Deoteronomia 25:1-19

25  “Raha misy olona mifanditra+ ka tonga mba hotsaraina,+ dia hotsaraina tokoa izy ireo ka hambara ho marina izay marina, ary homelohina izay meloka.+  Ary raha tokony hokapohina ilay meloka,+ dia hasain’ny mpitsara ampandriana sy kapohina+ eo anatrehany izy, ka arakaraka ny ratsy nataony ny isan’ny kapoka.  Kapoka efapolo no hatao aminy fa tsy azo atao mihoatra na iray aza, sao kapohina imbetsaka noho ireo+ izy, ka ho lasa tsy misy vidiny eo imasonao ny rahalahinao.  “Aza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana.+  “Raha misy mpirahalahy miara-monina ary maty tsy nitera-dahy ny iray, dia tsy tokony ho lasa vadin’olon-kafa ny vady navelan’ny maty. Tokony handeha ho any amin-dravehivavy ny rahalahim-badiny, ary hampakatra azy ho vady ka hitondra loloha azy.+  Ary ny zaza voalohany hatera-dravehivavy aminy no hitondra ny anaran’ilay rahalahiny efa maty,+ mba tsy ho voakosoka tsy ho eo amin’ny Israely ny anarany.+  “Raha tsy tian-dralehilahy kosa ny hanambady ny vady navelan’ny rahalahiny, dia hiakatra ho eny am-bavahady ravehivavy, hankeny amin’ny anti-panahy+ ka hanao hoe: ‘Tsy mety mamelo-maso ny anaran’ny rahalahiny eo amin’ny Israely ny rahalahim-badiko. Tsy manaiky hitondra loloha ahy izy.’  Dia hiantso an-dralehilahy ireo anti-panahin’ny tanànany ka hiresaka aminy. Ary hitsangana izy, ka hanao hoe: ‘Tsy te hanambady azy aho.’+  Dia hanatona azy eo anatrehan’ny anti-panahy ny vady navelan’ny rahalahiny, ka hanala ny kapa eny an-tongotr’ilay lehilahy,+ ary handrora azy eo amin’ny tarehiny+ ka hiteny hoe: ‘Izany no hatao amin’ny lehilahy tsy manome taranaka ho an’ny rahalahiny.’+ 10  Ary ny anarana iantsoana an-dralehilahy eo amin’ny Israely dia hoe ‘Ny ankohonan’ilay nalana kapa.’ 11  “Raha misy roa lahy miady, ary avy ny vadin’ny anankiray mba hanafaka am-badiny eo an-tanan’ilay mamely azy, ary manatsotra ny tanany ravehivavy ka mandray an’ilay lehilahy avy eo amin’ny filahiany,+ 12  dia hotapahinao ny tanany. Aza miantra azy.+ 13  “Aoka ianao tsy hanana vatomizana roa karazana ao an-kitaponao,+ ka ny iray lehibe ary ny iray kely. 14  Aoka ianao tsy hanana efaha+ roa karazana ao an-tranonao, ka ny iray lehibe ary ny iray kely. 15  Vatomizana marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao. Ary efaha marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao, mba ho lava andro iainana ianao eo amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 16  Maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao mantsy izay rehetra manao ny tsy marina+ toy izany. 17  “Aoka hotsarovana izay nataon’i Amaleka taminao teny an-dalana, fony ianao nivoaka avy tany Ejipta.+ 18  Nivoaka hiady taminareo teny an-dalana izy ireo, ka namely an’ireo olona tany aoriana izay nitaredretra tany afara, rehefa reraka be sy sasatra ianareo. Tsy natahotra an’Andriamanitra+ izy. 19  Koa tokony hofafanao tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana ny Amalekita,+ rehefa ataon’i Jehovah Andriamanitrao mandry feizay eo anivon’ny fahavalonao rehetra manodidina ianao, ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,+ mba halainao ho fanananao. Aza hadinoinao izany.

Fanamarihana