Deoteronomia 9:1-29

9  “Mihainoa, ry Israely ô: Efa hiampita an’i Jordana+ ianao ankehitriny ary hiditra ao amin’ilay tany, ka handroaka firenena lehibe sy mahery noho ianao,+ eny, tanàna lehibe misy manda manakatra ny lanitra,+  ary firenena mahery sy lava, izay taranaky ny Anakita.+ Fantatrao ireo ary efa renao izay voalaza momba azy hoe: ‘Iza no mahatohitra ny taranak’i Anàka?’  Fantatrao tsara ankehitriny fa miampita eo alohanao i Jehovah Andriamanitrao.+ Afo mandevona izy,+ ka handringana+ sy handresy an’ireny eo anatrehanao. Handroaka an’ireny ianao ka handringana azy haingana, araka izay nolazain’i Jehovah taminao.+  “Rehefa roahin’i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo anatrehanao ireny, dia aza manao anakampo hoe: ‘Noho ny fahamarinako no nampidiran’i Jehovah ahy teto amin’ity tany ity mba hakako azy ho fananako.’+ Kanefa, noho ny haratsiam-panahin’ireny firenena ireny no handroahan’i Jehovah azy tsy ho eo anatrehanao.+  Tsy noho ny fahamarinanao+ na ny hitsim-ponao+ mantsy no hidiranao ao amin’ny tanin’izy ireo sy hakanao izany ho fanananao. Fa noho ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’i Jehovah Andriamanitrao azy tsy ho eo anatrehanao.+ Nandroaka azy ireo koa i Jehovah mba hanatanterahany ny fianianany tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba+ razanao.  Aoka ho fantatrareo fa tsy noho ny fahamarinanareo no hanomezan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo io tany soa io, satria vahoaka mafy hatoka+ ianareo.  “Tsarovy ary aza hadinoina fa nampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitrao ianao tany an-tany efitra.+ Nikomy foana tamin’i Jehovah+ ianareo, nanomboka tamin’ny andro nivoahanareo avy tany Ejipta ka mandra-pahatonganareo teto amin’ity toerana ity.  Na tany Horeba aza dia nampahatezitra an’i Jehovah ianareo, hany ka tezitra mafy taminareo i Jehovah ka efa saika handringana anareo.+  Rehefa niakatra tao an-tendrombohitra aho mba handray ny takela-bato+ nisy ny fifanekena nataon’i Jehovah taminareo,+ ka nijanona efapolo andro sy efapolo alina+ tao, sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano, 10  dia nomen’i Jehovah ahy ny takela-bato roa, voasoratry ny rantsantanan’Andriamanitra.+ Teo amin’ireo no nisy ny teny rehetra nolazain’i Jehovah taminareo avy tao anaty afo, tao an-tendrombohitra, tamin’ny andro namoriana ny fiangonana.+ 11  Ary nomen’i Jehovah ahy ny takela-bato roa, dia ny takela-baton’ny fifanekena,+ rehefa tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina. 12  Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Mitsangàna, ka midìna haingana miala eto, fa efa nanao ratsy+ ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta. Efa nivily sahady niala tamin’ny lalana nasaiko narahiny izy, ka nanao sarivongana metaly.’+ 13  Ary hoy koa i Jehovah tamiko: ‘Efa hitako fa mafy hatoka ity vahoaka ity.+ 14  Avelao aho handringana+ azy, ka hofoanako tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny anarany,+ fa ianao kosa hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy.’+ 15  “Dia nihodina aho, ka nidina niala teo amin’ilay tendrombohitra, izay mbola nirehitra.+ Ary teny an-tanako roa ny takela-bato roa misy ny fifanekena.+ 16  Nijery aho ka hitako fa nanota tamin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo! Efa nanao zanak’omby tamin’ny metaly+ ianareo. Efa nivily sahady niala tamin’ny lalana nasain’i Jehovah narahinareo+ ianareo. 17  Dia noraisiko ny takela-bato roa ka natontako avy teny an-tanako, ary novakivakiko teo imasonareo.+ 18  Ary niankohoka teo anatrehan’i Jehovah efapolo andro sy efapolo alina hoatran’ilay tamin’ny voalohany aho, ka tsy nihinan-kanina na nisotro rano,+ noho ny fahotana rehetra nataonareo. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah tokoa ianareo, ka nampahatezitra azy.+ 19  Fa natahotra aho satria tena tezitra be taminareo i Jehovah, ka efa saika handringana anareo.+ Mbola nihaino ahy koa i Jehovah tamin’izay.+ 20  “Ary tena tezitra mafy tamin’i Arona koa i Jehovah, ka efa saika handringana azy.+ Fa nitalaho+ ho an’i Arona koa aho tamin’izay. 21  Dia nalaiko ilay zanak’omby,+ izay fahotana nataonareo, ka nodorako tao anaty afo, ary nopotipotehiko sy notorotoroiko tanteraka mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka. Avy eo, dia natsipiko tao amin’ilay riaka nikoriana avy tany an-tendrombohitra ny vovony.+ 22  “Nampahatezitra an’i Jehovah+ koa ianareo tany Tabera+ sy Masa+ ary Kibrota-hatava.+ 23  Ary rehefa nasain’i Jehovah niala tao Kadesi-barnea+ ianareo ka nataony hoe: ‘Miakara ka alaivo ho fanananareo ilay tany izay homeko anareo!’, dia nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,+ ary tsy nino+ azy na nihaino ny feony.+ 24  Mpikomy tamin’i Jehovah+ ianareo hatramin’izay nahalalako anareo. 25  “Koa niankohoka teo anatrehan’i Jehovah foana aho, nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.+ Niankohoka toy izany aho, satria nilaza ny handringana anareo i Jehovah.+ 26  Dia nitalaho+ tamin’i Jehovah aho hoe: ‘Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Aza dia aringanao re ny olonao e, dia ny fanananao manokana,+ izay navotanao tamin’ny fahalehibeazanao, ary nentinao nivoaka avy tany Ejipta+ tamin’ny tanana mahery.+ 27  Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Jakoba mpanomponao.+ Marina fa mafy loha ity vahoaka ity sady ratsy fanahy sy mpanota, nefa aza izany no jerena,+ 28  sao hilaza ny mponin’ilay tany+ namoahanao anay hoe: “Tsy vitan’i Jehovah ny nitondra azy ho any amin’ilay tany nampanantenainy azy, ary halany koa izy ireo, ka izany no namoahany azy avy teto mba hovonoiny any an-tany efitra.”+ 29  Na izany aza, dia mbola olonao izy ireo sady fanananao manokana,+ izay nentinao nivoaka tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.’+

Fanamarihana