Eksodosy 14:1-31

14  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Ilazao ny zanak’Israely mba hiverina, ka hitoby eo akaikin’i Pihahirota, izay eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina tandrifin’i Bala-zefona.+ Tandrifin’io no hitobianareo eo akaikin’ny ranomasina.  Dia tsy maintsy hilaza momba ny zanak’Israely i Farao hoe: ‘Mivenjivenjy fotsiny tsy mahita lalana ireo, ary voahidin’ny tany efitra.’+  Dia avelako hikiribiby amin’ny heviny i Farao+ ka tsy maintsy hanenjika an’ireo izy. Koa hahazo voninahitra aho noho ny amin’i Farao sy ny tafiny rehetra.+ Ary ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah.”+ Dia nataon’ny zanak’Israely izany.  Dia nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Ejipta hoe lasa nandositra ny vahoaka. Koa avy hatrany dia niova hevitra momba ny vahoaka i Farao sy ny mpanompony,+ ka nanao hoe: “Fa inona ity nataontsika no dia nalefantsika tsy hanompo+ antsika intsony ny zanak’Israely?”  Koa nomanin’i Farao ny kalesin’adiny, ary nentiny niaraka taminy ny olony.+  Dia nitondra kalesy voafantina+ eninjato izy, niaraka tamin’ny kalesy hafa rehetra tao Ejipta. Ary miaramila mpiady no nitaingina an’ireo kalesy.  Koa navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny i Farao mpanjakan’i Ejipta.+ Dia nanenjika ny zanak’Israely izy, tamin’ny zanak’Israely nivoaka tamim-pandresena* avy tany Ejipta.+  Eny, nanenjika azy ireo ny Ejipsianina. Ary ny soavaly rehetra izay nitarika ny kalesin’i Farao, mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny+ sy ny tafiny, dia nahatratra ny zanak’Israely nitoby teo akaikin’ny ranomasina, teo akaikin’i Pihahirota, tandrifin’i Bala-zefona.+ 10  Ary rehefa nihananakaiky i Farao, dia nanopy ny masony ny zanak’Israely, ka indreny ny Ejipsianina fa nanenjika azy. Koa natahotra be ny zanak’Israely, ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah.+ 11  Dia niteny tamin’i Mosesy izy ireo hoe: “Tsy misy toeram-pandevenana mihitsy angaha any Ejipta, no nentinao ho faty atỳ an-tany efitra atỳ izahay?+ Fa inona ity nataonao taminay? Fa maninona no nentinao niala tany Ejipta izahay? 12  Tsy izao ve ilay teninay taminao tany Ejipta hoe: ‘Avelao amin’izao ihany izahay, hanompoanay ny Ejipsianina?’ Fa aleonay manompo ny Ejipsianina toy izay ho faty atỳ an-tany efitra atỳ.”+ 13  Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: “Aza matahotra.+ Mijoroa, ka jereo ny famonjen’i Jehovah izay hataony ho anareo anio.+ Fa ireo Ejipsianina hitanareo androany ireo, dia tsy ho hitanareo intsony mihitsy.+ 14  I Jehovah mihitsy no hiady ho anareo,+ fa ianareo kosa hangina.” 15  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Nahoana ianao no mitaraina amiko foana?+ Teneno ny zanak’Israely mba hifindra lasy. 16  Ary ingao ny tehinao+ ka atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao. Dia saraho ny rano,+ mba hamakivaky eo afovoan’ny ranomasina ny zanak’Israely, ka handia tany maina.+ 17  Izaho kosa hamela ny Ejipsianina hikiribiby amin’ny heviny,+ ka hiditra hanenjika ny zanak’Israely izy. Dia hahazo voninahitra aho noho ny amin’i Farao sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesin’adiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.+ 18  Ary ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah, rehefa hahazo voninahitra aho noho ny amin’i Farao sy ny kalesin’adiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.”+ 19  Ary ny anjelin’ilay tena Andriamanitra, izany hoe ilay anjely+ nandeha teo alohan’ny tobin’ny Israely, dia lasa nankany aoriana. Niala tany alohan’izy ireo koa ny andry rahona, ka nankany aoriana.+ 20  Koa nanjary teo anelanelan’ny Ejipsianina sy ny Israely ny andry rahona,+ ka ny lafiny iray dia rahona sy haizina, fa ny lafiny iray kosa nirehitra foana nanazava ny alina.+ Ary tsy nifanatona ireo toby roa nandritra ny alina manontolo. 21  Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany.+ Ary rivo-mahery avy any atsinanana, izay nitsoka nandritra ny alina manontolo, no nentin’i Jehovah nampihemotra ny ranomasina. Dia novany ho tany maina ny fanambanin’ny ranomasina,+ ka nisaraka ny rano.+ 22  Tamin’ny farany, dia nandia tany maina namakivaky teo afovoan’ny ranomasina ny zanak’Israely,+ ary toy ny manda teo ankavanany sy teo ankaviany ny rano.+ 23  Ary nanenjika azy ireo indray ny Ejipsianina. Koa niditra nanaraka azy ireo ho ao afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Farao sy ny kalesin’adiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.+ 24  Ary tamin’ny fiambenana maraina, dia nojeren’i Jehovah avy tao amin’ilay andry afo sady andry rahona+ ny tobin’ny Ejipsianina, ka nataony nifanaritaka.+ 25  Ary nesoriny ny kodiaran’ny kalesin’ireo mba ho sarotra amin’ireo ny hitondra azy.+ Koa hoy ny Ejipsianina: “Andao handositra ny Israely, fa i Jehovah mihitsy no miady amin’ny Ejipsianina ho an’ireo.”+ 26  Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,+ mba hiverina ny rano ka hanarona ny Ejipsianina sy ny kalesin’adiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.” 27  Koa natsotran’i Mosesy avy hatrany teo ambonin’ny ranomasina ny tanany, ka nanomboka niverina tamin’ny laoniny ny ranomasina rehefa nadiva ho maraina ny andro. Ny Ejipsianina kosa tamin’izay efa teo am-pandosirana mba tsy hotsenain’ny rano, kanjo nakifik’i Jehovah hankao afovoan’ny ranomasina izy ireo.+ 28  Ary niverina ny rano,+ ka nanarona ny kalesin’ady sy ny mpitaingin-tsoavaly tao amin’ny tafik’i Farao rehetra, dia ireo nankao an-dranomasina nanaraka ny Israely.+ Dia tsy nisy niangana izy ireo na iray aza.+ 29  Fa ny zanak’Israely kosa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina,+ ary ny rano dia toy ny manda teo ankavanany sy teo ankaviany.+ 30  Koa namonjy ny Israely tsy ho azon’ny tanan’ny Ejipsianina i Jehovah tamin’iny andro iny.+ Ary hitan’ny Israely ny fatin’ny Ejipsianina niampatrampatra teny amoron-dranomasina.+ 31  Ary hitan’ny Israely koa ny nampiasan’i Jehovah hery lehibe hamelezana ny Ejipsianina. Dia natahotra an’i Jehovah ny olona, sady nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony.+

Fanamarihana

A.b.t.: “tamin’ny tanana natsangana.”