Deoteronomia 27:1-26

27  Nandidy ny olona koa i Mosesy sy ny anti-panahin’ny Israely hoe: “Aoka hotandremana ny didy rehetra andidiako anareo anio.+  Ary amin’ny andro hiampitanao an’i Jordana+ mba ho any amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory fotsy amin’ny sokay.  Soraty eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin’ity lalàna+ ity rehefa tonga eny ampita ianao,+ mba hidiranao ao amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny razanao taminao.+  Ary rehefa tafita an’i Jordana ianareo, dia atsangano eo amin’ny Tendrombohitra Ebala+ ireo vato ireo, araka izay andidiako anareo anio, ka lalory fotsy amin’ny sokay.+  Eo koa no anoreno alitara vato ho an’i Jehovah Andriamanitrao, ka aza ampiasana fitaovana vy ireo vato.+  Vato tsy voapaika no hanaovanao ny alitaran’i Jehovah Andriamanitrao, ary manolora fanatitra dorana eo amboniny ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+  Ary manolora sorona iombonana,+ ka hano eo+ izany. Ary hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao.+  Soraty eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin’ity lalàna+ ity, ka ataovy mazava tsara.”+  Dia hoy i Mosesy sy ny Levita mpisorona tamin’ny Israely rehetra: “Ry Israely ô, mangìna ary mihainoa! Lasa vahoakan’i Jehovah Andriamanitrao ianao androany.+ 10  Koa henoy ny feon’i Jehovah Andriamanitrao, ary ankatoavy ny didiny+ sy ny fitsipiny+ izay andidiako anao anio.” 11  Nandidy ny olona koa i Mosesy tamin’izay andro izay hoe: 12  “Rehefa tafita an’i Jordana ianareo, dia ireto avy no hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima+ mba hanonona fitahiana ho an’ny olona: I Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Josefa ary Benjamina. 13  Ary ireto kosa no hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ebala+ hanonona ozona:+ I Robena, Gada sy Asera ary Zebolona, Dana sy Naftaly. 14  Ary hiteny mafy amin’ny Israelita rehetra ny Levita hoe:+ 15  “‘Voaozona izay manao sary sokitra,+ na sarivongana metaly,+ dia zava-maharikoriko amin’i Jehovah+ sady asa tanan’ny mpanao asa hazo sy asa vy,+ eny, voaozona izay mametraka izany ao amin’ny miafina.’ Ary ny olona rehetra hamaly hoe: ‘Amena!’*+ 16  “‘Voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 17  “‘Voaozona izay mampihemotra ny fetra mamaritra ny tanin’ny namany.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 18  “‘Voaozona izay mahatonga ny jamba ho diso lalana.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 19  “‘Voaozona izay manao fitsarana+ miangatra+ amin’ny mpivahiny+ sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 20  “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny vadin-drainy, satria manainga ny akanjon-drainy izy.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 21  “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny biby.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 22  “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny anabaviny, na amin’ny zanakavavin-drainy na amin’ny zanakavavin-dreniny.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 23  “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny rafozambaviny.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 24  “‘Voaozona izay mamely avy ao amin’ny toeram-piafenany ka mahafaty olona.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 25  “‘Voaozona izay mandray kolikoly mba hamonoana olona* ho faty, ka mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’ 26  “‘Voaozona izay tsy mampanan-kery ny teny ato amin’ity lalàna ity sy tsy mankatò izany.’+ Ary ny olona rehetra hanao hoe: ‘Amena!’

Fanamarihana

Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.