Eksodosy 15:1-27

15  Tamin’izay, dia nanao izao hira izao ho an’i Jehovah i Mosesy sy ny zanak’Israely:+ “Hihira ho an’i Jehovah aho, fa nisandratra avo dia avo izy.+Natsipiny tao an-dranomasina ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy.+   I Jah* no tanjako sy heriko,+ satria izy no mpamonjy ahy.+Izy no Andriamanitro, ka hidera azy aho.+ Andriamanitry ny razako izy,+ ka hasandratro avo dia avo.+   I Jehovah dia mpiady mahery.+ Jehovah no anarany.+   Natsipiny tao an-dranomasina ny kalesin’i Farao sy ny tafiny,+Ary nilentika tao amin’ny Ranomasina Mena ny kalazalahy tamin’ny miaramila mpiadiny.+   Nandifotra azy ireo ny rano manonja.+ Nilentika tao amin’ny lalina tahaka ny vato izy ireo.+   Mahery dia mahery ny tananao ankavanana, Jehovah ô!+Afaka manorotoro fahavalo ny tananao ankavanana, Jehovah ô!+   Ary noho ny haben’ny fahambonianao, dia afaka mandavo an’izay mitsangana hanohitra anao ianao.+Avoakanao ny fahatezeranao mirehitra ka mandevona an’ireny toy ny fandevona vodivary.+   Fofonain’ny vavoronao+ no nampivangongo ny rano.Dia tsy nihetsika ny rano, ka tonga toy ny tohodrano lehibe.Nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano manonja.   Niteny ny fahavalo hoe: ‘Hanenjika aho!+ Hahatratra aho!+Hizara babo aho+ ka tsy hijanona raha tsy afa-po!Hanatsoaka ny sabatro aho! Horoahin’ny tanako ireny!’+ 10  Ny fofonainao no nitsofanao+ ny ranomasina ka nanafotra azy ireo izany.+Nilentika toy ny firaka nalatsaka tao amin’ny rano be izy ireo.+ 11  Iza amin’ireo andriamanitra no tahaka anao, Jehovah ô?+Iza no tahaka anao izay fara tampony amin’ny fahamasinana,+Eny, Ilay tokony hatahorana+ ka hanaovana hira fiderana,+ eny, Ilay manao zava-mahagaga maro?+ 12  Naninjitra ny tananao ankavanana ianao,+ ka natelin’ny tany izy ireo.+ 13  Tamin-katsaram-panahy no nitondranao ny vahoaka navotanao.+Ary amin’ny herinao no hitarihanao azy ho any amin’ny fonenanao masina.+ 14  Handre izany ireo firenena+ ka hitebiteby.+Hanaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza+ ny mponin’i Filistia. 15  Amin’izay fotoana izay, dia tena hivarahontsana ny lehibem-pokon’i Edoma.Ary ho tora-kovitra ny mpitondra jadon’i Moaba.+Ho kivy tokoa ny mponina rehetra any Kanana.+ 16  Hatahotra sy hihorohoro izy ireo.+Tsy hihetsika toy ny vato izy ireo, noho ny herin’ny sandrinao,Mandra-pandalon’ny olonao+ Jehovah ô,Eny, mandra-pandalon’ny+ vahoaka noforoninao.+ 17  Hitondra azy ireo ianao ka hampitoetra* azy eo amin’ny tendrombohitra lovanao,+Izay fonenana efa nomaninao honenanao,+ Jehovah ô,Eny, toerana masina+ naorin’ny tananao, Jehovah ô! 18  Hanjaka i Jehovah mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+ 19  Rehefa niditra tao an-dranomasina ny soavalin’i Farao+ sy ny kalesin’adiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny,+Dia naverin’i Jehovah ny rano mba hanafotra azy ireo.+Ny zanak’Israely kosa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.”+ 20  Ary naka ampongatapaka+ i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona.+ Nivoaka nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, nitondra ampongatapaka sady nandihy.+ 21  Ary namaly ny hiran’ireo lehilahy i Miriama, ka nanao hoe:+ “Mihirà ho an’i Jehovah,+ fa nisandratra avo dia avo izy.+Natsipiny tao an-dranomasina ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy.”+ 22  Taorian’izay, dia nasain’i Mosesy niala teo amin’ny Ranomasina Mena ny Israely ka nivoaka nankany an-tany efitr’i Sora.+ Ary nandeha telo andro tany an-tany efitra izy ireo, kanefa tsy nahita rano.+ 23  Tonga tany Mara+ izy ireo tamin’ny farany, nefa tsy afaka nisotro ny rano tao satria nangidy ny rano. Koa nataon’i Mosesy hoe Mara+ ny anaran’ilay toerana. 24  Dia nanomboka nimenomenona tamin’i Mosesy ny vahoaka,+ ka nanao hoe: “Inona no hosotroinay?” 25  Ary nitaraina mafy tamin’i Jehovah i Mosesy.+ Koa nisy hazo naniry natoron’i Jehovah azy. Dia natsipin’i Mosesy tao anaty rano ilay izy ka nanjary mamy ny rano.+ Teo Izy no nametraka fitsipika sy lalàna ho azy ireo, ary teo koa Izy no nizaha toetra azy ireo.+ 26  Ary hoy koa Izy: “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ary manao izay mahitsy eo imasony ka tena mihaino ny didiny sy mitandrina ny fitsipiny rehetra,+ dia tsy hisy halefako aminareo ny aretina nalefako tamin’ny Ejipsianina,+ fa izaho no Jehovah izay manasitrana anareo.”+ 27  Taorian’izay, dia tonga tany Elima izy ireo. Nisy loharano roa ambin’ny folo sy hazo palmie fitopolo tany,+ ka nitoby teo amoron-drano izy ireo.

Fanamarihana

Fanafohezana ny hoe Jehovah.
A.b.t.: “hamboly.”