Eksodosy 1:1-22

1  Ireto avy ny anaran’ny zanak’i Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin’i Jakoba, dia ny lehilahy mbamin’ny ankohonany avy:+  Robena,+ Simeona,+ Levy,+ Joda,+  Isakara,+ Zebolona,+ Benjamina,+  Dana,+ Naftaly,+ Gada,+ ary Asera.+  Nahatratra fitopolo* ny isan’ny olona* rehetra naterak’i* Jakoba,+ fa i Josefa kosa efa tany Ejipta.+  Tatỳ aoriana, dia maty i Josefa+ sy ny rahalahiny rehetra ary izany taranaka rehetra izany.  Ary nihamaro ny zanak’Israely ka lasa be dia be. Nihanitombo isa sy nihanahery tsy nisy toy izany izy ireo ka henika azy ilay tany.+  Tatỳ aoriana, dia nisy mpanjaka vaovao tany Ejipta, ary tsy nahalala an’i Josefa izy io.+  Dia hoy izy tamin’ny vahoakany: “Jereo fa lasa maro sy mahery noho isika ny zanak’Israely.+ 10  Koa aoka isika ho mailo+ sao vao mainka hihamaro ireo, ka raha sendra misy miady amintsika, dia tena hanampy an’izay mankahala antsika ireo, ary hiady amintsika ka hiala eto amin’ny tanintsika.” 11  Koa nanendry olona ho lehiben’ny mpanao asa an-terivozona izy ireo, mba hampahory ny zanak’Israely ka nampitondra enta-mavesatra azy.+ Ary nanorina tanàna ho an’i Farao ny zanak’Israely, mba ho fitehirizana entana sy vokatra, dia ny tanànan’i Pitoma sy Ramesesa.+ 12  Vao mainka nihamaro sy niely hatraiza hatraiza anefa ny zanak’Israely, arakaraka ny nampahorian’ny Ejipsianina azy. Koa raiki-tahotra mafy ny Ejipsianina,+ 13  ka nandevoziny teo ambany fitondrana jadona ny zanak’Israely.+ 14  Ary nataony izay hampangidy ny fiainan’ny zanak’Israely, ka nandevoziny mafy izy ireo rehefa nasainy nanao rihitra tanimanga+ sy biriky mbamin’izay karazam-panandevozana rehetra tany an-tsaha.+ Eny, izao karazam-panandevozana rehetra izao no nanandevozany azy ireo teo ambany fitondrana jadona.+ 15  Ary ny mpanjakan’i Ejipta niresaka tamin’ireo mpampivelona+ hebreo izay nantsoina hoe Sifra sy Poha, 16  ka vitany mihitsy aza ny niteny hoe: “Rehefa mampiteraka vehivavy hebreo ianareo, ka mahita azy eo amin’ny toerana fiterahana,* dia vonoy ho faty ny zanany raha lahy, fa velomy kosa raha vavy.” 17  Natahotra an’ilay tena Andriamanitra+ anefa ny mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta,+ fa navelany ho velona ihany ireo zazalahy.+ 18  Tatỳ aoriana, dia niantso an’ireo mpampivelona ny mpanjakan’i Ejipta, ka niteny hoe: “Fa nahoana ianareo no nanao izao zavatra izao? Nahoana no navelanareo ho velona ny zazalahy?”+ 19  Dia namaly an’i Farao ny mpampivelona hoe: “Tsy mitovy ange ny vehivavy ejipsianina sy ny vehivavy hebreo e! Matanjaka ny Hebreo, ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia efa latsaka ny zanany.” 20  Koa nanao soa tamin’ireo mpampivelona Andriamanitra,+ ary vao mainka nihamaro sy tena nihanahery ny vahoaka. 21  Ary nomen’Andriamanitra ankohonana+ ireo mpampivelona ireo tatỳ aoriana, satria natahotra an’ilay tena Andriamanitra. 22  Tamin’ny farany, dia nandidy ny vahoakany manontolo i Farao hoe: “Atsipazo ao amin’ny reniranon’i Neily ny zazalahy vao teraka rehetra, fa avelao ho velona kosa ny zazavavy rehetra.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh fitopolo. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “avy tao amin’ny foto-pen’i.”
Angamba eo amin’ny vato na biriky roa.