteronomia 24:1-22

24  “Raha misy lehilahy maka vady ka lasa fananany ravehivavy, izany hoe lasa vadiny, nefa manjary tsy mahazo sitraka aminy satria nahitany zavatra manafintohina,+ dia aoka izy hanao taratasy fisaraham-panambadiana+ ary hanolotra izany an-dravehivavy, ka handroaka azy hiala ao an-tranony.+  Dia hiala ao an-tranony ravehivavy ka handeha, ary ho lasa vadin’olon-kafa.+  Raha manjary mankahala azy koa ilay vadiny faharoa, ka manao taratasy fisaraham-panambadiana ary manolotra izany ho azy sady mandroaka azy hiala ao an-tranony, na raha maty ilay vadiny faharoa,  dia tsy mahazo maka azy ho vady intsony ilay vadiny voalohany izay nandroaka azy, satria efa voaloto izy.+ Zava-maharikoriko amin’i Jehovah mantsy izany, ka aza mampanota an’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.  “Raha misy lehilahy vao nampaka-bady,+ dia tsy tokony handeha hiantafika izy sady tsy tokony hampanaovina adidy hafa. Omena alalana tsy hiantafika izy fa ho ao an-tranony mandritra ny herintaona, ka hampifaly an’ilay vadiny+ vao avy nampakariny.  “Aoka tsy hisy haka vato fikosoham-bary ho antoka,+ na ny vato amboniny fotsiny aza, fa aina mihitsy no alainy ho antoka raha manao izany izy.  “Raha misy tratra maka olona* an-keriny,+ ka rahalahiny eo amin’ny zanak’Israely no nalainy, ary lozabe taminy izy ka nivarotra azy,+ dia hovonoina ho faty ilay naka an-keriny. Esory tsy ho eo aminao ny ratsy.+  “Mitandrema amin’ny habokana,+ ka tandremo tsara izay rehetra hampianarin’ny Levita mpisorona anareo.+ Araho tsara izay nandidiako+ azy ireo.  Aoka hotsarovana ny nataon’i Jehovah Andriamanitrao tamin’i Miriama teny an-dalana, rehefa nivoaka avy tany Ejipta+ ianareo. 10  “Raha mampisambotra ny namanao ianao, na inona na inona ampisamborinao azy,+ dia aza miditra ao an-tranony mba haka ny zavatra nomeny ho antoka.+ 11  Mijoroa eo ivelany, ary ilay olona nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho eo aminao. 12  Ary raha tra-pahasahiranana ilay olona, dia aza mandeha matory ianao raha mbola any aminao ilay antoka.+ 13  Tsy maintsy haverinao aminy ilay antoka raha vao milentika ny masoandro.+ Dia hoentiny matory ilay akanjony+ ary hitso-drano+ anao izy. Ho olo-marina eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao+ raha manao izany. 14  “Aza ambakaina ny mpikarama izay tra-pahasahiranana sady mahantra, na rahalahinao izy na vahiny monina ao an-tanànanao, ao amin’ny taninao.+ 15  Omeo androtr’iny ihany ny karamany,+ ka aza tazonina any aminao ho tratran’ny masoandro milentika, fa tra-pahasahiranana izy ka iny no andrandrainy. Sao mantsy izy hitaraina amin’i Jehovah momba anao,+ ka ho fahotana ho anao izany.+ 16  “Ny ray tsy tokony hovonoina ho faty noho ny fahotan’ny zanaka, ary ny zanaka tsy hovonoina ho faty noho ny fahotan’ny ray,+ fa hovonoina ho faty noho ny fahotany avy ny tsirairay.+ 17  “Aza manao fitsarana miangatra amin’ny mpivahiny+ na ny kamboty ray.+ Ary aza alaina ho antoka ny akanjon’ny mpitondratena.+ 18  Tsarovy fa efa mba andevo ihany ianao tany Ejipta, ary nanavotra anao avy tany i Jehovah Andriamanitrao.+ Izany no antony andidiako anao mba hanao izany. 19  “Raha mijinja ny vokatrao any an-tsaha ianao,+ ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka izany. Tokony havela ho an’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena izany.+ Dia hotahin’i Jehovah ianao amin’izay rehetra ataon’ny tananao.+ 20  “Raha mikapoka ny hazo olivanao ianao, dia aza iverenana indray ireo sampany. Tokony havela ho an’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ireny.+ 21  “Raha mioty ny voaloboka eny amin’ny tanimboalobokao ianao, dia aza miverina mioty izay sisa tavela. Tokony havela ho an’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ireny. 22  Ary tsarovy fa efa mba andevo ihany ianao tany Ejipta.+ Izany no antony andidiako anao mba hanao izany.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.