Deoteronomia 34:1-12

34  Dia niakatra avy eny amin’ny lemaka karakaina any Moaba i Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo,+ ho eo an-tampon’i Pisga,+ izay manandrify an’i Jeriko.+ Ary nasehon’i Jehovah azy ilay tany manontolo, hatrany Gileada ka hatrany Dana,+  sy Naftaly manontolo, sy ny tanin’i Efraima sy Manase, sy ny tanin’i Joda manontolo hatrany amin’ny ranomasina andrefana,+  sy Negeba+ sy ny Faritr’i Jordana,+ sy ny lemak’i* Jeriko, ilay tanàna be hazo palmie,+ ka hatrany Zoara.+  Dia hoy i Jehovah taminy: “Io ilay tany nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: ‘Ny taranakao no homeko azy.’+ Ataoko hitan’ny masonao izy io, fa tsy hiampita ho eny ianao.”+  Dia maty teo i Mosesy mpanompon’i Jehovah,+ izany hoe tao Moaba, araka ny didin’i Jehovah.+  Ary naleviny tao an-dohasahan’ny tany Moaba, tandrifin’i Beti-peora+ izy, ary tsy misy mahalala ny fasany mandraka androany.+  Roapolo amby zato taona i Mosesy tamin’izy maty,+ nefa tsy nihananjavozavo ny masony,+ sady tsy nihena ny heriny.+  Ary nitomany an’i Mosesy telopolo andro+ ny zanak’Israely rehetra, teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba. Farany, dia tapitra ny andro nitomaniana sy nisaonana azy.  Ary feno fanahim-pahendrena+ i Josoa zanak’i Nona, satria efa nametra-tanana taminy i Mosesy.+ Dia nanomboka nihaino azy ny zanak’Israely, ka nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ 10  Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara*+ toa an’i Mosesy mihitsy anefa teo amin’ny Israely.+ 11  Tena tsy nanan-tsahala izy raha jerena ny famantarana sy ny fahagagana rehetra nataony tamin’i Farao sy tamin’ny mpanompony rehetra ary tamin’i Ejipta manontolo, rehefa naniraka azy tany i Jehovah.+ 12  Nampiasa hery lehibe koa izy sady nanao zava-mampahatahotra teo imason’ny Israely rehetra.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemak’i.”
A.b.t.: “mifanatrika.”