Eksodosy 10:1-29

10  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mankanesa ao amin’i Farao, fa izaho mihitsy no efa namela azy ho be di-doha,+ ary tsy izy ihany fa ny mpanompony koa. Amin’izay mantsy dia hataoko eo anatrehany ireo famantarana avy amiko,+  ary holazainao amin’ny zanaka aman-jafinao ny namelezako mafy an’i Ejipta sy ny famantarana nataoko teo aminy.+ Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah.”+  Koa nankao amin’i Farao i Mosesy sy Arona, ary niteny taminy hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: ‘Mandra-pahoviana ianao no tsy hety hanaiky ahy?+ Alefaso ny oloko hanompo ahy.  Fa raha mbola tsy mety mandefa ny oloko ihany ianao, dia hitondra valala ao amin’ny faritry ny taninao aho rahampitso.+  Ary tena handrakotra ny faritra taza-maso rehetra amin’ny tany ireny, ka tsy ho hita mihitsy ny tany. Dia ho lanin’ireny izay sisa niangana navelan’ny havandra. Hohanin’ireny tokoa ny hazo mitsimoka rehetra any an-tsaha.+  Ary ho feno valala ny tranonareo sy ny tranon’ny mpanomponareo rehetra ary ny trano eran’i Ejipta. Mbola tsy nahita valala be dia be toy izany mihitsy ny rainareo sy ny rain’ny rainareo, hatramin’izay niainany teto an-tany ka mandraka androany.”+ Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao.+  Taorian’izay, dia niteny tamin’i Farao ny mpanompony hoe: “Mandra-pahoviana iny lehilahy iny no ho fandrika ho antsika?+ Alefaso ireo lehilahy hanompo an’i Jehovah Andriamaniny. Mbola tsy fantatrao angaha fa efa potika+ i Ejipta?”  Koa nentina tany amin’i Farao indray i Mosesy sy Arona, ka hoy i Farao tamin’izy roa lahy: “Mandehana manompo an’i Jehovah Andriamanitrareo.+ Fa iza sy iza avy tokoa moa no handeha?”  Dia hoy i Mosesy: “Handeha izahay miaraka amin’ny antitra sy ny tanora eo aminay. Eny, handeha izahay miaraka amin’ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy+ mbamin’ny ondry sy ombinay,+ fa misy fety hataonay ho an’i Jehovah.”+ 10  Dia hoy izy tamin’izy roa lahy: “I Jehovah tokoa no momba anareo raha izaho no handefa anareo sy ny zanakareo madinika!+ Hita mihitsy fa mikendry hanao ratsy ianareo.+ 11  Tsy ekeko izany! Ianareo vatan-dehilahy no mandehana, ka manompoa an’i Jehovah, satria izany no tadiavinareo.” Dia noroahina tsy ho eo anatrehan’i Farao izy roa lahy.+ 12  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory+ ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba ho avy ny valala. Amin’izay dia hiakatra ireny ka hihinana ny zavamaniry rehetra amin’ny tany, dia izay rehetra navelan’ny havandra.”+ 13  Koa avy hatrany dia natsotran’i Mosesy tambonin’ny tany Ejipta ny tanany. Ary nampisy rivotra* avy any atsinanana+ hitsoka teo amin’ny tany Ejipta i Jehovah, nandritra iny andro iny sy nandritra ny alina manontolo. Ary tamin’ny maraina, dia nitondra valala ny rivotra avy any atsinanana. 14  Ary niakatra eran’ny tany Ejipta ny valala, dia nipetraka tamin’ny faritra rehetra tao,+ ka tena nampijaly.+ Mbola tsy nisy valala toy izany mihitsy talohan’ireo, ary tsy hisy toy izany intsony koa any aoriany. 15  Ary nandrakotra ny faritra taza-maso eran’i Ejipta ireny+ ka maizina ilay tany.+ Dia nohaniny avokoa ny zavamaniry rehetra teo amin’ilay tany sy ny voankazo rehetra teny amin’ny hazo, dia izay sisa navelan’ny havandra.+ Koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony eran’i Ejipta, na teny amin’ny hazo, na teny amin’ny zavamaniry tany an-tsaha.+ 16  Dia niantso haingana an’i Mosesy sy Arona i Farao, ka nanao hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.+ 17  Koa mba avelao+ re ny heloko amin’ity indray mandeha ity fotsiny e, ka iangavio+ i Jehovah Andriamanitrareo mba hanaisotra amiko ity loza mahafaty ity.” 18  Koa nivoaka avy tao amin’i Farao izy ka nitalaho tamin’i Jehovah.+ 19  Dia novan’i Jehovah ny fandehan’ny rivotra ka nataony rivotra mahery dia mahery avy any andrefana, ary nentin’iny ny valala ka navariny tao amin’ny Ranomasina Mena. Koa tsy nisy valala tavela intsony, na iray aza, tany amin’ny faritra rehetran’i Ejipta. 20  Navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny+ anefa i Farao, ka tsy nandefa ny zanak’Israely. 21  Koa hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory manondro ny lanitra ny tananao,+ mba hisy haizina amin’ny tany Ejipta, dia haizina mikitroka.” 22  Avy hatrany i Mosesy dia nanatsotra ny tanany nanondro ny lanitra, ka nisy haizim-pito eran’ny tany Ejipta nandritra ny telo andro.+ 23  Koa tsy nifankahita izy ireo, ary tsy nisy nitsangana avy teo amin’izay nisy azy nandritra ny telo andro. Fa nisy hazavana kosa tany amin’izay nonenan’ny zanak’Israely rehetra.+ 24  Dia niantso an’i Mosesy i Farao, ka nanao hoe: “Mandehana manompo an’i Jehovah,+ fa ny ondrinareo sy ny ombinareo ihany no tsy mahazo mandeha. Mahazo miaraka aminareo koa ny zanakareo madinika.”+ 25  Fa hoy i Mosesy: “Tsy maintsy mbola avelanao hoentinay koa aza ny biby hatao sorona sy ny fanatitra dorana, satria tsy maintsy manome izany ho an’i Jehovah Andriamanitray izahay.+ 26  Hiaraka aminay koa ny biby fiompinay,+ fa tsy misy azo ajanona na dia kitro iray aza, satria avy amin’ireny biby ireny no hakanay hanompoana an’i Jehovah Andriamanitray.+ Na izahay aza mbola tsy mahafantatra akory izay homenay hanompoana an’i Jehovah, raha tsy efa tonga any.”+ 27  Dia navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny i Farao, ka tsy nanaiky handefa azy ireo.+ 28  Koa hoy i Farao tamin’i Mosesy: “Mialà eto anatrehako!+ Ary tandremo sao mbola mitady hifanatri-tava amiko! Fa amin’izay andro hifanatrehanao amiko, no hahafatesanao.”+ 29  Dia hoy i Mosesy: “Eny àry! Tsy hitady hifanatri-tava aminao intsony aho.”+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.