Eksodosy 11:1-10

11  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mbola misy loza iray halefako amin’i Farao sy Ejipta, ka aorian’izay izy vao handefa anareo hiala eto.+ Ary amin’ny fotoana handefasany anareo rehetra, dia horoahiny ara-bakiteny mihitsy ianareo hiala eto.+  Koa lazao amin’ny vahoaka hoe tokony hangataka zavatra vita amin’ny volafotsy sy volamena izy ireo, ka ny lehilahy samy hangataka amin’ny namany avy, ary ny vehivavy koa amin’ny namany avy.”+  Dia nataon’i Jehovah nahazo sitraka teo imason’ny Ejipsianina ny vahoakan’Israely.+ Ary i Mosesy dia lehilahy tena nalaza teo amin’ny tany Ejipta, na teo imason’ny mpanompon’i Farao izany, na teo imason’ny vahoaka.+  Ary hoy i Mosesy: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Handeha hitety an’i Ejipta aho, rehefa tokony ho misasakalina.+  Dia ho faty ny lahimatoa+ rehetra ao amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy izay mpanodina ny vato fikosoham-bary,* ary ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby.+  Ary tena hisy fidradradradrana mafy eran’ny tany Ejipta, ka mbola tsy nisy toy izany hatramin’izay ary tsy hisy toy izany intsony koa.+  Ary tsy hisy alika, na iray aza, hivovò amin’ny zanak’Israely, na amin’ny olona na amin’ny biby.+ Amin’izay dia ho fantatrareo fa vitan’i Jehovah ny mampiavaka ny zanak’Israely amin’ny Ejipsianina.’+  Ary tsy maintsy hidina ho any amiko ireo mpanomponao rehetra ireo, ka hiankohoka eo anatrehako+ sady hiteny hoe: ‘Mandehana any ianao sy ny olona rehetra mpanara-dia anao!’ Aorian’izay dia handeha aho.” Dia nivoaka avy teo amin’i Farao i Mosesy sady tezitra be.  Avy eo, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy hihaino anareo akory i Farao,+ mba hahamaro ny fahagagana ataoko eo amin’ny tany Ejipta.”+ 10  Ary nanao izany fahagagana rehetra izany teo anatrehan’i Farao i Mosesy sy Arona,+ fa i Jehovah kosa namela an’i Farao hikiribiby tamin’ny heviny. Koa tsy nalefan’i Farao hiala tany Ejipta ny zanak’Israely.+

Fanamarihana

Ilay ahodin-tanana.