Efesianina 2:1-22

2  Ary ianareo no novelomin’Andriamanitra na dia fony mbola maty tao amin’ny helokareo sy ny fahotanareo aza.+  Tao amin’izany mantsy no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity*+ sy araka an’ilay mpitondra+ ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina+ izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.+  Tamintsika teo amin’izy ireo, dia nitondra tena araka ny fanirian’ny nofontsika isika rehetra taloha,+ ka nanao izay danin’ny nofontsika+ sy ny saintsika. Ary efa zanaky ny fahatezerana+ toy ny hafa rehetra isika hatramin’ny nahaterahantsika.  Fa manankarena famindram-po Andriamanitra,+ ary noho ny fitiavany lehibe izay nitiavany antsika+  no namelomany antsika niaraka tamin’i Kristy, na dia fony mbola maty tao amin’ny helotsika+ aza isika.—Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no namonjena anareo.+  Ary niara-natsangany+ sy niara-napetrany teo amin’ny toerana tanantsika any amin’ny faritry ny lanitra+ isika, noho isika tafaray amin’i Kristy Jesosy.  Nanao izany izy mba hampisehoana fa tsy misy toa azy ny harenan’ny+ hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny fotoana hisian’ireo rafitra ho avy,+ noho izy tsara fanahy amintsika izay tafaray+ amin’i Kristy Jesosy.  Izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany tokoa no namonjena anareo, noho ny finoanareo.+ Ary tsy avy aminareo izany,+ fa fanomezan’Andriamanitra.+  Tsia, tsy avy amin’izay atao izany,+ mba tsy hisy hanana antony hireharehana.+ 10  Asan’ny tanany+ mantsy isika ary noforonina+ hanao asa tsara,+ noho isika tafaray+ amin’i Kristy Jesosy. Efa nomanin’Andriamanitra mialoha+ izany asa izany mba hitondrantsika tena mifanaraka amin’izany. 11  Koa tadidio foana fa olon’izao tontolo izao ianareo taloha, raha ny amin’ny nofo.+ Niantso anareo hoe “tsy voafora” ireo antsoina hoe “voafora” teo amin’ny nofo, dia ireo noforan-tanana.+ 12  Tadidio fa tsy nanana an’i Kristy+ ianareo tamin’izany fotoana izany, ary tafasaraka+ tamin’ny firenen’Israely ka vahiny raha ny amin’ireo fifanekena momba ny fampanantenana,+ ary tsy nanana fanantenana+ sady tsy nanana an’Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao.+ 13  Ianareo izay lavitra fahiny nefa tafaray amin’i Kristy Jesosy ankehitriny, dia efa akaiky izao, noho ny ran’i+ Kristy. 14  Izy mantsy no nampihavana antsika,+ eny, izy izay nampiray+ antsika roa tonta+ sy nandrava an’ilay rindrina+ teo anelanelany izay nanasaraka+ antsika. 15  Ny nofony+ no nanafoanany ny fandrafiana,+ dia ny Lalàna misy didy maro,+ mba hamoronany olom-baovao iray+ ho tafaray aminy avy amin’ireo firenena roa,+ ka hamitranany fihavanana, 16  ary mba hampihavanany+ tanteraka antsika roa tonta amin’Andriamanitra ka ho tonga vatana iray+ isika, amin’ny alalan’ny hazo fijaliana,+ satria ny tenany no namonoany ilay fandrafiana.+ 17  Dia tonga izy ka nitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana+ taminareo izay lavitra, ary fihavanana tamin’izay akaiky+ koa, 18  satria amin’ny alalany no ahafahantsika roa tonta+ manatona+ ny Ray amin’ny alalan’ny fanahy iray ihany.+ 19  Koa tsy vahiny+ na mpivahiny+ intsony àry ianareo, fa mpiray firenena+ amin’ny olona masina+ sady anisan’ny ankohonan’Andriamanitra.+ 20  Ary efa naorina teo ambony fototra,+ dia ny apostoly+ sy ny mpaminany+ ianareo, fa i Kristy Jesosy kosa no vato fehizoro.+ 21  Tafaray aminy ilay rafitra manontolo, izay tafakambana mirindra tsara,+ ka amin’izany no isondrotany mba ho tonga tempoly masina ho an’i Jehovah.+ 22  Tafaray aminy+ koa ianareo, ka amin’izany no anorenana anareo miaraka mba ho tonga toerana honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny.+

Fanamarihana

Na: “rafitr’ity tontolo ity.”