Ho An’ny Efesianina 3:1-21

  • Zava-miafina masina: Tafiditra koa ny hafa firenena (1-13)

    • Ho mpiray lova amin’i Kristy ny hafa firenena (6)

    • Fikasan’Andriamanitra hatrizay hatrizay (11)

  • Nivavaka i Paoly mba ho azon’ny Efesianina tsara ny fahamarinana (14-21)

3  Noho izany, izaho Paoly, ilay migadra+ satria izaho an’i Kristy Jesosy sady manampy anareo hafa firenena... 2  Efa henonareo tokoa ilay andraikitra nankinina tamiko,+ dia ny hanampy anareo handray soa amin’ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra. 3  Nampahafantariny ahy sy naharihariny tamiko mantsy ilay zava-miafina masina, araka ilay efa nosoratako fohifohy taminareo. 4  Rehefa mamaky an’ity àry ianareo, dia ho azonareo hoe haiko tsara ilay zava-miafina masina+ momba an’i Kristy. 5  Tsy nampahafantarina an’io zava-miafina io ny taranaka tany aloha, nefa izao ilay izy naharihary tamin’ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny, tamin’ny alalan’ny fanahy masina.+ 6  Izao ilay zava-miafina: Rehefa lasa tafaray amin’i Kristy Jesosy sy nanaiky ny vaovao tsara ny hafa firenena, dia tokony ho mpiray lova aminay sy anisan’ilay vatana+ iray ihany. Dia hahazo an’ilay zavatra nampanantenain’Andriamanitra anay koa izy ireo. 7  Lasa mpanompo miandraikitra an’izany àry aho, noho ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra tamiko, ary fanomezana maimaim-poana izany. Nanehoany an’izany hatsaram-panahy izany aho tamin’izy nampiseho ny heriny tamiko.+ 8  Izaho izay mbola kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra+ no nanehoana an’izany hatsaram-panahy miavaka izany.+ Noho izany, dia afaka nitory tamin’ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran’i Kristy aho, 9  sady nanampy ny olona rehetra hahita an’izay ataon’Andriamanitra momba* an’ilay zava-miafina masina.+ Efa hatramin’ny ela be io zava-miafina io no nafenin’ilay Andriamanitra namorona ny zava-drehetra. 10  Nanao an’izany Andriamanitra mba ho amin’izao no ampahafantarana ny fahendreny, izay miseho amin’ny fomba isan-karazany, amin’ny fanjakana sy ny manam-pahefana any amin’ny faritry ny lanitra, ary amin’ny alalan’ny fiangonana+ no ampahafantarana an’izany.+ 11  Izany dia mifanaraka amin’ilay fikasany hatrizay hatrizay* momba an’i Kristy,+ dia i Jesosy Tompontsika. 12  Izy no mahatonga antsika ho sahy miteny, sy ho afaka hanatona an’Andriamanitra+ amin-toky noho isika mino azy.* 13  Miangavy anareo àry aho mba tsy ho kivy satria hoe miaritra fahoriana aho noho izaho manampy anareo. Voninahitra ho anareo mantsy ireny.+ 14  Noho izany, dia mandohalika eo anatrehan’ny Ray aho. 15  Izy mantsy no nampisy ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany ka nahazoan’izy ireo anarana. 16  Mivavaka aho mba hampiasa ny hery avy amin’ny fanahiny Andriamanitra, mba hanatanjahana ny fonareo sy ny sainareo,*+ satria tena manan-karena voninahitra izy. 17  Mivavaka koa aho mba ho ao am-ponareo foana i Kristy, miaraka amin’ny fitiavanareo,+ satria ianareo mino azy. Dia enga anie ianareo mba hamaka tsara+ sy hiorina mafy eo amin’ny fototra!+ 18  Amin’izay dia ho azonareo tsara miaraka amin’ny olona masina rehetra ny fahamarinana, izany hoe ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny, 19  dia ho fantatrareo koa ny fitiavan’i Kristy+ izay mbola mihoatra noho ny fahalalana, mba ho feno ny toetra rehetra avy amin’Andriamanitra ianareo. 20  Afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika Andriamanitra, ary mihoatra lavitra noho izany aza,+ noho ilay heriny miasa ao anatintsika.+ Ho azy anie ny voninahitra, 21  eny, ho azy anie ilay voninahitra amin’ny alalan’ny fiangonana sy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, hatrany amin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay! Amena.

Fanamarihana

Na: “hahita ny fomba itantanana.”
Na: “mandrakizay.”
Izany hoe Kristy.
Na: “ny ao anatinareo ao.”