Deoteronomia 6:1-25

6  “Izao no didy sy fitsipika ary didim-pitsarana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo nampianarina anareo+ mba harahinareo any amin’ilay tany izay halehanareo sy halainareo ho fanananareo.  Amin’izay dia hatahotra+ an’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka hitandrina ny lalàny rehetra sy ny didiny andidiako anao sy ny zanakao ary ny zafinao,+ mandritra ny androm-piainanao, ary mba ho lava andro iainana koa ianao.+  Koa henoy izao, ry Israely ô, ka araho tsara+ mba hahita soa ianao,+ ary hanjary ho maro be any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’i Jehovah Andriamanitry ny razanao anao.+  “Mihainoa, ry Israely ô: I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.+  Ary tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo+ sy ny tenanao manontolo+ ary ny herinao manontolo.+  Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto.+  Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany+ ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry,+ na mifoha.  Afatory ho famantarana eo amin’ny tananao izany,+ ka ataovy fehiloha eo amin’ny handrinao,+  ary soraty eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao.+ 10  “Rehefa hoentin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany, izay efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao+ ianao, ka hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao,+ 11  sy trano feno ny zava-tsoa rehetra izay tsy ianao no nameno azy, sy lavaka fanangonan-drano izay tsy nohadinao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, sy hazo oliva tsy nambolenao, ary hihinana ianao ka ho voky,+ 12  dia tandremo sao hadinoinao+ i Jehovah izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana. 13  I Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao,+ ary izy no hotompoinao,+ ary amin’ny anarany no hianiananao.+ 14  Aza manaraka andriamani-kafa, dia ny andriamanitr’ireo firenena manodidina anao,+ 15  sao hirehitra aminao ny fahatezeran’i Jehovah Andriamanitrao,+ ka haringany tsy ho eo ambonin’ny tany ianao.+ Fa Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany+ i Jehovah Andriamanitrao, izay eo aminao. 16  “Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrareo,+ toy ny nataonareo tao Masa.+ 17  Tandremo tsara ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo+ sy ny fampahatsiahivany+ ary ny fitsipiny+ izay nandidiany anareo.+ 18  Izay mahitsy sy tsara eo imason’i Jehovah no ataovy mba hahita soa ianao,+ ka hiditra ao amin’ilay tany soa nianianan’i Jehovah tamin’ny razanao, ary haka azy io ho fanananao,+ 19  ka horoahinao tsy ho eo anatrehanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nampanantenain’i Jehovah.+ 20  “Raha manontany anao ny zanakao any aoriana any+ hoe: ‘Inona no hevitr’ireny fampahatsiahivana sy fitsipika ary lalàna nandidian’i Jehovah Andriamanitsika anareo ireny?’, 21  dia izao no holazainao aminy: ‘Andevon’i Farao isika tany Ejipta, fa i Jehovah kosa nitondra antsika nivoaka avy tany, tamin’ny tanana mahery.+ 22  Koa famantarana sy fahagagana+ lehibe nitondra loza no nataon’i Jehovah tamin’i Ejipta sy Farao ary ny ankohonany manontolo, teo imasontsika.+ 23  Dia nentiny nivoaka avy tany isika mba hitondrany antsika eto sy hanomezany antsika ilay tany izay nianianany tamin’ny razantsika.+ 24  Koa nandidy antsika hanaraka ireo fitsipika rehetra ireo i Jehovah,+ sady nandidy ny hatahorana an’i Jehovah Andriamanitsika, mba hahitantsika soa mandrakariva,+ ka ho velona isika toy ny amin’izao andro izao.+ 25  Ary ho olo-marina isika+ raha mitandrina tsara izany didy rehetra izany eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika, araka izay nandidiany antsika.’+

Fanamarihana