Eksodosy 13:1-22

13  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Hamasino ho ahy ny lahimatoa rehetra, izay voalohan-teraka eo amin’ny zanak’Israely, na olona na biby, fa ahy ireny.”+  Ary hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: “Aoka hotsarovana ity andro ity, izay nivoahanareo avy eto Ejipta,+ avy ao amin’ny trano fanandevozana. Fa tamin’ny herin-tsandriny no namoahan’i Jehovah anareo hiala eto.+ Koa tsy azo hanina izay zavatra misy lalivay.+  Amin’ity andro amin’ny volana Abiba+ ity ianareo no hiala eto.  Ary ataovy izany fanompoana izany amin’io volana io, rehefa ampidirin’i Jehovah any amin’ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita+ ianao. Efa nianianany tamin’ny razanao fa homena anao io tany io,+ dia tany tondra-dronono sy tantely.+  Fito andro no hihinananao mofo tsy misy lalivay,+ ary ny andro fahafito dia fety ho an’i Jehovah.+  Mofo tsy misy lalivay no hohanina mandritra ny fito andro,+ ary tsy tokony hahitana mofo misy lalivay ao aminao.+ Tsy tokony hahitana lalivay koa ao aminao, dia ao amin’ny faritra rehetra misy anao.+  Ary teneno amin’ny zanakao amin’izay andro izay hoe: ‘Izay nataon’i Jehovah tamiko fony aho nivoaka avy tany Ejipta no anton’izao.’+  Ary ho famantarana eo amin’ny tananao izany sady ho fahatsiarovana eo amin’ny handrinao,+ mba ho eo am-bavanao ny lalàn’i Jehovah,+ satria tanana mahery no nitondran’i Jehovah anao nivoaka avy tany Ejipta.+ 10  Ary tandremo izao lalàna izao amin’ny fotoana voatondro hankalazana azy isan-taona.+ 11  “Ary rehefa ampidirin’i Jehovah any amin’ny tanin’ny Kananita ianao,+ araka izay efa nianianany taminao sy ny razanao,+ eny, rehefa omeny anao tokoa izany tany izany, 12  dia atokàny ho an’i Jehovah ny voalohan-teraka rehetra amin’ny olona,+ sy ny voalohan-teraka rehetra amin’ireo biby+ hanananao. Ny lahy dia an’i Jehovah.+ 13  Ary avoty daholo ny voalohan-teraka rehetra amin’ny ampondra, ka ondry no ataovy solony. Raha tsy avotanao anefa izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy.+ Tokony havotanao koa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao.+ 14  “Ary raha manontany anao ny zanakao any aoriana any+ hoe: ‘Fa inona no hevitr’izao?’, dia lazao aminy hoe: ‘Tamin’ny herin-tsandriny no namoahan’i Jehovah antsika hiala tany Ejipta,+ avy tao amin’ny trano fanandevozana.+ 15  Mafy loha i Farao tamin’izay ka tsy nety nandefa antsika.+ Dia novonoin’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia ny lahimatoan’ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby.+ Koa izany no antony hanaovako sorona ny lahy voalohan-teraka rehetra mba ho an’i Jehovah.+ Fa izay lahimatoa amin’ny zanako kosa avotako.’+ 16  Ary ho famantarana eo amin’ny tananao sy ho fehiloha eo amin’ny handrinao izany,+ satria tamin’ny herin-tsandriny no namoahan’i Jehovah antsika avy tany Ejipta.”+ 17  Rehefa nalefan’i Farao ny vahoaka, dia tsy nentin’Andriamanitra tany amin’ilay lalana mankany amin’ny tanin’ny Filistinina izy ireo, na dia tany aza no akaiky. Fa hoy Andriamanitra: “Sao hanenina ny vahoaka raha sendra ady, ka hiverina any Ejipta.”+ 18  Koa nasain’Andriamanitra nanodidina ny vahoaka, nanaraka ny lalana mankany amin’ny tany efitry ny Ranomasina Mena.+ Nilahatra toy ny tafika ny zanak’Israely rehefa niakatra avy tany Ejipta.+ 19  Ary nentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolambalon’i Josefa, satria i Josefa efa nampianiana mafy ny zanak’Israely hoe: “Tsy maintsy hitsinjo anareo Andriamanitra,+ ka ento miakatra miaraka aminareo hiala atỳ ny taolambaloko.”+ 20  Dia niala tao Sokota izy ireo ka nitoby tany Etama, teo an-tsisin’ny tany efitra.+ 21  Ary nandeha teo alohan’ny vahoaka i Jehovah, ka nitari-dalana azy tao anatin’ny andry rahona nandritra ny andro,+ sady nanazava azy tao anaty andry afo nandritra ny alina, mba handehanan’izy ireo andro aman’alina.+ 22  Koa tsy niala teo alohan’ny vahoaka ny andry rahona nandritra ny andro, ary ny andry afo nandritra ny alina.+ 

Fanamarihana