Deoteronomia 5:1-33

5  Nantsoin’i Mosesy ny Israely rehetra,+ ka hoy izy taminy: “Ry Israely ô, henoy ny fitsipika sy ny didim-pitsarana+ ambarako aminareo anio, ka ianaro sy tandremo+ tsara.  Nanao fifanekena tamintsika i Jehovah Andriamanitsika, tany Horeba.+  Tsy tamin’ny razantsika no nanaovan’i Jehovah izany fifanekena izany fa tamintsika, dia isika rehetra izay mbola velona eto ankehitriny.  Niteny nifanatrika taminareo avy tao anaty afo i Jehovah, tao an-tendrombohitra.+  Nitsangana teo anelanelanareo sy Jehovah aho tamin’izay,+ mba hilaza taminareo ny tenin’i Jehovah, fa natahotra ianareo noho ny afo, ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra.+ Hoy izy tamin’izay:  “‘Izaho no Jehovah Andriamanitrao+ izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana.+  Aza manana andriamani-kafa hifandrafy amiko.+  “‘Aza manao sary sokitra+ ho anao, na ny mety ho bikabikan-javatra+ mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany.  Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy,+ fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.+ Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.+ 10  Fa izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa hanehoako hatsaram-panahy feno fitiavana, na dia hatramin’ny taranaka faharivo aza.+ 11  “‘Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao,+ fa tsy hisy havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.+ 12  “‘Aoka hotandremana ny andro sabata mba hanamasinana azy io, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 13  Koa enina andro no hanaovanao ny raharahanao sy ny asanao rehetra,+ 14  fa sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao kosa ny andro fahafito.+ Aza manao asa na inona na inona+ ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny monina ao an-tanànanao,+ mba hiala sasatra toa anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.+ 15  Tsarovy fa andevo tany Ejipta ianao,+ ka tanana mahery sy sandry nahinjitra+ no nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany. Izany no antony nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina foana ny andro sabata.+ 16  “‘Hajao ny rainao sy ny reninao,+ araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho lava andro iainana ianao, ary mba hahita soa+ any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 17  “‘Aza mamono olona.+ 18  “‘Ary aza manitsakitsa-bady.+ 19  “‘Ary aza mangalatra.+ 20  “‘Ary aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny mpiara-belona aminao.+ 21  “‘Ary aza mitsiriritra vadin’olona.+ Aza manaiky hasesiky ny fitiavan-tena ka haniry mafy hahazo tranon’olona, na tanin’olona, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona fananany.’+ 22  “Ireo Teny ireo no nolazain’i Jehovah taminareo rehetra tamin’ny feo mafy avy tao anaty afo+ sy rahona ary haizim-pito, tao an-tendrombohitra. Tsy nasiany fanampiny izany, ary nosoratany teo amin’ny takela-bato roa ka natolony ahy.+ 23  “Raha vao renareo ilay feo avy tao anaty haizina, raha mbola nirehitra ny tendrombohitra,+ dia nanatona ahy ianareo, izany hoe ny lehibem-poko rehetra sy ny anti-panahy rehetra teo aminareo. 24  Dia hoy ianareo: ‘Efa nasehon’i Jehovah Andriamanitsika antsika ny voninahiny sy ny fahalehibeazany, ary efa rentsika ny feony avy tao anaty afo.+ Androany no nahitantsika fa afaka miteny amin’olona Andriamanitra, kanefa mbola velona ihany ilay olona.+ 25  Koa nahoana no ho faty izahay, satria mety handevona anay io afo+ lehibe io? Tena ho faty mihitsy izahay, raha mbola mandre ny feon’i Jehovah Andriamanitsika.+ 26  Rentsika niteny avy tao anaty afo mantsy ny feon’ilay Andriamanitra velona.+ Iza tamin’ny nofo rehetra anefa no efa nandre izany toa antsika, nefa mbola velona ihany? 27  Koa aleo ianao ihany no hankany sy hihaino izay rehetra holazain’i Jehovah Andriamanitsika. Ary ianao no hilaza aminay izay rehetra hambaran’i Jehovah Andriamanitsika aminao,+ dia hohenoinay tokoa izany, ka harahinay.’ 28  “Koa ren’i Jehovah ny teny nolazainareo tamiko, dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Efa reko ny tenin’ity firenena ity taminao. Mety daholo izany nolazainy izany.+ 29  Raha mba miezaka hanana fo matahotra ahy+ sy mitandrina foana ny didiko+ rehetra mantsy izy ireo, dia hahita soa izy sy ny taranany, mandritra ny fotoana tsy voafetra!+ 30  Mandehana lazao aminy hoe: “Modia any amin’ny tranolainareo avy.” 31  Fa ianao kosa mijanòna eto amiko, fa holazaiko aminao ny didy rehetra sy ny fitsipika ary ny lalàna tokony hampianarinao azy+ ka hankatoaviny any amin’ilay tany homeko azy ho fananany.’ 32  Koa araho tsara izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.+ Aza mivily miankavanana na miankavia.+ 33  Fa ny lalana rehetra asain’i Jehovah Andriamanitrareo aleha no tokony halehanareo,+ mba ho velona ianareo ka hahita soa,+ ary ho lava andro iainana eo amin’ilay tany izay halainareo ho fanananareo.

Fanamarihana