Deoteronomia 28:1-68

28  “Raha tena mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka mitandrina tsara ny didiny rehetra andidiako anao anio,+ dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambony noho ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany ianao.+  Ary ho tonga aminao ireto fitahiana rehetra ireto ka hahatratra anao,+ satria mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao foana ianao:  “Hotahina ianao na ao an-tanàna+ na any an-tsaha.+  “Hotahina izay aloaky ny kibonao,+ sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanaky ny biby fiompinao,+ na ny omby na ny ondry aman’osy.+  “Hotahina ny haronao+ sy ny vilia famolavolanao koba.+  “Hotahina ianao na miditra na mivoaka.+  “Hataon’i Jehovah resy eo anoloanao ny fahavalonao+ izay mitsangana hiady aminao. Lalana iray no hivoahany hiady aminao, fa lalana fito kosa no handosirany eo anoloanao.+  Handidy ny hitahiana ny fitehirizam-bokatrao+ sy izay rehetra ataonao+ i Jehovah, ka hotahiny tokoa ianao eo amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao.  Hataon’i Jehovah vahoaka masina ho an’ny tenany ianao,+ araka izay nianianany taminao,+ satria mitandrina foana ny didin’i+ Jehovah Andriamanitrao ianao, sady mandeha amin’ny lalany. 10  Dia ho hitan’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany fa antsoina eo aminao ny anaran’i Jehovah,+ ka hatahotra anao tokoa izy ireo.+ 11  “Ary hataon’i Jehovah ambinin-java-tsoa ianao, ka ho maro ny aloaky ny kibonao+ sy ny zanaky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao,+ eo amin’ilay tany nianianan’i Jehovah tamin’ny razanao homena anao.+ 12  Hosokafan’i Jehovah ho anao ny fitehirizam-bokatra tsara, dia ny lanitra, mba handatsahany orana amin’ny fotoanany eo amin’ny taninao+ sy mba hitahiany izay rehetra ataon’ny tananao.+ Dia hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.+ 13  Ary hataon’i Jehovah lohany ianao fa tsy rambony. Ary ho eny amin’ny fara tampony foana ianao,+ fa tsy ho eny amin’ny farany ambany, satria ianao mankatò hatrany ny didin’i+ Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio mba hotandremana sy hankatoavina. 14  Aza miala amin’ny teny rehetra andidiako anareo anio, ka mivily miankavanana na miankavia,+ mba hanaraka andriamani-kafa sy hanompo+ an’ireny. 15  “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mitandrina tsara ny didiny rehetra sy ny lalàny izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao ireto ozona rehetra ireto, ka hahatratra anao:+ 16  “Ho voaozona ianao na ao an-tanàna+ na any an-tsaha.+ 17  “Ho voaozona ny haronao+ sy ny vilia famolavolanao koba.+ 18  “Ho voaozona izay aloaky ny kibonao,+ sy ny vokatry ny taninao,+ sy ny zanaky ny omby sy ny ondry aman’osinao.+ 19  “Ho voaozona ianao na miditra na mivoaka.+ 20  “Amin’izay rehetra ataonao ka iezahanao hotanterahina, dia ozona no halefan’i Jehovah aminao,+ ary hataony misahotaka+ ianao sady hoteneniny mafy,+ mandra-pahalany ringana anao sy mandra-paharipakao haingana. Nanao ratsy mantsy ianao rehefa nahafoy ahy.+ 21  Hataon’i Jehovah miraikitra aminao ny areti-mandringana mandra-pandripak’Andriamanitra anao tanteraka tsy ho eo amin’ilay tany halehanao mba halainao ho fanananao.+ 22  Ary hasian’i Jehovah amin’ny tioberkilaozy+ sy ny fanaviana mahery sy ny hoditra mitera-mena sy ny hafanana mivaivay sy ny sabatra+ ianao, ary hataony mainan’ny rivotra mahamay+ sy tratran’ny aretin-javamaniry ny volinao.+ Dia hanenjika anao tokoa izany mandra-paharipakao. 23  Ho varahina ny lanitra eo ambony lohanao, ary ho vy ny tany+ eo ambany tongotrao. 24  Fasika sy vovoka no ranonorana harotsak’i Jehovah eo amin’ny taninao, ary hilatsaka avy any an-danitra izany mandra-pahalany ringana anao. 25  Hataon’i Jehovah resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao.+ Lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany. Ary ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra eran-tany rehefa mahita izay nanjo anao.+ 26  Hihinana ny fatinao ny voro-manidina rehetra eny amin’ny lanitra sy ny bibidia, ary tsy hisy hampangovitra an’ireny.+ 27  “Hasian’i Jehovah amin’ny vain’i Ejipta+ sy ny hemoroida sy ny aretin-koditra mitera-mena ary ny aretin-koditra mibontsimbontsina ianao, ka tsy ho sitrana amin’ireny mihitsy. 28  Ary hataon’i Jehovah lasa adala+ sy jamba+ ary very hevitra+ ianao. 29  Ary hitsapatsapa tokoa ianao na dia amin’ny mitataovovonana aza, tahaka ny jamba mitsapatsapa ao anaty haizina,+ ka tsy hahomby izay hataonao. Dia hambakain’ny sasany sy ho voaroba foana ianao, nefa tsy hisy hamonjy.+ 30  Hanana fofombady ianao, nefa hisy lehilahy hafa hametaveta azy.+ Hanao trano ianao, nefa tsy hipetraka ao,+ ary hanao tanimboaloboka ianao, nefa tsy hisantatra ny vokatra.+ 31  Hovonoina eo imasonao ny ombinao, nefa tsy hihinana ny henany ianao. Hangalarina eo anatrehanao ny ampondranao, nefa tsy hiverina aminao. Homena ho an’ny fahavalonao ny ondrinao, nefa tsy hisy hamonjy anao.+ 32  Homena ho an’ny firenen-kafa ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ ka hipitrapitra ny masonao sady te hahita azy ireo foana, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.+ 33  Hohanin’ny firenen-kafa tsy fantatrao ny vokatry ny taninao sy izay rehetra novokarinao.+ Ary hambakain’ny sasany sy hampahorina mafy foana ianao.+ 34  Ary ho lasa adala tokoa ianao noho izay ho hitan’ny masonao.+ 35  “Hasian’i Jehovah amin’ny vay mampanaintaina be ianao eo amin’ny lohalikao roa sy ny tongotrao roa, ary hatrany an-tampon-dohanao ka hatrany am-paladianao. Tsy ho sitrana amin’izany mihitsy ianao.+ 36  Ary halefan’i Jehovah+ hankany amin’ny firenena tsy fantatrao, sady tsy fantatry ny razanao, ianao sy ny mpanjaka+ izay hapetrakao hifehy anao. Hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo ianao any.+ 37  Dia higagan’ny olona+ ianao, sady hataony teny fanarabiana+ sy teny fanesoana eo amin’ny firenena rehetra hitondran’i Jehovah anao. 38  “Be dia be ny voa hoentinao hafafy any an-tsaha, fa kely ny vokatra hangoninao,+ satria ho lanin’ny valala izany.+ 39  Hanao tanimboaloboka sy hikarakara izany tokoa ianao, nefa tsy hisotro divay na dia kely aza sady tsy hioty na inona na inona,+ satria ho lanin’ny kankana izany.+ 40  Hanana hazo oliva ianao manerana ny taninao, nefa tsy hihoso-menaka satria hihintsana ny olivanao.+ 41  Hitera-dahy sy hitera-bavy ianao, nefa tsy ho anao foana izy ireo satria ho lasa babo.+ 42  Hanjakan’ny bibikely mifanaretsaka ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao. 43  Ary hisondrotra ho ambony kokoa noho ianao foana ny vahiny monina eo aminao, fa ianao kosa hietry ho ambany kokoa foana.+ 44  Izy no hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy.+ Izy ho lohany, fa ianao kosa ho rambony.+ 45  “Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo+ ary hanenjika anao ka hahatratra anao mandra-pahalany ringana anao,+ satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tsy nitandrina ny didiny sy ny lalàny izay nandidiany anao.+ 46  Ho famantarana sy fambara eo aminao sy eo amin’ny taranakao foana ireo, mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ 47  satria ianao tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny fifaliana sy faharavoam-po,+ nefa ianao nanam-be tamin’ny zava-drehetra.+ 48  Hanompo ny fahavalonao+ izay halefan’i Jehovah hiady aminao ianao, na dia noana+ sy mangetaheta aza, sady mitanjaka sy tsy manana na inona na inona. Ary hasiany zioga vy eo amin’ny vozonao, mandra-pandringany tanteraka anao.+ 49  “Hampirisihin’i Jehovah hiady aminao ny firenena avy any lavitra,+ avy any amin’ny faran’ny tany, izay toy ny voromahery mifaoka tampoka,+ dia firenena tsy ho azonao ny fiteniny,+ 50  sady masiaka endrika,+ izay tsy hiantra ny lahiantitra na ho tsara fanahy amin’ny tovolahy.+ 51  Ary hohanin’izy ireo tokoa ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-pahalany ringana anao,+ ary tsy hisy havelany ho anao na varimbazaha, na divay vaovao, na menaka, na ny zanaky ny omby sy ny ondry aman’osinao, mandra-pandringany tanteraka anao.+ 52  Ary hataony fahirano tokoa ianao ao amin’ny tanànanao rehetra, mandra-pirodan’ny mandanao manerana ny taninao, dia ireo manda avo sy voaro mafy izay nitokisanao. Eny, hataony fahirano ianao ao amin’ny tanànanao rehetra manerana ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 53  Koa ho latsaka an-katerena ianao sady ho tra-pahoriana, noho ny fangejan’ny fahavalonao anao, ka hohaninao ny aloaky ny kibonao, dia ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy+ izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 54  “Ary ny lehilahy be haitraitra sy miaingitraingitra eo aminao, dia ho ratsy fijery+ ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa tavela, izay sisa niangana. 55  Tsy hisy homeny amin’ny nofon-janany izay hohaniny mantsy ireo, satria tsy manana na inona na inona intsony izy, fa latsaka an-katerena sady tra-pahoriana noho ny fangejan’ny fahavalonao anao, ao amin’ny tanànanao rehetra.+ 56  Ary ny vehivavy be haitraitra sy miaingitraingitra eo aminao, izay tsy mba nanandrana nanitsaka ny tany tamin’ny faladiany akory fa zatra niaingitraingitra sady be haitraitra,+ dia ho ratsy fijery ny vady malalany sy ny zanany lahy sy ny zanany vavy 57  ary ny tavòny mivoaka avy eo anelakela-peny sy ny zaza naterany.+ Tiany hohanina mangingina mantsy ny zaza naterany sy ny tavòniny noho izy tsy manana na inona na inona sy latsaka an-katerena sady tra-pahoriana noho ny fangejan’ny fahavalonao anao, ao amin’ny tanànanao.+ 58  “Raha tsy miezaka mafy ianareo hanatanteraka ny teny rehetra ao amin’ny lalàna izay voasoratra ato amin’ity boky ity,+ mba hatahotra an’ilay anarana be voninahitra+ sy mendrika hatahorana+ hoe Jehovah,+ eny, ilay Andriamanitrareo, 59  dia hataon’i Jehovah mahery vaika tokoa ny loza hanjo anao sy hanjo ny taranakao, dia loza lehibe sady maharitra,+ ary aretina mampidi-doza sady maharitra.+ 60  Dia haveriny aminao ny aretina rehetran’i Ejipta izay aretina natahoranao, ary tsy hiala aminao mihitsy ireny.+ 61  Hataon’i Jehovah manjo anao koa izay aretina sy loza rehetra tsy voasoratra ato amin’ity boky misy ny lalàna ity, mandra-pahalany ringana anao. 62  Ary na dia lasa maro be tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra+ aza ianareo, dia ho vitsy kely sisa no ho tavela,+ satria ianareo tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo. 63  “Ary ho toy ny nifalian’i Jehovah nanasoa sy nahamaro anareo,+ no hifalian’i Jehovah handringana sy handripaka anareo+ koa. Hesorina tsy ho eo amin’ilay tany izay halehanareo mba halainareo ho fanananareo ianareo.+ 64  “Ary haparitak’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra, hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ianao,+ ka any ianao no hanompo andriamani-kafa, vato aman-kazo, izay tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razanao.+ 65  Ary tsy ho afaka hiala sasatra+ ianao any amin’ireo firenena ireo, sady tsy hahita toerana hametrahanao ny faladianao. Hataon’i Jehovah mipararetra ny fonao+ sy ho simba ny masonao+ ary ho kivy ianao any. 66  Tena hotandindomin-doza ny ainao, ary hihorohoro andro aman’alina ianao, ka tsy hanampo izay ho velona intsony.+ 67  Amin’ny maraina ianao hilaza hoe: ‘Raha mba alina mantsy ny andro!’, ary amin’ny alina ianao hilaza hoe: ‘Raha mba maraina mantsy ny andro!’, noho ny tahotry ny fonao izay hampihorohoro anao, sy noho izay ho hitan’ny masonao.+ 68  Ary hoentin’i Jehovah an-tsambo hiverina any Ejipta ianao, manaraka ny lalana izay efa nolazaiko taminao hoe: ‘Tsy hahita an’io lalana io intsony ianareo.’+ Dia hivarotra ny tenanareo amin’ny fahavalonareo ianareo, mba ho andevolahy sy mpanompovavy,+ nefa tsy hisy mpividy.”

Fanamarihana