Eksodosy 12:1-51

  • Nanomboka nankalazaina ny Paska (1-28)

    • Nasaina nafafy teo amin’ny tolàm-baravarana ny ra (7)

  • Loza 10: Novonoina ho faty ny lahimatoa (29-32)

  • Niala tany Ejipta ny Israelita (33-42)

  • Toromarika hoe iza no mahazo mihinana amin’ny Paska (43-51)

12  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona, tany Ejipta: 2  “Ity volana ity no ho volana voalohany ho anareo, ka izy io no hataonareo volana voalohany amin’ny taona.+ 3  Mitenena amin’ny vahoakan’Israely manontolo hoe: ‘Samy tokony haka ondry+ iray avy ho an’ny ankohonan-drainy izy ireo amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity, izany hoe ondry iray isam-pianakaviana. 4  Raha vitsy loatra anefa ny iray trano ka tsy mahalany ondry iray, dia tokony hifampizara an’ilay izy ao an-tranony izy ireo sy ny mpifanila trano aminy, arakaraka ny isan’ny olona. Koa fantaro ny isan’ny olona sy izay mety ho lanin’ny tsirairay. 5  Tokony ho ondrilahy herintaona ilay izy sady tsy misy kilema.+ Afaka mifidy ondrilahy na osilahy kely ianareo. 6  Karakarao tsara ilay izy mandra-pahatongan’ny andro faha-14 amin’ity volana ity.+ Dia hamono an’ilay izy amin’ny takariva* ny fiangonan’Israely manontolo.+ 7  Hakan’izy ireo ny ra ka hafafiny eo amin’ny tolàm-baravarana roa sy eo amin’ny tataom-baravaran’ny trano hihinanany an’ilay izy.+ 8  “‘Tsy maintsy hohanin’izy ireo amin’io alina io ny henany.+ Tokony hatsatsika eo ambony afo ilay izy, ary hohanina miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay*+ sy anana mangidy.+ 9  Aza misy hohanina manta ny henany na handrahoina amin’ny rano, fa tokony hatsatsika daholo hatramin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. 10  Aza misy tehirizina mandra-paharainan’ny andro ilay izy, fa dory izay sisa tsy lany ka tratran’ny maraina.+ 11  Hoatr’izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Efa mifatotra ny fehikibonareo,* ho eny an-tongotrareo ny kapanareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo. Dia hohaninareo haingana ilay izy. Paskan’i* Jehovah izany. 12  Fa hitety an’i Ejipta aho amin’io alina io, ka hovonoiko ny lahimatoa rehetra ao, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby.+ Ary hampihatra didim-pitsarana amin’ny andriamanitr’i Ejipta rehetra aho.+ Izaho no Jehovah. 13  Ny ra no ho famantarana ny trano misy anareo. Ho hitako ny ra ka holalovako fotsiny ianareo, dia tsy handringana anareo ny loza rehefa mamely an’i Ejipta aho.+ 14  “‘Ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hataonareo fety ho an’i Jehovah hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Tokony hankalaza azy io ianareo. Fitsipika tokony harahina foana izany. 15  Mandritra ny fito andro ianareo no hihinana mofo tsy misy lalivay.+ Hesorinareo tsy ho ao an-tranonareo ny lalivay, amin’ny andro voalohany, satria haringana tsy ho anisan’ny Israely izay olona mihinana zavatra misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito. 16  Hanao fivoriambe masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriambe masina koa amin’ny andro fahafito. Tsy tokony hiasa mihitsy ianareo amin’ireo andro ireo.+ Izay sakafo hohanin’ny olona tsirairay ihany no azonareo karakaraina. 17  “‘Tsy maintsy mankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay ianareo,+ satria amin’io andro io no hitondrako ny vahoakanareo rehetra* hivoaka avy eto Ejipta. Ary tsy maintsy mankalaza an’io andro io ianareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Fitsipika tokony harahinareo foana izany. 18  Koa hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo amin’ny takarivan’ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany, ka hatramin’ny takarivan’ny andro faha-21 amin’io volana io.+ 19  Tsy tokony hahitana lalivay ao an-tranonareo mandritra ny fito andro, satria haringana tsy ho anisan’ny vahoakan’Israely+ izay olona mihinana zavatra misy lalivay, na vahiny izy na teratany.+ 20  Tsy tokony hihinana zavatra misy lalivay mihitsy ianareo. Mofo tsy misy lalivay no hohaninareo any amin’ny trano rehetra misy anareo.’” 21  Tonga dia nantsoin’i Mosesy ny anti-panahy rehetra teo amin’ny Israely,+ ka nilazany hoe: “Mandehana mifantina biby* mbola vantombantony ho an’ny fianakavianareo tsirairay, dia vonoy ilay izy mba hatao sorona hankalazana ny Paska. 22  Dia makà hysopa* iray fehezana, ary atsobohy ao amin’ilay ra ao anaty koveta izany. Dia afafazo eo amin’ny tataom-baravarana sy eo amin’ny tolàna roa ilay ra. Ary aza misy mivoaka ny tranonareo ianareo mandra-paharainan’ny andro. 23  Amin’izay rehefa mandalo hamely an’ireo Ejipsianina i Jehovah ka mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa, dia holalovan’i Jehovah fotsiny ilay varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo ny loza mahafaty.*+ 24  “Tsy maintsy mankalaza an’izany ianareo. Fitsipika tokony harahinareo sy ny zanakareo* foana izany.+ 25  Ary rehefa tafiditra any amin’ny tany homen’i Jehovah anareo ianareo, araka izay efa nolazainy, dia tohizo foana izany fankalazana izany.+ 26  Ary rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: ‘Fa maninona ianareo no manao an’izao fankalazana izao?’,+ 27  dia lazao hoe: ‘Manao an’izao sorona izao isika mba hankalazana ny Paska ho an’i Jehovah. Nolalovany fotsiny mantsy ny tranon’ny Israelita tany Ejipta, tamin’izy namely ny Ejipsianina, fa notsimbininy kosa ny tao an-tranontsika.’” Dia niondrika sy niankohoka ny vahoaka. 28  Koa lasa ny Israelita, ary nataony izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona.+ Izany mihitsy no nataon’izy ireo. 29  Ary tamin’ny misasakalina, dia naripak’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tao Ejipta,+ hatramin’ny lahimatoan’i Farao, dia i Farao izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao am-ponja,* ary ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny biby.+ 30  Dia nifoha i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejipsianina hafa rehetra tamin’iny alina iny. Ary nidradradradra mafy ny Ejipsianina, satria tsy nisy trano tsy nisy maty.+ 31  Tonga dia nantsoin’i Farao i Mosesy sy Arona+ tamin’iny alina iny, dia noteneniny hoe: “Mandehana miala eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Israelita. Mandehana manompo an’i Jehovah, araka ny efa nolazainareo.+ 32  Ento koa ny ondrinareo sy ny ombinareo, araka ny efa nolazainareo, dia ’ndeha mandeha any.+ Tsy maintsy mitso-drano ahy koa anefa ianareo.” 33  Ary nandodona an’ilay vahoaka hiala haingana+ tao amin’ilay tany ny Ejipsianina, satria hoy izy ireo: “Sao ho faty eto daholo izahay.”+ 34  Koa nentin’ny olona ny kobany mbola tsy nisy lalivay, sy ny vilia* famolavolany koba izay nofonosiny tamin’ny akanjony ka nataony teny an-tsorony. 35  Ary nataon’ny Israelita izay nasain’i Mosesy nataon’izy ireo, ka nangataka zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena tamin’ny Ejipsianina izy ireo sady nangataka akanjo.+ 36  Dia nataon’i Jehovah nahazo sitraka tamin’ny Ejipsianina ny vahoaka, ka nomen’izy ireo azy izay nangatahiny. Koa nataon’ny Israelita fongana ny fananan’ny Ejipsianina.+ 37  Dia niala tao Ramesesa+ ny Israelita ka nankany Sokota.+ Nisy 600 000 teo ho eo ny lehilahy nandeha an-tongotra, ankoatra ny ankizy.+ 38  Nisy olona maro avy amin’ny firenen-kafa*+ koa niaraka tamin’izy ireo. Ary nentin’izy ireo ny ondry sy ny omby, dia biby fiompy be dia be. 39  Nanaovan’izy ireo mofo boribory tsy misy lalivay ny koba nentiny avy tany Ejipta, dia nataony tao anaty lafaoro. Tsy nisy lalivay ilay koba, satria tampoka be ny nandroahana azy ireo niala tao Ejipta, ka tsy nahavita nanomana vatsy izy ireo.+ 40  Nivahiny tany an-tanin’olona nandritra ny 430 taona+ ny Israelita, izay nipetraka tany Ejipta.+ 41  Tamin’ilay andro nifaranan’ny 430 taona mihitsy no nivoaka avy tany Ejipta ny vahoakan’i* Jehovah rehetra. 42  Alina hankalazana ny nitondran’i Jehovah azy ireo nivoaka avy tany Ejipta io alina io. Tokony hankalaza an’io alina io ho an’i Jehovah ny vahoakan’Israely rehetra, hatramin’ny taranany fara aman-dimby.+ 43  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: “Izao no fitsipika momba ny Paska: Tsy misy olona avy amin’ny firenen-kafa mahazo mihinana azy io.+ 44  Raha misy manana mpanompo novidina vola anefa, dia tokony hoforana aloha ilay mpanompo+ vao mahazo mihinana amin’izy io. 45  Tsy mahazo mihinana azy io ny mpiavy sy ny mpikarama. 46  Ao amin’ny trano iray ihany no hihinanana azy. Aza misy entina any ivelan’ny trano ny henan’ilay biby, ary aza misy tapahina ny taolany.+ 47  Hankalaza ny Paska ny vahoakan’Israely manontolo. 48  Raha misy hafa firenena monina eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’i Jehovah, dia tsy maintsy forana ny lehilahy rehetra ao amin’ny ankohonany. Afaka mankalaza azy io izy aorian’izay, ary hanjary ho toy ny teratany. Fa tsy misy mahazo mihinana azy io ny lehilahy tsy voafora.+ 49  Lalàna iray ihany no hihatra amin’ny teratany sy ny vahiny monina eo aminareo.”+ 50  Koa nataon’ny Israelita rehetra izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona. Izany mihitsy no nataon’izy ireo. 51  Tamin’iny andro iny mihitsy i Jehovah no nitondra ny Israelita rehetra* nivoaka avy tany Ejipta.

Fanamarihana

Abt: “eo anelanelan’ny takariva roa.” Azo inoana hoe efa nilentika ny masoandro, saingy mbola tsy maizina ny andro.
Na: “leviora; renikoba.”
Abt: “Hisy sikina ny andilanareo.”
Jereo F.T.
Abt: “ny tafikareo.”
Izany hoe ondry na osy.
Jereo F.T.
Abt: “fandringanana.”
Abt: “zanakareo lahy.”
Abt: “amin’ny tranon’ny lavaka fanangonan-drano.”
Na: “vilia baolina.”
Izany hoe olona maro tsy Israelita, anisan’izany ny Ejipsianina.
Abt: “tafik’i.”
Abt: “ny zanak’Israely sy ny tafik’izy ireo.”